Ry namako, indraindray isika mahita olona mitory ny Tenin'Andriamanitra nefa tsy mampihatra azy eo amin'ny fiainany andavanandro. Mety ho hitantsika mihitsy aza ny voka-dratsin'izany. Tsy tokony ho isika anefa no hitsara azy, fa aoka kosa isika samy handinika tena. Ao amin'ny 1 Jaona 2:9 mantsy dia hoe: "Izay milaza fa ao amin'ny mazava izy, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny maizina ihany." Tsarovy fa ny fifandraisanao amin'Andriamanitra dia miankina amin'ny fanarahanao ny fampianaran'i Jesosy sy ny fanahafanao Azy. Marina fa mety ho sarotra izany indrindra amin'izao vanim-potoana izao izay matetika ahitana ny ratsy atao hoe tsara, ary ny tsara atao hoe ratsy.
Koa aoka àry ny ataontsika no ho taratry ny fon'Andriamanitra. Aoka ny fontsika ho feno fitiavana sy fahamarinana marina. Matetika isika variana mijery ny fahadisoan'ny hafa, nefa tsy mahita ny antsika. Mila miezaka manova izany toe-tsaina izany isika. Andeha isika hangataka amin'Andriamanitra mba hanome antsika fo madio sy mangarahara isan'andro.
Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.
koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy, fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
Tsy misaina afa-tsy ny ratsy ny lelanao, mova tsy ny antsy maranitra, ry mpihatsaravelatsihy!
Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’i Izaia anareo hoe: Ity vahoaka ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony lavitra Ahy;
Tompo ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho, noho ireo fahavaloko, ataovy marina amin’ny diako ny lalanao.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny namany, dia mpandainga izy; satria, raha ny namany hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany?
Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen. Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo. Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao. Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
Ary raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagoga sy eny an-joron-dalana, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.
Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony.
Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Avelao hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.
Satria ny adala miteniteny foana, ary ny ratsy no imasoan’ny fony, mba hanaovany zavatra mifanohitra amin’ny fivavahana; sy hanononany teny diso manohitra an’i Iaveh, mba hamelany ny fanahin’ny noana hilendalenda fotsiny eo, sy hanesorany ny fisotro eny amin’izay mangetaheta.
Izay manakorontana ny tranony, handova rivotra, ary izay adala, ho tonga mpanompon’ny olon-kendry.
Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’i Izaia anareo hoe: Ity vahoaka ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony lavitra Ahy; koa foana ny ivavahan’izy ireo amiko, satria didin’olombelona no ataony fampianarana.
Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: «Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Tamin’izay dia niteny tamin’ny vahoaka sy tamin’ny mpianany i Jesoa Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.» Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo. Mila loza ianareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny fivavahanareo lavareny no entinareo mihinana ny fananan’ny mpitondratena; izany no vao mainka hahamafimafy kokoa ny fanamelohana anareo. Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo. Mila loza ianareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny Tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny Tempoly, dia voafehy izy. Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny Tempoly izay mahamasina ny volamena? Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra? nanao hoe: «Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; Koa amin’izany, izay mianiana amin’ny ôtely, dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny; izay rehetra mianiana amin’ny Tempoly, dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny; ary izay mianiana amin’ny lanitra, dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny. Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahononana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony. Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. Toy izany koa ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahononana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony. Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. Toy izany koa ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana.
Ary hoy ny navaliny azy ireo: Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa manalavitra Ahy ny fony;
Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako.»
«Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao? Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‹Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao›, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.»
ka hoy ny Tompo taminy: Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay. Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy nanao ny atiny koa? Izao ihany e: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra. Fa mila loza ianareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa. Mila loza ianareo, ry Farisianina, fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagoga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo. Mila loza ianareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.
Fa hoy i Jesoa: «Mila loza ianareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra ny tsy zaka ny olona ianareo, nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory.
Tamin’izay dia tafangona an’arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: Tandremo aloha indrindra sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy. Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. Raha entina ho any amin’ny sinagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo, fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no eo ihany izay holazainareo. Tamin’izay dia nisy anankiray tao amin’ny vahoaka nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.» Fa hoy i Jesoa taminy: «Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?» Ary hoy Izy tamin’ny olona: «Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.» Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe: Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity? Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavako ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rehefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo dia mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra kosa.»
Toy izany koa ianao, ry olona, na zovy na zovy ianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra ianao; fa amin’ny fitsarànao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa ianao, satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara. fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa ho an’izay manao ny tsara, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa, satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona. Izay rehetra nanota tsy nanan-dalàna, dia ho very tsy aman-dalàna; ary izay rehetra nanota nanan-dalàna kosa dia hotsaraina ara-dalàna; satria tsy ny mandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mankatò ny lalàna no hohamarinina. Raha ny Jentily tsy manan-dalàna no manao ho azy izay voadidin’ny Lalàna, na dia tsy manan-dalàna aza izy, dia izy ihany no lalàna ho an’ny tenany. Asehon’izy ireo amin’ny hitsim-pony mitsangan-ko vavolombelona, sy ny fisainany mifanome na mifanala tsiny koa, fa voasoratra ao am-pony ny asan’ny Lalàna, mandra-pahatongan’ny andro hampitsaràn’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny asa takona ataon’ny olona, araka ny Evanjely ampianariko. Ary inty ny aminao, izay mitondra anarana hoe Jody: ianao dia mitoky amin’ny Lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao, mahalala ny sitrapony, sy mahafantatra izay tsaratsara kokoa, fa nampianarin’ny Lalàna, mihambo ho mpitarika ny jamba, ho mpanazava ny ao amin’ny maizina, Fantatsika anefa fa marina ny fitsaràn’Andriamanitra an’izay manao toy izany; ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tananao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana; nefa, mampianatra ny sasany ianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany; mandrara tsy hijangajanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina; mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an’Andriamanitra amin’ny fandikana ny Lalàna, satria noho ianareo ihany no itenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentily, araka ny lazain’ny Soratra Masina. Marina fa mahasoa ihany ny famorana, raha mitandrina ny Lalàna ianao; fa manjary tsy fiforàna kosa ny fiforàna raha mandika ny Lalàna ianao. Koa raha ny tsy voafora no mankatò ny didin’ny Lalàna, moa tsy hoisaina ho fiforàna va ny tsy fiforàny? Eny, fa raha ny olona tsy nifora hatrizay niainany no mahatanteraka ny Lalàna, dia hanameloka anao izy, fa manana ny Soratra Masina sy ny famorana ianao, nefa mandika ny Lalàna. Satria tsy izay miseho eto ivelany ho Jody no tena izy, ary tsy izay miseho eto ivelany amin’ny nofo no tena famorana; fa ny Jody ao anatiny sy ny famorana ny fo no tena izy: dia ny araka ny fanahy, fa tsy araka ny soratra; ary ny toy izany no mahazo dera, tsy amin’olombelona, fa amin’Andriamanitra. ka moa ataonao va, ry olona, fa ianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa, dia ho afa-mandositra ny fitsaràn’Andriamanitra?
Ary inty ny aminao, izay mitondra anarana hoe Jody: ianao dia mitoky amin’ny Lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao, mahalala ny sitrapony, sy mahafantatra izay tsaratsara kokoa, fa nampianarin’ny Lalàna, mihambo ho mpitarika ny jamba, ho mpanazava ny ao amin’ny maizina, Fantatsika anefa fa marina ny fitsaràn’Andriamanitra an’izay manao toy izany; ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tananao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana; nefa, mampianatra ny sasany ianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany; mandrara tsy hijangajanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina; mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an’Andriamanitra amin’ny fandikana ny Lalàna, satria noho ianareo ihany no itenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentily, araka ny lazain’ny Soratra Masina.
Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erỳ! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarìna manontolo? Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo, satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika. Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny Anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho. ka rehefa tonga ny feno dia foana ny tapany. Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony lehilahy aho dia nialako ny fanahin-jaza. Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho. Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo. Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho. Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.
Apôstôly sandoka anie izy ireny e, mpiasa mamitaka, mpaka endriky ny Apôstôlin’i Kristy! Ary aza gaga amin’izany ianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny Anjelin’ny mazava koa; ka tsy mahagaga na maka ny endriky ny mpandraharahan’ny fahamarinana aza ny mpandraharahany. Fa ny hiafarany no ho araka ny asany ihany.
Nony tonga tany Antiôkia anefa i Sefasy, dia notoheriko an-kitsirano izao, fa hita fa nanan-tsiny izy. Satria fony tsy mbola tonga ry zareo sasany avy any amin’i Jakôba, dia niara-nihinana tamin’ny Jentily ihany izy; kanjo nony tonga ry zareo ireo, dia niala izy, ka lasa nihatakataka, fa natahotra an-dry zareo voafora. Ary nisy aza Jody sasany, niara-nanao tsikombakomba taminy koa, ka voatarik’izany hatramin’ny tenan’i Barnabe.
Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra.
Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana. Aza miombona amin’ireny ianareo.
Marina fa noho ny fialonana sy fifandirana no itorian’ny sasany an’i Kristy, nefa ao koa ny manao an-katsaram-po tokoa, ka ny an’ireto dia fitiavana no anaovany, satria fantany fa voatendry hampandresy lahatra ny Evanjely aho; fa ny an’irerỳ kosa dia tsy fo mahitsy no itoriany an’i Kristy, fa an-kasomparana kendreny hanampy fahoriana ny fifatorako. Nefa mampaninona moa izany e? Rehefa i Kristy no torina, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy.
Satria tsy mba nanao teny fandokàna na oviana na oviana izahay, araka ny fantatrareo; na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona),
fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara; fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.
Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony; fa efa nivilian’ny sasany izany, ka nilaozany nankany amin’ny bedibedy foana;
Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony, fa izany indrindra no ikelezanay aina sy iadianay, dia noho izahay manantena an’Andriamanitra velona. Mpamonjy ny olombelona rehetra, indrindra fa ny mpino. Izany àry no zavatra handidianao sy hampianarinao. Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana. Mandra-piaviko, milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana. Aza atao an-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona. Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao. izay haelin’ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamariky ny vy mahamay ny fieritreretany;
Ny fahotan’ny sasany dia miharihary ka mialoha ny fitsarana; fa ny an’ny sasany kosa, dia manaraka ato aoriana; toy izany koa ny asa tsara: misy miharihary, misy tsy toy izany aloha, nefa tsy ho azo afenina lalandava.
Madio ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona maloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona, fa voaloto avokoa na ny sainy na ny fieritreretany. Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,
koa iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Tsy mety anefa ny toy izany, ry kristianina havako. Moa ny vavan’ny loharano iray va mamoaka rano mamy sy mangidy? Moa ny aviavy, ry kristianina havako, mety mamoa ôliva; na ny foto-boaloboka va, mamoa voan’aviavy? Toy izany koa, ny loharano masirasira tsy mahay mamoaka rano mamy.
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany, hanaraka ny fitiavana marina ny havana iray finoana, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
Fa izay te ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin’ny ratsy, aoka hiala amin’ny ratsy izy ka hanao soa, ary hitady fihavanana sy hanaraka azy.
Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy.
Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina.
Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina.
Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko aminareo, dia olona voasoratra hatry ny ela fa hanamelo-tena amin’izany, olona ratsy fanahy, mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fahalotoana, sady mandà an’i Jesoa Kristy, Andrian-tokana sy Tompontsika.
Olona mpimonjomonjo lava izy ireo, tsy mionona amin’ny anjarany na oviana na oviana, manaraka ny danin’ny kibony hatrany hatrany, miavonavom-piteny izaitsizy, ary mandoka ny sasany mba hahazoany vola.
Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olona fandainga aho; tsy miara-mandeha amin’ny olona manao an-kifonofono;
Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra: «Ahoana no mba anononanao ny lalàko, sy anaovanao am-bava ny fanekeko, izay ianao olona mankahala fifehezana, sy manifika ny teniko any ivohonao?
Kanjo namitaka Azy tamin’ny teniny izy ireo, ary nandainga taminy ny lelany; fa ny fony tsy mba niorina taminy; izy ireo tsy nitandrina ny fanekeny.
Tsy mba hanan-toerana ao an-tranoko, izay manao am-pitaka; tsy hijanona eo anoloan’ny masoko, izay milaza lainga,
Ny tsy mivavaka manomana ny fandringanana ny namany, amin’ny vavany; fa ny marina dia hovonjena amin’ny fahaizana.
Halan’i Iaveh ny olona ratsy fo, fa izay tsy manan-tsiny amin’ny lalany dia ankasitrahiny.
Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.
Maro ny olona midera ny hatsaram-pony avy; fa izay olona mahatoky kosa, dia iza no hahita azy?
Ny soron’ny ratsy fanahy, dia fahavetavetana, indrindra fa raha sain-dratsy no anaterany azy.
fa izy akory tsy tsara noho ny hevitra ao am-pony; Mihinàna, misotroa, hoy izy aminao, kanjo ny fony tsy momba anao akory.
Vilany tany mipetaka taim-bolafotsy, ny molotra maimay miaraka amin’ny fo ratsy. Mihatsaravelatsihy amin’ny vavany ny mpankahala, kanjo manafim-pitaka ao anatiny; koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy, fa fahavetavetana fito no ao am-pony. Azony afenina ihany amin’ny fihatsarambelatsihiny ny fankahalany, nefa mbola hiharihary eo amin’ny fivoriana ny faharatsiany.
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy. Raha tonga hiseho eo anatrehako ianareo, zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory? Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahina ny heloka sy nyfivoriana ampahibemaso. Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany Aho. Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo.
Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,
Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba, ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely; nateraky ny loharanon’i Jodà, mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh, ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely, nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.
Ka tsy hosaziko va izy amin’izany heloka izany? - teny marin’i Iaveh, - ary izay firenena toy izany va, tsy hovaliako?
Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony. Ianao izany dia mpihira mahafinaritra ho azy ireo, tsara feo sy mahay mitendry ny zava-maneno eo an-tanany; izy ireo kosa, mandre ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany akory.
Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.
Hàlako sy tsy ahoako akory izay fetinareo, tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo. Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy tsy jereko velively. Halaviro Ahy ny finaonaonan’ny hiranareo; aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo! Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana; ary toy ny ranondriaka tsy mety ritra ny fahamarinana!
Inona no hoentiko hanoloana an’i Iaveh sy hiankohoka eo anatrehan’ny Andriamanitry ny any ambony? Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho dia zanak’omby efa iray taona? Hankasitrahin’i Iaveh va ny ondry arivoarivo, ny renirano diloilo alinalina? Hanolotra ny lahy matoako va aho, noho ny heloko, dia ny naloaky ny kiboko, noho ny fahotan’ny fanahiko? Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
«Mitenena ianao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany mbamin’ny mpisorona, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‹Raha nifady hanina sy nanao fisaonana ianareo, tamin’ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin’ny fitopolo taona izay, moa ho Ahy va no nifadianareo hanina? Ary raha mihinana sy misotro ianareo moa tsy ny tenanareo va no mihinana sy misotro?
Ny zanaka manaja ny rainy, ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha Ray Aho, aiza izay hajako? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy i Iavehn’ny tafika aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny Anarako. Hoy ianareo: Tamin’ny inona no nanamavoanay ny Anaranao? - Amin’ny fitondranareo mofo voaloto eo amin’ny ôteliko. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nandotoanay Anao? - Amin’ny fanaovanareo hoe: Zavatra tsy manjary ny latabatr’i Iaveh. Raha biby jamba no aterinareo hatao sorona, tsy ratsy va izany? Ary raha ny mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy va izany? Mandehana ange manatitra izany amin’ny governoranao e! Hahazo sitraka aminy va ianao; hahita fitia aminy ianao? hoy i Iavehn’ny tafika.
Ka hoy ianareo: inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory Izy, hoy i Iavehn’ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahina va izay avy amin’ny tananareo? hoy i Iaveh. Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manana ondralahy eo amin’ny andian’ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary mahatahotra ny Anarako, any amin’ny firenena.
«Ry bibilava, taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra tsy hohelohina ho any amin’ny gehen’afo?
Dia izao koa no nolazainy tamin’ny fampianarany: «Mahìna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagoga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Dia naniraka ankizilahy anankiray hafa ho any aminy indray izy, fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa».
Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo.»
nefa, mampianatra ny sasany ianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany; mandrara tsy hijangajanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina; mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an’Andriamanitra amin’ny fandikana ny Lalàna,
Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony;
Mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, mba hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy fanafintohinana, fa tsy manaraka ny fampianarana efa noraisinareo; halaviro ireny. Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.
Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
Izao ihany e: izay mirehareha aoka hirehareha ao amin’ny Tompo, satria tsy izay midera tena, fa izay derain’ny Tompo, no tena olona voazaha toetra.
Eny, mandefitra tokoa ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;
Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy; fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy finoana;
fifanoherana tsy misy farany, fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena.
Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.
Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora, ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola.