Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jakoba 1:22 - Baiboly Katolika

22 Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Aoka ianareo ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, ka mamita-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Aoka ianareo ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, ka mamita-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Fa aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jakoba 1:22
31 Rohy Ifampitohizana  

Voky lavenona izy; mivoana entin’ny fony voafitaka izy. Tsy hamonjy ny fanahiny izy, na hilaza hoe: «Moa tsy lainga va izay eto an-tanako?»


Dia hoy i Iaveh tamiko: «Torio any an-tanànan’i Jodà sy eny an-dalamben’i Jerosalema izany teny rehetra izany ka ataovy hoe: Henoy ny teny amin’ity fanekena ity, ka tanteraho amin’ny asa izany.


Ny avonavon’ny fonao nahavery saina anao! Izy izay mitoetra eny an-tsefatsefa-bato, ka ny havoana no fonenany, dia manao anankampo hoe: Zovy moa no hampidina ahy eny amin’ny tany?


Fa na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.»


ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


«Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.»


Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra ianareo raha manao izany.


satria tsy ny mandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mankatò ny lalàna no hohamarinina.


Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.


Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry.


Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra ianareo, fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona,


fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, nefa tsinontsinona izy, dia mamita-tena izany.


Aza diso hevitra ianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina,


Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.


Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.


fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.


Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.


Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony.


Aza mifanaratsy, ry kristianina havana. Izay manaratsy ny havana iray finoana aminy, na mitsara an’ireny, dia manaratsy ny Lalàna, sy mitsara ny Lalàna. Ary izay manaratsy ny Lalàna dia tsy mba mpankatò ny Lalàna, fa mihambo ho mpitsara azy.


Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.


izany no ho valin’ny faharatsiany. Ny mahafinaritra azy ireo dia ny fy sendra isan’andro, ka feno tsiny amam-pondro izy; ataony fifaliana ho azy ny mamitaka anareo, amin’ny fiaraha-mihinam-py aminareo.


Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina.


Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika.


Anaka, aza mety hofitahin’olona ianareo, fa izay manao ny marina ihany no marina toa Azy marina koa.


Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy, tsy mba nahita an’Andriamanitra.


ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.


Indro, avy faingana Aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra