Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 57:17 - Baiboly Katolika

17 Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita Aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ny helony noho ny fitiavany harena no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho satria tezitra, nefa nikomy izy ka mbola nandroso tamin’ny lalana tian’ny fony ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Ny fahadisoan’ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety. Noho Izaho tezitra no nikapohako azy sady tsy netezako hijery azy. Nefa nikomy hatrany izy ka nanaraka ny ditran’ny fony,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ny fahadisoan’ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety. Noho Izaho tezitra no nikapohako azy sady tsy netezako hijery azy. Nefa nikomy hatrany izy ka nanaraka ny ditran’ny fony,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; Fa niery Aho, satria tezitra, Nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ny làlana tian’ny fony ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ny helony noho ny fitiavany harena no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho satria tezitra, nefa nikomy izy ka mbola nandroso tamin’ny lalana tian’ny fony ihany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 57:17
29 Rohy Ifampitohizana  

Aleo ny hita maso, toy izay ny firedireden’ny faniriana. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra ihany koa izany.


Adray! ry ilay firenena mpanota, vahoaka mavesa-keloka, tarana-dratsy, zana-meloka! Nandao an’i Iaveh izy ireo, naniratsira an’Ilay Masin’i Israely, nihataka nihemotra.


Feno volafotsy sy volamena ny taniny, ary ny rakitra ao aminy tsy misy fetra;


Iza no nanolotra an’i Jakôba horobaina, sy i Israely hobaboina? Moa tsy i Iaveh va, izay nanotantsika? Tsy nety nanaraka ny lalany izy ireo; ary ny lalàny tsy nohenoiny?


Marina tokoa fa Andriamanitra miafina Ianao, ry Andriamanitr’i Israely mpamonjy ô!


Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin’ny lalany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.


Ireo tanàna masina, tonga efitra; i Siôna zary efitra, i Jerosalema, tany maty.


Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,


Manantena an’i Iaveh izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakôba aho, ary matoky azy.


Ka hofongoran’i Iaveh amin’i Israely ny loha sy ny rambo, ny fototr’antrendry aman-jozoro amin’ny indray andro monja.


Ny nikapohako ny zanakareo, foana; fa tsy nahazo anatra tamin’izany akory izy ireo; ny zavatrareo nandevona ny mpaminaninareo, hoatra ny liona mpandripaka.


Fa ny masonao amam-ponao tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao, mbamin’ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny, hanatanterahana izany.


Miverena, ry zaza mpiodina, - teny marin’i Iaveh, - fa Izaho no Tomponareo; ary halaiko ianareo, ny iray ao amin’ny tanàna iray, ary ny roa amin’ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siôna.


Miverena, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. - Indreto izahay manatona Anao, fa Ianao no Iaveh Andriamanitray.


Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.


Ry ilay monina amoron’ny rano be, sady be rakitra ô, tonga ny fiafaranao; tapitra ny fotoana firembenao.


Satria hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe samy manao filàna tsy marina avokoa; hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona samy mamitaka avokoa.


Noho izany, dia homeko ny hafa ny vadiny, ary ny sahany homeko ny tompo hafa; satria hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, samy manao filàna tsy marina avokoa; ary hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona, samy mpamitaka avokoa.


«Nitandrina tsara Aho ary nihaino: Tsy miteny araka ny mety izy ireo; tsy misy manenina amin’ny haratsiany, na manao hoe: Inona re ity nataoko e? Fa dia samy rafitra mihazakazaka indray avokoa, hoatra ny soavaly miezaka ho amin’ny ady!


Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony.


Ary hoy Izy tamin’ny olona: «Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.»


Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;


Fa izay te hanan-karena, dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.


Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo.


Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra