Andriamanitra no namorona ny zavaboahary rehetra. Azy ny tany, ny lanitra, izao tontolo izao sy izay rehetra ao aminy. Izy no nanorina azy. Eksodosy 20:11 milaza fa nahary ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary izay rehetra ao aminy Andriamanitra tao anatin'ny enina andro, ary nitsahatra tamin'ny andro fahafito; koa izany no nitahian'ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy. Tena lavorary ny zava-drehetra nohariny ka mendrika hoderaina Izy noho ny fahagagana rehetra nataony.
Matahora an'Andriamanitra ary omeo voninahitra Izy, fa efa antomotra ny andro fitsaràny. Mankalazà Azy, Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy ny loharano. Aoka isika rehetra hanome voninahitra an'Andriamanitra. Rehefa mankafy ny hakanton'ny zavaboahary ianao, na ny torapasika, ny hazo, ny tendrombohitra, tsarovy fa nataon'ny Mpamorona anao ho tsara tarehy sy lavorary izany. Koa aza mitsahatra manome voninahitra Azy.
Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Raha efa izany dia hoy Andriamanitra: «Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.»
mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy,
Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Raha hitanao mihonaka ao ambanin’ny entany ny ampondran’izay mankahala anao, dia aza ilaozanao izy, fa miraisa hina aminy hanala ny entany.
Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-miraotra vilona, ny menarana hihinam-bovoka; ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby; ary ny tany no hiveloman’ny bibilava. Ary tsy hisy ratsy na fanimbana hatao, eo amin’ny tendrombohitro masina manontolo, hoy i Iaveh.
Mandehana mankany amin’ny vitsika, ry ilay kamo; diniho ny lalany ka mbà hendry. Tsy mana-mpifehy izy, na mpitandrina ny ataony, na mpanjaka, nefa fahavaratra izy mamory hanina, manangona ny fivelomany izy amin’ny fijinjana.
Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny na dia iray aza.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.
Amin’izany andro izany - teny marin’i Iaveh, - ianao hiantso Ahy hoe: Vadiko: fa tsy hiantso Ahy intsony hoe: Baala-ko.
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany, ary biby be dia be!»
«Raha mahita akanim-borona ianao, eny an-dalana na eny ambony hazo, na etỳ amin’ny tany, na efa zanany na mbola atodiny, ka kotrehin-dreniny ao, na ny zanany na ny atodiny, dia aza alaina mban-dreniny ny zanany; tsy maintsy alefanao handeha ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba ho sambatra sy ho lava andro ianao.
«Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.
Dia nalain’i Iaveh Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.
Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy, hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.
ary ho an’ny biby fiompinao koa sy ny biby dia, eo amin’ny taninao, dia hatao fivelomana ny vokany rehetra.»
Iza no manoman-kanina ho an’ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany, ka mirenireny atsỳ sy arỳ tsy mahita hanina ireny?
Fa amin’ny taona fahafito, avelao izy fa aza kasihina, ary hohanin’ny mahantra eo amin’ny firenenao ary hohanin’ny biby any an-tsaha ny sisa tsy lany. Torak’izany koa no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy ny ôlivanao.
Aza mihinam-biby maty ho azy, fa omeo ny vahiny ao anaty vavahadinao izany hohaniny, na amidio amin’ny vahiny. Fa ianao dia vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
Fa ahy avokoa ny biby any an’ala, mbamin’ny biby eny an-tendrombohitra, an’arivony. Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra, ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy Nampanjakainao amin’ny asan-tananao izy, napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra: omby aman’ondry tsy an-kanavaka, mbamin’ny biby any an-tsaha;
Aza atao indray mamono amin’ny indray andro ny biby sy ny zanany, na omby izany, na ondry.
Izay Izy vao nilaza tamin’ireo hoe: «Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana na dia sabata aza ny andro?»
Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ostritsa, satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina, hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko,
Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy.
Fa izao no voasoratra amin’i Lalàn’i Môizy: Aza mamatotra ny vavan’ny omby mively vary. Ny omby ve no ahoan’Andriamanitra,
Tsy ny amin’ny soronao no aniniako anao, fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana. Tsy haka izay ombalahy ao an-tranonao Aho, na izay osilahy ao am-balanao.
Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.
Ao ny bibilava no hanao ny akaniny sy hanatody sy hikotrika azy hanangona ny zanany eo ambanin’ny alokalony. Hiangona ao avokoa ny papango.
Dia izao no navaliny azy: «Iza moa aminareo no manana ondry iray latsaka an-kady amin’ny sabata, ka tsy handray azy sy hanatsoaka azy ao? Ary moa tsy ambony lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’izany, azo atao ny manao soa amin’ny sabata.»
Mahalala ny fotoana fiterahan’ny osy dia va ianao? Nodinihinao va ny serfa vavy raha miteraka izy?
hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany.
Fa saronany rahona ny lanitra, ary ny tany amonònany ranonorana; mampaniry ahitra ny tendrombohitra Izy.
Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray, ny zanak’ireo, hiray trano fandriana; ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby.
dia indreo ny zanak’ondry hahazoanao fitafiana; ny osilahy hividiananao saha anankiray:
«Raha misy olona manokatra lava-drano, na olona vao mandavaka lava-drano ka tsy mandrakotra azy, ka misy omby na ampondra latsaka ao, dia hanonitra ny tompon-davaka, haloany volafotsy izay vidin’ny biby maty, ho azy».
Amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy; ary any an-tendrombohitra avon’i Israely no ho valany; any izy no handry amin’ny valan’ondry tsara, sy hihinana amin’ny tany be vilona, eny an-tendrombohitr’i Israely
Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy.
Ary i Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy.
Raha mba noana Aho, tsy hilaza aminao akory, fa Ahy avokoa izao tontolo izao sy izay ao aminy.
Sokafy ny vavanao hanasoavana ny moana, sy hanohana ny resy tondro maso rehetra manana ady.
Diniho ange ny goaika e: tsy mamafy izy na mijinja, ary tsy manan-trano fitahirizan-kanina, na toeram-bary, fa Andriamanitra no mamelona azy, ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy, ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»
Hatsipiko any an’efitra ianao, mbamin’ny hazandrano rehetra ao amin’ny oninao; dia hiankarapoka eny an-tampon-tanety, ary tsy hisy hanarina na hanangona, fa efa nomeko hohanin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina.
Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh, toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.
Tahaka ny tendrombohitr’Andriamanitra ny hatsaram-ponao, toy ny hantsana lehibe indrindra ny fitsarànao. Ry Iaveh, samy tandremanao ny olona sy ny biby.
izay nanao antsika manan-tsaina noho ny biby eto an-tany, sy hendry noho ny voromanidina?›
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Trotraka ny fanahiko misento, manina ny kianjan’i Iaveh; mientana ho amin’Andriamanitra velona, ny foko sy ny nofoko.
Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Nôe sy ny biby ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao an-tsambo fiara; ary Andriamanitra nandefa rivotra tamin’ny tany ary nihena ny rano;
Dia hoy ilay Anjelin’i Iaveh taminy: «Ahoana no nikapohanao ny ampondranao intelo izao? Indro nivoaka hisakana anao aho, satria araka ny hitako, lalana mamarina anao amin’ny loza no ombanao. Nahita ahy ny ampondra, ka nitanila teo anatrehako intelo izao; raha tsy nitanila teo anatrehako izy, dia ianao no nataoko maty, fa izy navelako ho velona aina.»
Ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, dia hampidirinao roa avy isan-karazany ho ao an-tsambo fiara, mba ho voatahiry velona aina izy sy ianao: ho lahy iray sy vavy iray avy ireo. dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany. Vorona isan-karazany, biby fiompy isan-karazany, biby mikisaka amin’ny tany isan-karazany no ho avy eo aminao, roa isan-karazany avy, mba hotahirizinao velona aina.
«Raha hitanao lavo eny an-dalana ny ampondra na ombin’ny rahalahinao, dia aza ihodiviranao, fa tsy maintsy manampy azy mihitsy ianao hanarina ny lavo.
Ataovy toy izany koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao; hafitoana no hiarahany amin-dreniny dia haterinao ho ahy izy amin’ny andro fahavalo.»
Fa saronany rahona ny lanitra, ary ny tany amonònany ranonorana; mampaniry ahitra ny tendrombohitra Izy. Manome hanina ny biby fiompy sy ny zana-goaika mitaraina aminy Izy.
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Izao no ho biby fihinanareo amin’ny biby rehetra eto ambonin’ny tany: «Ny biby madinika rehetra manana elatra, mandia tongotra efatra, ho zava-betaveta aminareo. Amin’ny biby madinika manana elatra mandia tongotra efatra anefa, hano ihany izay manam-pingotra ambony faladia, hitsipihany eo amin’ny tany. Ireto no ho fihinanareo amin’ireny: ny valala isan-karazany, ny solama isan-karazany, ny hargôla isan-karazany. Fa ny biby hafa manana elatra mandia tongotra efatra, dia ho zava-betaveta aminareo avokoa.» «Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy no hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan’ny andro; ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro. Ny biby rehetra mivaky kitro, nefa tsy misampan-tongotra sy tsy mandinika, dia haloto aminareo, ka haloto izay rehetra mikasika azy. Amin’ny biby mandia tongotra efatra, izay mandeha amin’ny faladiany dia haloto aminareo, ka haloto mandra-pahariva ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny; ary izay rehetra nitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho zava-maloto aminareo ireo biby ireo.» «Amin’ny biby madinika mandady amin’ny tany, ireto no ho maloto aminareo: ny kionkiona, ny totozy, ny androngo isan-karazany; Ny biby rehetra mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika no hohaninareo;
«Raha mahita omby na ondry mania an’ny rahalahinao ianao, dia aza ihodiviranao, fa avereno any amin’ny rahalahinao izany.
Eto an-tany dia misy efatra kely dia kely, nefa hendry dia hendry izy ireo: Ny vitsika izay firenena tsy manan-kery, dia mamonona ny hanina amin’ny fahavaratra;
Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao, ary goaika no efa nodidiako hamelona anao any.»
Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao; Ka tafasondrotra dimy ambin’ny folo hakiho nihoatra ny tendrombohitra voasarony izy. Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra. Maty daholo rehefa mety ho zavatra mitoetra amin’ny tany maina, rehefa mety ho zava-manam-pofon’aina teo am-bavorony. Ringana avokoa rehefa mety ho zavatra tambonin’ny tany, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa i Nôe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa. Dimampolo amby zato andro no nahatondraka ny rano tambonin’ny tany. ny voromanidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany tsy ho faty eto ambonin’ny tany, lahy sy vavy.
dia hatokanao ho an’i Iaveh ny lahy matoa rehetra, ary koa ny lahy voalohan-teraky ny biby izay hanananao, fa an’i Iaveh ny lahy.
Fa ny andro fahafito, dia sabata ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ka aza manao zavatra na inona na inona ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny ankizy lahinao na ny ankizy vavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahiny tafiditra ny vavahadinao, mba hitsahatra toa anao koa ny ankizy lahinao sy ny ankizy vavinao.
ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny.
Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe: «Inona ny olombelona no mba tsarovanao? ary ny zanak’olombelona no mba karakarainao? Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy Nampanjakainao amin’ny asan-tananao izy, napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra: omby aman’ondry tsy an-kanavaka, mbamin’ny biby any an-tsaha;
Ho fihinana ho anareo avokoa rehefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso. Kanefa ny nofo, aza haninareo miaraka amin’ny ainy, izany hoe ny rany.
Ianao va no manome hery ny soavaly, sy mandravaka vombo mihofahofa amin’ny vozony, Mba efa nanisa ny volana maha-bevohoka ireny va ianao, ka mahafantatra ny fotoana fiterahany? ary mampitsipika azy hoatry ny valala? Mamelona fampatahorana ny fanenony miandranandrana. Mihehy tany amin’ny tongony izy sady miedinedina noho ny heriny, miantoraka hanetra ny ady izy. Ihomehezany fotsiny ny fampitahorana, fa tsy misy mampimàlo azy akory, ka tsy mianòtra izy eo anoloan’ny sabatra. Mifioka eny ambony eny ny zana-tsipìka, ny lefona manelatselatra sy ny longy. Mihivingivina izy, mihoalahoala izy, mirimorimo mafy erỳ izy, tsy mahajanona intsony nony vao velona ny bingona. Vao mandre ny feon’ny bingona izy dia milaza hoe: ‹ndao!› mbola lavitra izy, dia efa manimbolo ny ady, ny feo mikotrokotroky ny lehibe, ny akora lavan’ny mpiady.
Tandremo ny didiko. Aza mampivady biby samy hafa karazana; aza mamafy voan-javatra roa karazana amin’ny tanimbolinao, ary aza mitafy fitafiana voatenona tamin’ny kofehy roa karazany.
Misy biby telo tsara famindra, ary efatra no tsara fandeha; Fa tsy mba nianatra ny fahendrena aho, ary tsy fantatro ny fahalalana an’ilay Masina. ny liona, biby mahery fo indrindra, tsy mihemotra, na amin’inona na amin’inona hiadiany; ny biby kinga valahana, mbamin’ny osilahy, ary ny mpanjaka, tsy azon’olona tohaina.
Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelona miakatra any ambony, ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany?
Hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.
satria ny rany no ain’ny nofo rehetra: izy no ainy. Izany no nilazako tamin’ny zanak’i Israely hoe: Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona na nofon’inona, fa ny ain’ny nofo rehetra, dia ny rany; ka hofongorana izay mihinana izany.
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,
Kanefa, masìna ianao, mba fotory ny biby, fa hampianatra anao izy; hatramin’ny voromanidina, fa hanoro anao izany izy.
mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao Aho, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
Mikopakopaka an-kafaliana ny elatry ny ostritsa, fa tsy mba manana elatra be antra na ny volon’ny vanobe izy. Fa ilaozany eo amin’ny tany ny atodiny, dia avelany hohafanain’ny fasika. Hadinony fa mety ho voahitsaky ny tongotra, na ho montsan’ny biby any an-tsaha. Mafy fo ho an’ny zanany, hoatra ny tsy azy akory izy, tsy mampaninona azy na dia foana aza ny asany. Fa nolavin’Andriamanitra tsy ho azy ny fahendrena, ary tsy mba nomeny azy ny fahalalana. Rehefa mikopaka elatra sy miezaka kosa anefa izy, ihomehezany foana ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo.
tahaka ny biby fiompy midina ho eny an-dohasaha? Notarihin’ny fanahin’i Iaveh ho amin’ny fitsaharana izy. Toy izany no nitarihanao ny vahoakanao, mba hahazoanao anarana be voninahitra.