Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 3:21 - Baiboly Katolika

21 Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelona miakatra any ambony, ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 Tsy misy afaka manamarina fa ny fofonain’ny olona dia miakatra any ambony ary ny an’ny biby kosa dia midina any ambany, ao anaty tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Tsy misy afaka manamarina fa ny fofonain’ny olona dia miakatra any ambony ary ny an’ny biby kosa dia midina any ambany, ao anaty tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Iza no mahalala ny fanahin’ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ny biby, na midina amin’ny tany izy, na tsia?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 3:21
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny olona kosa maty, dia miampatra eo, rehefa miala aina izy, dia aiza moa?


dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.


rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.


mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.»


Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.


dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana, mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.


Halahatr’i Iaveh ho lohany ianao, fa tsy ho rambony. Ho ambony mandrakariva ianao, fa tsy ho ambany na oviana na oviana, raha tahiny ianao mitandrina ny didin’i Iaveh Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy,


fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra