Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Titosy 3:3 - Baiboly Katolika

3 Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala.

Jereo ny toko dika mitovy




Titosy 3:3
37 Rohy Ifampitohizana  

Fantatr’i Onàna anefa fa tsy taranaka ho azy izany, ka nony nandeha tamin’ity vadin-drahalahiny izy, dia nandoto tena teo ivelany tamin’ny tany mba tsy hampahazo taranaka ny rahalahiny.


Dia napetrany teo anilany teo ihany ny lamban’i Josefa, mandra-podian’ny tompony ao an-trano.


Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony.


Mianara fahendrena, ry kely saina; mianara fahalalana, ry adala.


Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina.»


Voky lavenona izy; mivoana entin’ny fony voafitaka izy. Tsy hamonjy ny fanahiny izy, na hilaza hoe: «Moa tsy lainga va izay eto an-tanako?»


Ny avonavon’ny fonao nahavery saina anao! Izy izay mitoetra eny an-tsefatsefa-bato, ka ny havoana no fonenany, dia manao anankampo hoe: Zovy moa no hampidina ahy eny amin’ny tany?


‹Tsy handeha aho›, hoy izy; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany.


Ka hoy i Jesoa hoe: «Tandremo sao voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy.


Fa hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevon’ny ota;


Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany, nefa noho ny tsy naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.


Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny;


Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;


Ary ankehitriny kosa, rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo.


fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,


Izao no atahorako: raha avy izay hahatongavako, sao dia tsy ho araka ny tiako no ahitako anareo; ary noho izany sao dia tsy ho araka ny tianareo koa no ahitanareo ahy. Sao dia fifandirana, fifampiandaniana, lolom-po, fifanoherana, fifosana, fanendrikendrehana, fiavonavonana, fikotranana no hitako aminareo.


fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, nefa tsinontsinona izy, dia mamita-tena izany.


Ianareo koa fahiny, dia lavitra Azy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo,


niara-nandeha tamin’ireny koa ianareo taloha fony ianareo nanaraka izany fiainana izany.


fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.


Fa anisan’izany ireo mitsofoka any an-tranon’ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran’ny ota sy tarihin’ny filana maro,


Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.


mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka,


Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony.


Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filàn-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo;


ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.


ary namitaka ny mponina amin’ny tany tamin’ny fahagagana nomena hataony teo anatrehan’ny Biby, nasainy nanao sarin’ilay Biby naratry ny sabatra nefa velona ihany, ny mponina eto an-tany;


Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra