Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitoriteny 3:22 - Baiboly Katolika

22 Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany satria izany no anjarany; fa iza no hitondra azy hiverina mba hahita izay ho avy any aorianany?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Tsapako fa tsy misy tsara ho an’ny olombelona afa-tsy ny mifaly amin’ny vokatry ny asany. Tokony hionona amin’izany anjarany izany izy, satria tsy misy hampahita azy izay hitranga any aoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Tsapako fa tsy misy tsara ho an’ny olombelona afa-tsy ny mifaly amin’ny vokatry ny asany. Tokony hionona amin’izany anjarany izany izy, satria tsy misy hampahita azy izay hitranga any aoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 3:22
24 Rohy Ifampitohizana  

Omem-boninahitra ny zanany, tsy fantany izany; voaetry ireny, tsy hitany akory.


Mampitombo ny teny ho maro, ny adala!... Tsy fantatry ny olona izay ho avy; ary iza no hilaza aminy izay ho avy any aoriany?


Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora ianao; aoka hahazo firavoravoana amin’ny fonao ianao amin’ny andron’ny fahatanoranao! Mandehana any amin’izay lalan’ny fonao, sy araka izay fijerin’ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan’Andriamanitra anao hotsaraina.


Ary halako ny asako rehetra izay nataoko atỳ ambany masoandro, sy izay havelako ho an’ilay olona ho tonga manaraka ahy.


Tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra noho ny mihinana sy misotro, ary ny mampanarana ny fanahiny amin’ny fiadanana, eo amin’ny fanaovana ny asany. Izany indray koa efa hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.


Satria, iza tokoa moa no mahalala, izay soa ho an’ny olona amin’ity fiainana ity; dia amin’izao andro foana iainany izao, izay andalovany toy ny fihelin’ny aloka? Ary zovy no mahalaza amin’ny olona, izay zavatra ho avy any aoriana, atỳ ambany masoandro?


Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana, ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana: fa samy nataon’Andriamanitra ireo, mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.


Koa midera ny fifaliana aho, satria tsy misy hasambarana ho an’ny olona atỳ ambany masoandro, afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly; ary izany no tokony homba azy amin’ny asany, mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany, atỳ ambany masoandro.


Tsy mahalala izay ho avy izy; ary iza no hilaza aminy, na hanao ahoana na hanao ahoana no hiavian’izany?


Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona; toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana, sy toy ny vorona voan’ny fandrika, tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana, raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.


Levona sahady ny fitiavany, sy ny fankahalany amam-pialonany; ary tsy hanana anjara akory na oviana na oviana izy amin’izay atao atỳ ambany masoandro intsony.


Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.


fa eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fitoerana voafidin’i Iaveh Andriamanitrao no hihinananao azy, dia ianao sy ny zanakao lahy mbamin’ny zanakao vavy, ary ny ankizy lahy aman’ankizy vavinao, mbamin’ny Levita ao anatin’ny vavahadinao, dia hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao amin’ny fizakana ny harena rehetra harin-tananao.


Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.


Noho ianao tsy nanompo an’i Iaveh Andriamanitrao an-kafaliana sy an-jotom-po ho valin’ny fananam-be amin’ny zavatra rehetra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra