Ry sakaiza, efa mba nieritreritra ve ianao hoe inona no atao hoe fikomiana? Matetika isika no tsy tia manaiky izay lazain'ny hafa, indrindra fa izay heverintsika ho ambony antsika. Tsy te hofehezina, te hanao izay tiantsika fotsiny isika. Fomba fisainana mampidi-doza anefa izany. Mampiseho tsy firaharahiana sy tsy fanajana an’izay manana fahefana.
Maro amintsika no manao zavatra amim-pireharehana sy fitiavan-tena, tsy miraharaha izay lazain’ireo tokony hajaina. Tsy tsapantsika akory fa fehezin’ny fanahy mikomy isika, ary tsy mampifaly an’Andriamanitra izany. Milaza ho zanak’Andriamanitra isika nefa tsy mifandray tsara amin’ny Fanahy Masina. Ny ratsy no mifehy antsika.
Ny fikomiana no tena mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra. Tsy mety manaiky fanitsiana isika, tsy mety manaraka ny didiny, aleo manaraka ny sitrapontsika sy ny fahafinaretantsika fotsiny. Dia lasa manota foana eo anatrehan’ilay Mahery Indrindra isika.
Mihevi-tena ho hendry isika, nefa tsy tsapantsika fa mitondra antsika any amin’ny fahafatesana mandrakizay ny lalantsika. Ao amin’ny Deoteronomia 1.43-45, dia voalaza hoe: “Niteny taminareo Aho, nefa tsy nihaino ianareo; fa nikomy tamin’ny tenin’i Jehovah ianareo ka nirehareha niakatra tany an-tendrombohitra. Kanjo ny Amorita izay nonina tany amin’izany tendrombohitra izany dia nivoaka hihaona taminareo ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjikan’ny tantely, dia namely anareo tao Seira hatrany Horma. Ary niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan’i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, ary tsy nanongilana ny sofiny taminareo.”
Tadidio fa lavitry ny fon’i Jesosy izay mikomy. Tia anao Izy, te hamonjy anao, nefa tsy tiany ny tsy fibebahanao. Mbola misy fotoana anefa ahazoanao ny famindram-pony. Sokafy ny fonao, miankohofa eo anatrehany, mivavaha mangataha famelan-keloka, ary ekeo amim-panetren-tena ny fahadisoanao. Aza mitady fialan-tsiny, ekeo ny fananarana mendrika anao mba hovana tanteraka ianao.
Mifandraisa amin’ny Fanahy Masina, lazao aminy ny filanao Azy, ary aza manaiky hiaina raha tsy eo ny fitiavany tonga lafatra. Amin’izay ianao no hahazo sitraka Aminy sy amin’ny olona. Mangataha famelan-keloka amin’izay manana fahefana aminao, dia manomboha fiainam-baovao.
Ny Tompo nilaza hoe: «Hampodiko avy any Basàna ireny, hampodiko avy any ambany ranomasina ireny,»
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra.
Ny fitiavana, no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany.
Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.
Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana;
fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny.
Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihatsy fanamelohana ny tenany.
dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona;
fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio,» mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana.
Loza ho an’izay zaza maditra - teny ton’i Iaveh, izay manao fikasana nefa tsy ombako; sy manao fanekem-pivavahana, nefa tsy omban’ny fanahiko, ka manampy ota ny ota.
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy.
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,
fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
dia tsy hanahaka ny razany izay taranaka maditra sy miodina, taranaka manana fo mivadibadika, sy fanahy tsy miraikitra amin’Andriamanitra.
Hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely, ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.
Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo no anirahiko anao. Izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh, Tompo.
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny.
Ny fahotany ampiany fiodinana, mitehaka eto afovoantsika izy, ary mampitombo ny teny hanoherany an’Andriamanitra.› »
Tsy sitrak’Andriamanitra anefa ny ankabeazan’izy ireny, fa lambam-bary tany an’efitra.
Ary izany zavatra izany dia tonga mba ho anatra ho antsika, mba tsy hitsiriritra ny ratsy isika, toy ny nitsiriritan’ireny,
Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana, ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory, - teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -
Ka nahoana àry ity vahoaka eto Jerosalema no efa diso lalana, ka no dia mbola mizotra amin’ny hadisoana ihany? Fa mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ireo, ka tsy mety miverina akory.»
Efa nolazainy haringana izy ireo; raha tsy i Môizy olom-boafidiny, no nitsangana teo anatrehany hisakana ny hatezerany tsy handringana azy.
Ny olona tandrifin’ny hanarina, ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.
araka ilay lazaina hoe: Anio raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo, tahaka ny tamin’ny fahasosorana.
Misy mitoetra ao amin’ny fahavalon’ny fahazavana, tsy mahalala ny lalany akory, na maharitra mizotra amin’ny sakeli-dalany.
Ary raha nasain’i Iaveh handeha avy ao Kadesa-Barne ianareo, nataony hoe: Miakara, alaovy ho anareo ny tany izay omeko anareo; dia notoherinareo ny tenin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy nino Azy ianareo na nanaiky ny feony.
Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny i Iaveh: «Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.
fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levonin’ny sabatra; fa efa niteny ny vavan’i Iaveh.
Ahoana no nahatongavany ho janga, izy ilay tanàna mahatoky sy feno fahamarinana, izay nonenan’ny fitsarana marina; fa ankehitriny kosa... mpamono olona no eo!
Ny volafotsinao zary tain-drendrika, ny divainao notampohin-drano.
Ny lehibenao mpikomy, sy naman’ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin’ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.
Ka noho izany - Teny ton’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, ilay Maherin’i Israely: - Edrey! hiala fo amin’ny mpandrafy Ahy Aho, sy hamaly an’ireo fahavaloko.
Haninjitra ny tanako aminao Aho, ka ny tain-drendrikao hoempoiko toy ny amin’ny sirahazo, ary ny potipoti-pirakao rehetra hoesoriko.
Hametrahako mpitsara toy ny tany aloha ianao, mbamin’ny mpanolo-tsaina toy ny tamin’ny andro voalohany. Raha efa izany dia hantsoina hoe tanànan’ny fahamarinana, tanàna mahatoky ianao.
Havotana amin’ny hitsiny i Siôna, ary amin’ny rariny, izay hibebaka ao.
Fa ny mpikomy ama-mpanota kosa, indray torotoroina avokoa; ary izay mahafoy an’i Iaveh, dia ho faty.
Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
Ny omby mahalala ny tompony; ary ny ampondra, ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa i Israely kosa tsy manam-pahalalana, ny vahoakako tsy mba manan-tsaina.»
«Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: ‹Andeha, anaka miasa any amin’ny tanimboaloboko anio›.
‹Tsy handeha aho›, hoy izy; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany.
ka raha tahiny misy miteny aminareo, dia ilazao hoe: ‹Misy ilàn’ny Tompo azy› dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay izy.»
Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. ‹Handeha aho, tompoko›, hoy io; kanefa tsy nandeha izy.
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?»: «Ny lahimatoa,» hoy ireo. Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho milaza marina aminareo fa ny Poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra»
Tsy nety nihaino anefa izy ireo, fa nampiodina ny sorony sy nanamafy ny sofiny tsy hahare.
Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,
fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,
Koa, noho ny Tompo, dia maneke ny lehibe rehetra voatendrin’ny olona: na ny mpanjaka, satria ambony izy,
na ny mpifehy, satria nirahiny hamay ny manao ratsy, sy hidera ny manao soa izy.
Hoy koa izy: «Andeha isika hanorina tanàna anankiray, ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanangana tsangam-bato ho antsika, fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.»
Fa nidina kosa i Iaveh hizaha ny tanàna aman-tilikambo nataon’ny zanak’olombelona.
Dia hoy i Iaveh: «Indro firenena iray izy ireo ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra, ary ity asa ity no iandohan’izay tiany hatao; amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka izay kasainy hatao.
Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko;
mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Satria niodina tamin’ny teny ton’Andriamanitra izy sy naniratsira ny fananaran’ny Avo Indrindra.
Raha misondrotra tezitra aminao ny fon’ny mpanapaka, aza miala eo amin’ny fitoeranao, fa ny fahatsindriam-po mahasakana hadisoana be vava.
Aza vonoina ireny, fandrao hadinon’ny vahoakako, fa ampirenireneo amin’ny herinao izy, dia haongano, ry Tompo, ampinganay!
raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.
Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.
Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà, tahaka ny tamin’ny andro tao Masà, tany an’efitra,
izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy, sy nizahany toetra Ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
ozona, raha tsy manaiky ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo, fa mivily hiala amin’ny lalana izay andidiako anareo anio, ka lasa manaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
Namela-tanana tontolo andro aho, mankamin’ny vahoaka niodina, mankamin’ireo mizotra amin’ny lalan-dratsy, araka izay sitraky ny sainy; mankamin’ny vahoaka mihaika ahy,
Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny lalan’ny fitaka aho.
Anaka, matahora an’i Iaveh sy ny mpanjaka, ary aza mba miharoharo amin’ny olona mpanakorontana.
Fa hidona tampoka ny lozan’ireny, ary iza moa no mahalala izay hanjò azy isany?
Tsia, mamorona hevi-dratsy ao am-ponareo ianareo, amidinareo an-danjany eo amin’ny tany ny fanaovan’ny tananareo an-keriny.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy.
Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Hafaliana ho an’ny marina, ny manaraka ny rariny, fa vadi-po kosa, no an’izay manao ratsy.
Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahatehijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.
Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.
Tsy manam-pahaizana na hazavan-tsaina ireny, fa mandeha amin’ny maizina; mihorohoro ny fanambanin’ny tany rehetra.
Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony;
fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
Tsy mbola nandre izany ianao, tsy nahalala izany ianao; tsy mbola nandre izany velively ny fonao. Satria fantatro ianao fa mpivadika loatra, ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe mpivadika.
tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Voan’ny fitsiriritana tany an’efitra izy, ka naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany mangingina.
fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita Aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...
sy amim-pitanana ny finoana sy ny kônsiansy tsara izay efa narian’ny sasany, ka rendrika ny amin’ny finoana terỳ izy ireny;
Andriamanitra ô, mitsangan-kamely ahy ny mpiavonavona, mitady ny aiko ny antokon’olona mpanao an-keriny, ka tsy asiany raharaha akory Ianao.
Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; ny tsora-kazon’ny famaizana no hanesotra izany aminy.
Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra: «Ahoana no mba anononanao ny lalàko, sy anaovanao am-bava ny fanekeko,
izay ianao olona mankahala fifehezana, sy manifika ny teniko any ivohonao?
Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
satria lefitr’Andriamanitra amin’ny fanasoavana anao izy. Fa raha ny ratsy kosa no ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin’ny maha-lefitr’Andriamanitra azy.
satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.
Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitra ô, arovy tsy ho azon’ireo mpanohitra ahy aho!
Hoy ny fahavalo: ‹Hanenjika ka hahatratra, Dia hizara babo aho, Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.›
Amin’izany andro izany koa dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala be ihany.
Ary hisy mpaminany sandoka maro hiseho, ka hamitaka olona maro.
Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro;
Ny adala manao anakam-po hoe: «Tsy misy Andriamanitra!» Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony; Tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
Akory ity ianao no potraka avy any an-danitra, ry kintana mamirapiratra, zanaky ny maraina? Akory ity ianao no mitsingidina amin’ny tany, ianao ilay mpandrava firenena?
Ianao ilay nanao anakampo hoe: ‹Hiakatra any an-danitra aho; ary ambony mihoatra ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; hipetraka eo ambonin’ny tendrombohitry ny fivoriana, eny amin’ny avaratra avo tsy hita noanoa;
hisondrotra any an-tampon’ny rahona, ary hitovy amin’ny Avo-Indrindra!›
Aza mety hofitahin’olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana.
izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy; sady tsy hainy aza izany.
Aza dia sompatra loatra, ary aza dia adala: Ahoana no hitadiavanao ny ho faty alohan’ny fotoanao?
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,
Adala izay mitoky amin’ny fon’ny tenany, fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.
Hampitoeriko haharitra mandrakizay ny taranany; ary ny seza fiandrianany haharitra toy ny andron’ny lanitra.
Raha mahafoy ny lalàko ny taranany, ka tsy mandeha araka ny fitsipiko;
raha mandika ny teniko izy, ka tsy mitandrina ny didiko,
Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy, sy nizahany toetra Ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,
ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho,
momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo,
mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,
tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra.
Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.
Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao, sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao?
Halako dia halako tanteraka tokoa ireny, fahavaloko izy ireny, raha izaho.
Ity vahoaka ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony lavitra Ahy;
koa foana ny ivavahan’izy ireo amiko, satria didin’olombelona no ataony fampianarana.
Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra,
Loza ho an’izay zaza maditra - teny ton’i Iaveh, izay manao fikasana nefa tsy ombako; sy manao fanekem-pivavahana, nefa tsy omban’ny fanahiko, ka manampy ota ny ota.
Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»; sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio.
Mialà amin’ny lalana, ivilio ny lalana, esory eo imasonay ilay Masin’i Israely!»
Noho izany, izao no lazain’Ilay Masin’i Israely: Noho ianareo manamavo izany teny izany, sy mitoky amin’ny fanaovana an-keriny amam-pitaka, sady manao izany ho fiankinanareo,
noho izany, io heloka io ho anareo, dia ho toy ny mivava efa mila hampianjera sy efa mandomba eo amin’ny rindrina avo, izay mirodana tampoka, indray mihelina monja.
Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsan’ny vilany tany izy, izay vakivakin’ny olona tsy itondrany roa, ary ny vakiny tsy hahitana silany akory mba hakana afo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-dobo.
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
Nefa tsy nety ianareo, fa hoy ianareo: «Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay.» - Eny hoe, handositra ianareo. - «Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay.» Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo.
Raha iray no handrahona, dia arivo no handositra; ary raha dimy no handrahona, handositra avokoa ianareo. Mandra-pahatonganareo ho kely sisa, tahaka ny tsato-kazo eny an-tampon’ny tendrombohitra, na ny faneva famantarana eny an-kavoana.
Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!
Fa ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema, tsy hitomany intsony ianao, fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo; raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.
Dia midina eny amin’ny lalana mankany Ejipta izy ireo nefa tsy manontany ny vavako, mba hialoka eo ambany fiarovan’i Faraôna sy hialokaloka eo amin’ny alokalok’i Ejipta.
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Mizaha ny marina hatrao anatiny i Iaveh; fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny Izy.
Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
Tsy mitady afa-tsy fikomiana ny ratsy fanahy, fa handefasana iraka masiaka hamely azy kosa izy.
Rain’ny kamboty, mpitsara ny mpitondratena Izy, Andriamanitra eo amin’ny fonenany masina.
Ireo mpanjakan’ny tany mitsimbohitra, ary ny andriana koa miara-mioko, hanohitra an’i Iaveh sy ny Voahosony:
«Efa hakambana amin’ny razany i Aarôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany omeko ny zanak’i Israely izy, satria nandà ny teniko ianareo, tao amin’ny ranon’i Meribà.
Manjaka mandrakizay amin’ny fahefany Izy, mitsinjo ny firenena ny masony; aoka tsy hanandra-tena ny mpikomy. - Selà
Raha matahotra an’i Iaveh ianareo, raha manompo Azy, sy mankatò ny teniny, raha tsy mandika ny tenin’i Iaveh ary raha samy manaraka an’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka manjaka aminareo...
Fa aza miodina amin’i Iaveh kosa ianareo, ary aza matahotra ny olona amin’izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan’izy ireo efa niala taminy, ary isika omban’i Iaveh, ka aza matahotra azy ireo.»
Fa eo am-bavany, tsy mba misy fahatsorana; ny fony tsy misy afa-tsy faharatsiana; ny tendany, fasana misokatra; ataony malefadefaka ny lelany.
Fa izany mpaminany na mpanonofy izany kosa dia ataovy maty, satria fikomiana amin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay nampivoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta, sy nanafaka anao tany amin’ny trano fanandevozana, no efa notorìny mba hampivily anao amin’ny lalana nasain’i Iaveh Andriamanitrao alehanao. Dia izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.
Koa izao no lazain’i Iaveh: Indro esoriko tsy ho eto ambonin’ny tany ianao, dia ho faty ianao satria fiodinana amin’i Iaveh no notorìnao.»