Mampahonena fo tokoa ny mamapaka dina, ka mahatera-bato sy mampalahelo izay iharan'izany. Amin'izao fotoana izao dia efa miha-mahazatra ny fivadihana, toa very hasina ny fanajana sy ny fahatokiana. Toa ampirisihin'ny tontolo izao isika hino fa efa lany andro ny fahatokiana, nefa mampalahelo an'Andriamanitra izany.
Amin'izao andro farany izao, ny hany fomba ahafahana manohitra ny fakam-panahy sy ny famelezan'ny fahavalontsika dia ny fananana fifandraisana akaiky amin'ny Fanahy Masina. Fahotana eo imason'Andriamanitra ny fivadihana, ary fahotana amin'ilay olona iarahanao koa, ary amin'i Jesosy Kristy.
Tokony hohajaina ny fo, ny maso ary ny sofina, ialana ireo lalana mitondra any amin'ny fahaverezana ary tokony hangataka fanampiana raha sendra tratran'ny fakam-panahy amin'ny fivadihana. Andriamanitra no nanao ny fanambadiana ho mandra-pisarahan'ny fahafatesana, fa tsy ny fitaka na ny teti-dratsin'ny devoly no hamarana azy.
Raha toa ka tratran'ny fakam-panahy amin'ny fivadihana ianao, manatòna an'Andriamanitra, mangataha famelan-keloka ary mitadiava fanampiana amin'ireo olona matotra ara-panahy mba hivavaka ho anao. Amin'izay ianao vao afaka hiaina ny fisehoan'ny voninahitry ny Fanahy Masina, hamonjy ny fiainanao sy ny fiarahanareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe. Aza mijangajanga Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa»
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Fa mitete tantely ny molotry ny vehivavy an’olon-kafa, ary mamy noho ny diloilo ny vavany. Nefa ny farany mangidy toy ny absinta, maranitra toy ny sabatra roa lela. Midina ho any amin’ny fahafatesana ny tongony; mamantana ho any amin’ny Seoly ny diany.
Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy;
ka hoy Izy taminy: «Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.»
Aoka ny fonao tsy hivily hankany amin’ny lalan’io, aza maniasia any amin’ny sakeli-dalany. Fa maro no efa noratrain’izy io, ary betsaka no voan’izy io. Ny tranony dia lalana mankany amin’ny Seoly, izay midina ho any amin’ny fonenan’ny fahafatesana.
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao. Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy avokoa ny heloko.
Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony; ary famatorana ny tanany; izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy; fa ny mpanota kosa hosingorany.
Ahoana ange no hamindrako fo aminao? Ny zanakao, nahafoy Ahy, sady mianiana amin’izay tsy Andriamanitra. Izaho namoky azy, izy kosa nitolo-tena tamin’ny hafa; mandeha manao andiany, ho any an-tranon’ny vehivavy janga. Lahin-tsoavaly tsara fahana mikarenjy izy ireo, ka samy maneno amin’ny vadin’ny namany avy.
Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe: Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa? Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.»
Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin’ny lalàn’ny lahy kosa izy rehefa maty ny lahy. ka rehefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko. Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko: nony te hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no indro misosoka. Satria amin’ny olona ao anaty aho, dia mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra ihany, fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako. Indrisy! olo-mahantra aho; iza re no hanafaka ahy amin’ity vatam-pahafatesana ity? Hisaorana anie Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra amin’ny saina no andevon’ny lalàn’ny fahotana amin’ny nofo koa. Koa raha mbola velona ny lahy no manambady olon-kafa izy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa rehefa maty kosa ny lahy, na manam-bady olon-kafa aza izy, dia tsy mba mpijangajanga intsony, fa efa afaka amin’ny lalàn’ny lahy.
fa efa toy ny vehivavy maka vadin’olona ka maka olon-kafa ho solon’ny vadiny. Ny vehivavy janga rehetra, omen-tangy; fa ianao kosa, nanangy ny lehilahinao rehetra, mba hahatongavany avy any rehetra any ho amin’ny fijangajanganao. Hafa noho ny amin’ny vehivavy hafa no nihatra taminao, tamin’ny fijangajanganao, fa tsy mba nisy olona nitady anao. Tamin’ny nanomezanao tangy fa tsy mba nomena kosa ianao, dia tonga mifanohitra amin’ny ataon’ny olona ny nataonao.
hanafaka anao amin’ny vehivavy efa an’ny hafa, amin’ny vehivavy efa an’olon-kafa izay manao teny mandrobo, izay mandao ny naman’ny fahatanorany, sy manadino ny fanekeny amin’ny Andriamaniny;
Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny. Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.
Toy izao no lalan’ny vehivavy mpaka vadin’olona: Mihinana izy, dia mamafa ny vavany, ka manao hoe: «Tsy nanao ratsy aho.»
Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana, no ampodian’i Iaveh anao, hoatra ny vadin’ny fahatanoranao efa nisaorana; hoy ny Andriamanitrao.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana;
Ny marina manoro lalana ny sakaizany; ny lalan’ny ratsy fanahy kosa mampivilivily azy.
Eo anoloan’ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetraka amiko izany.
Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany handavo ny ory sy ny malahelo, hamono izay mahitsy lalana.
Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;
Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony;
«Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao, tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.»
Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga!
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,
Fa hany noheveriko, dia ny tsy hiharoharoanareo amin’izay mitondra ny anarana hoe havana iray finoana, nefa mpijangajanga, na kahihitra, na mpanompo sampy, na mpifosa, na mpimamo, na mpanao an-keriny; fadio na ny miara-komana amin’ny olona toy izany aza.
Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra: «Ahoana no mba anononanao ny lalàko, sy anaovanao am-bava ny fanekeko, izay ianao olona mankahala fifehezana, sy manifika ny teniko any ivohonao?
Aza manozona ny mpanjaka, na ao an-tsainao aza; aza manozona ny manam-pahefana, na eo an’efitrano fandrianao aza; fa ny voromanidina hitondra ny feonao; ary ny biby manana elatra hanely ny teninao.
Ary nisy Farisianina nanatona Azy mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony?» Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany. Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe: Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa? Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.» «Ka nahoana i Môizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?» Dia hoy Izy taminy: «Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy alalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany. Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa»
Izao kosa no andidiako an’izay manambady, tsy izaho anefa fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy; ary raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady izy, na hody amin’ny lahy; toy izany koa ny lahy: aoka tsy handroaka ny vavy izy.
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasahiana ny fitafiany, hoy i Iavehn’ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka.
Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.»
Ianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin’ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana ianareo, mba tsy hisy hanampontsampona ny fivavahanareo.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna. Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, fa tsy manana olona miray fo amiko sy mazoto miahy anareo toy izany aho. Ny rehetra dia samy miahy ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy; izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra tokoa; niara-niasa tamiko tamin’ny Evanjely izy, toy ny zanaka miaraka amin-drainy. Koa dia manantena ny haniraka azy ho atỳ aminareo aho, raha vao hitako izay ho toetrako. Ary na dia ny tenako aza, araka ny tokiko ao amin’ny Tompo, dia mbola ho avy faingana koa. Nihevitra anefa aho fa i Epafrôdita rahalahiko, sady mpiara-miasa sy mpiara-miady amiko, ary irakareo hanompo ahy amin’ny zavatra ilaiko, dia tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo aloha; fa efa manina anareo rehetra izy, sady nalahelo noho ny nandrenesanareo azy hoe narary. Narary saika maty tokoa izy, fa Andriamanitra namindra fo taminy; ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, mba tsy hananako alahelo mitongoa alahelo. Koa dia ny nandefa azy no nahazoto ahy kokoa, mba hifalianareo amin’ny fahitana azy indray, sy hahamaivamaivana kokoa ny alaheloko. Raiso an-kafaliana ao amin’ny Tompo àry izy; ary hajao ny olona toy izany; tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
Reko avokoa ny vava ratsin’ny be sy ny maro, ny fangorohoroana mahazo ny manodidina, raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo, fa miray tetika hamono ny aiko.
Ary koa efa voalaza hoe: Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.
Ary izao no ambarako amin’ireo sisa, izaho anefa fa tsy ny Tompo: Raha misy havana iray finoana manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy; ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy; satria ny lahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vavy; ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny lehilahy koa; fa raha tsy izany dia haloto ny zanakareo, nefa masina izy izao. Raha ny tsy mpino no miala, dia aoka hiala izy, fa amin’izany tsy voafehy intsony ny havana iray finoana na ny lehilahy na ny vehivavy satria ho amin’ny fiadanana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa.
Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe: Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Dia hoy Izy taminy: «Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy alalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany. Matoky azy, ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra Soa ny ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin’ny andro rehetra iainany.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana, tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.
Voafehy ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa afa-manambady izay tiany izy rehefa maty ny lahy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho.
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Aza diso hevitra ianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.
Fa raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony; fa ho tahaka ny Anjelin’Andriamanitra any an-danitra izy ireo.
Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony,
ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana:
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,
Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; I Iavehn’ny tafika no Anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.
«Izay rehetra misao-bady ka manambady hafa dia mijangajanga, ary izay manambady ny efa voasaotra dia mijangajanga koa.»
Fa vehivavy janga no mila tsy hananan’ny olona sombi-mofo; ary vehivavy manam-bady no tonga fandriky ny aina sarobidy.
Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
«Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy manam-bady dia hovonoina ho faty avokoa izy roa, na ralehilahy nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoan’i Israely.
Ary hitako fa izany fitolorana tena amin’ny hafa izany, no nisaorako an’i Israely mpiodina, sy nanomezako azy taratasy fisaorana: nefa tsy natahotra akory i Jodà, mpivadika, rahavaviny, fa lasa nitolo-tena tamin’ny hafa mbamin’izy koa aza.
Nivarina tamin’ny zanak’i Ejipta, nifanila fonenana taminao, dia tamin-dry zareo matanja-batana ianao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao, hampahatezitra Ahy.