Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Titosy 1:2 - Baiboly Katolika

2 noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 dia fivavahana miorina amin’ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 dia fivavahana miorina amin’ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;

Jereo ny toko dika mitovy




Titosy 1:2
46 Rohy Ifampitohizana  

fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levonin’ny sabatra; fa efa niteny ny vavan’i Iaveh.


Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga, Na zanak’olombelona ka hanenina. Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka, Na miteny ihany fa tsy manefa?


Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.


Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.


Nony nivoaka handeha Izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»


ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.


omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.


fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.


Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.


Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no hanananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy;


Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.


Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: «Ianareo koa va mba te hiala?»


izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatrizay hatrizay izany.


izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina,


Ary ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an’i Jesoa Kristy sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,


fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;


izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.


mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.


ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;


Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.


dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.


dia ny Jody izay namono nahafaty an’i Jesoa Tompo sy ny mpaminany; nanenjika anay, tsy ankasitrahin’Andriamanitra, manohitra ny olona rehetra;


Koa aoka isika an’ny andro kosa hifady ary hitafy ny finoana amam-pitiavana ho fiarovan-tratra, sy ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.


Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.


dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.


Izaho Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin’i Kristy Jesoa,


izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra,


Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy, mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra mandrakizay.


raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny Tenany.


Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.


miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,


ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona,


mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.


Ary ny zavatra nampanantenainy antsika dia ny fiainana mandrakizay.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.


hitahiry tena amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, ary hiankina amin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahazo ny fiainana mandrakizay.


Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Ilay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.


Ny Biby, ilay efa hitanao, dia teo ihany, ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hankany amin’ny fahaverezana. Ho gaga ny mponina etỳ an-tany, izay tsy mba voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao amin’ny fahitana ity Biby, noho izy teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola ho avy indray.


Tsy mba mandainga ilay famirapiratan’i Israely ary tsy mba manenina Izy satria tsy olombelona Izy ka hoe hanenina».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra