Na dia eto amin'ity tontolo feno herisetra ity aza isika miaina, ary mety ho feno fifandirana sy korontana ny fiainanao andavanandro, dia nampanantena Andriamanitra fa hanome anao fihavanana mihoatra noho ny fahalalana rehetra Izy. Tokony hikatsaka izany fihavanana izany isan'andro isika, zanany, ary hampiseho ny fitiavany.
Niantso antsika hanana fihavanana eo anivon'ny fahasahiranana lalovantsika ny Tompo. Ny fitokisana Aminy no hanampy antsika hitana izany fihavanana izany. Hoy ny teniny ao amin'ny Isaia 26:3: "Hiaro fiadanana tanteraka Hianao; fa matoky Anao izy." (Isaia 26:3). Mandidy antsika hatoky Azy Andriamanitra.
Mety ho sarotra izany indrindra amin'ny fotoan-tsarotra sy fahorian-tsaina, nefa raha matoky ny Rainao any an-danitra ianao dia homeny fihavanana. Efa nandresy izao tontolo izao Andriamanitra, koa aza matahotra fa eo am-pelatanany ny zavatra rehetra ary mikarakara anao Izy.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hanome hery ny vahoakany i Iaveh: hanambina ny vahoakany, amin’ny fanomezam-piadanana azy i Iaveh.
Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho ao aminareo rehetra anie ny Tompo.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.
satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Fa Izy no fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana;
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Fa Ianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo, amin’ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divay vaovao.
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida. Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina. Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana. Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao. Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira. Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo. Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany! I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao. I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany. Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorîna, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro;
Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany. Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Hanarona anao amin’ny elany Izy, ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao, fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.
Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana; vao nampandre ny feony Izy dia nihotsaka matahotra ny tany.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.
Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany, na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,
Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Mitaraina aminao aho atỳ am-paran’ny tany, ao anatin’ny fahorian’ny foko; ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho.
Ny fo mionona, fiainana ho an’ny nofo; ny fialonana kosa homamiadana amin’ny taolany.
Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana, eo amin’ny trano fonenana mahatoky, eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.
Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
Salamon’i Davida. I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.
manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
I Jerosalema mirehitra tendrombohitra manodidina azy: i Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason’Andriamanitra.
Izay manisy fiderana eo am-bava dia milaza manao hoe: «Fiadanana, fiadanana, ho an’ny lavitra sy ny akaiky, hoy i Iaveh, ary hanasitrana azy Aho!...»
Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa.
Farany, ry kristianina havana, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.
Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin’ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon’i Iaveh aho, mandritra ny andro lava.
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.
satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. Koa misento ao anatin’ity izahay, fa maniry mafy hitafy ny tranonay avy any an-danitra, Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!
Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra, ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra. Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany. Fa raha manameloka antsika ny fontsika dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Ary tamin’izay, nanatona Azy i Piera nanao hoe: «Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?» Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito.»
Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny, ary hitoetra amin’ny tanintsika indray ny voninahitra.
Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava . Hiran’i Davida, fony izy nenjehin’i Saola, niery tao amin’ny zohy. Hidera Anao eo amin’ny vahoaka aho, ry Tompo, hankalaza Anao eo amin’ny firenena aho. Fa mahatakatra ny lanitra ny tsy fivadihanao, ary mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao. Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, ry Andriamanitra, hamirapiratra ambonin’ny tany rehetra anie ny voninahitrao! Mamindrà fo amiko Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa ao aminao no itadiavan’ny fanahiko fiarovana, amin’ny aloky ny elatrao no iafenako, mandra-pahalasan’ny loza.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
Mandra-pampidina ho ao amintsika, ny Fanahy avy any ambony, ka ny efitra ho tonga saha misy hazo mamoa, ary ny sahan-kazo mamoa hatao ala: Amin’izany, ny hitsiny hitoetra any an’efitra; ny rariny hiorim-ponenana ao amin’ny sahan-kazo mamoa.
Nampandeha olona hanosy ny lohanay namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa.
Andosiro ny filàn’ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin’izay miantso ny Anaran’ny Tompo amin’ny fo madio.
Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.
Izay tia ny fahadiovam-po sy mahafinaritra ny tenin’ny molony, dia ho sakaizan’ny mpanjaka.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika, no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy; fa hafaliana kosa no ho an’izay manoro fihavanana.
Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin’izay ananako aho, ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy.
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Na dia izay olona sakaizako aza, izay nitokiako sy nihinana ny haniko, dia nanangana ny ombalahin-tongony hamely ahy.» Fa Ianao ry Iaveh, mamindrà fo amiko, areno aho, dia hamaly azy ireo araka ny tandrify azy. Ny hahafantarako fa tia ahy Ianao, dia raha tsy resin’ny fahavaloko aho. Noho ny tsy fananako tsiny dia nanohana ahy Ianao, ary nampitoetra ahy mandrakizay eo anatrehanao. Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, amin’ny taona mandrakizay rehetra! Amen! Amen! Sambatra ny miahy ny mahantra, fa hovonjen’i Iaveh amin’ny andro fahoriana izy.
Enga anie ka hihaino ny teniko ianao, dia ho tahaka ny ony ny fiadananao; ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana. Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio. Sarobidy noho ny voahangy izy, ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra. Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana, harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia. Lala-mahafinaritra ny lalany, fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra. Hazon’aina izy ho an’izay mambabo azy, ary sambatra izay mifikitra aminy.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Tsy dia hoe efa nahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary; fa miezaka aho mba hahatratra izay nahatratraran’i Kristy Jesoa ahy. Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako; mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!
Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.