Andriamanitsika dia mahatoky, ka tokony hino izay nolazainy isika. Ao amin’Andriamanitra no misy ny fiainana mandrakizay, noho ny Zanany Jesosy Kristy izay maty teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy tian’i Jesosy ho very ianao, ka nomeny anao ny fiainana mandrakizay ao Aminy. Mila mino amin’ny fonao rehetra sy ny sainao rehetra fotsiny ianao fa Izy no Tomponao dia ho voavonjy ianao. (Efesiana 2:8-9) Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, mba tsy hisy hirehareha.
Tian’Andriamanitra fatratra ianao ka nomeny ny Zanany Lahitokana mba ho faty ho anao. Alaivo sary an-tsaina ange hoe handefa ny zanakao ho faty ho an’ny olombelona tsy mendrika feno ota e! Dia izany no nataon’Andriamanitra noho ny fitiavana, mba tsy ho very ianao fa hanana fiainana mandrakizay ao Aminy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ho anao ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Zanany malala (Romana 6:23), raha fahafatesana kosa no tambin’ny ota. Ny fanomezan’Andriamanitra dia famonjena amin’ny fahasoavana maimaimpoana.
Amin’ny maha-Kristiana anao dia tsy mila miandry ny fahafatesana vao hanana izany fiainana mandrakizay izany ianao, satria manomboka izany rehefa mino an’i Kristy Jesosy ianao: Jaona 3:36 (NTV): Izay mino ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Manasa anao aho hisaotra an’i Jesosy Kristy Tompontsika malala noho ny sorona nataony tamim-pitiavana. Saroboy isan’andro ny fanomezan’ny famonjena ary tehirizo mba tsy ho very.
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.
Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana Izy.
noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,
Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?»
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.» Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?» Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany. rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany? Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.
fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.
Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rehefa afaka izany no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana
Roahina toy ny biby fiompy izy ho any amin’ny Seoly, ny fahafatesana no miandry azy, manapaka azy ireo nony maraina ny olo-mahitsy, ary ny ambiroany dia hihalevona any amin’ny Seoly, tsy hisy fonenana hafa.
fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.
Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa.
fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin’ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon’i Iaveh aho, mandritra ny andro lava.
Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh, Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no hanananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy;
Izahay kosa dia amin’ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana;
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny i Iaveh.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.
Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo.
Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon’i Iaveh, any amin’ny tanin’ny velona!...
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalòvana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
Satria izao no sitrapon’ny Raiko Izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.»
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rehefa nanao ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.
noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo,
Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao.
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,
Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny «eny», ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana «Amen», mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako, efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao; ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Ary rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona. Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin’ny fahotana. Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Eny, mandalo toy ny aloka ny olona; eny, tsy misy asany ny fikofokofohany; manangona izy, nefa tsy mahalala izay handray izany.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina. Dia nentiny am-panahy tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra. Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy, ary voazavan’ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny; nisy Anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely. Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana. Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny mandan’ny tanàna; ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo, dia ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry. Nitondra volotara volamena fandrefesana ilay niteny tamiko, mba handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany. Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony. Norefesiny koa ny mandany ka efatra amby efapolo amby zato hakiho araka ny refin’ny olona sy ny an’ny Anjely koa. Vato jaspa no nanaovana ny mandan’ny tanàna; ary tena volamena madio toy ny fitaratra kristaly ny tanàna. Voaravaka vatosoa isan-karazany ny vato fanorenana ny mandan’ny tanàna. Jaspa ny fanorenana voalohany, safira ny faharoa, kalsedoàna ny fahatelo, emeraoda ny fahefatra, Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny. sardôniksa ny fahadimy, sardoana ny fahenina, krisôlita ny fahafito, berila ny fahavalo, tôpazy ny fahasivy, krisôpazy ny fahafolo, hiasenty ny faharaika ambin’ny folo, ary ametista ny faharoa ambin’ny folo. Ny vavahady roa ambin’ny folo dia voahangy roa ambin’ny folo, fa voahangy iray ihany ny vavahady iray, ary ny lalam-ben’ny tanàna dia tena volamena madio, manganohano hoatra ny fitaratra. Tsy nahita Tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak’ondry no Tempoliny. Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony. Ny firenena rehetra handeha amin’ny fahazavany, ary ny mpanjakan’ny tany hitondra ny fiamboniany ao aminy. Tsy hihidy ny vavahadiny isan’andro, fa ny alina tsy mba hisy ao aminy. Ny laza aman-java-tsoan’ny firenena rehetra ho tapitra ao avokoa; ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany. Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo. Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»