Mety handalo fotoan-tsarotra eo amin'ny fiainana isika, misy zavatra tena mafy atrehina. Fahafatesan'olona, olana ara-bola, aretina... maro ireo olana mety hatrehintsika mandritra ny androm-piainantsika. Soa ihany anefa fa eo Andriamanitra, miaraka amintsika mandrakariva, ary vonona foana ny hanampy.
Ao amin'ny Baiboly dia misy andininy tsara maromaro mampahatsiahy antsika fa tsy handao antsika Izy, fa hiaraka amintsika mandrakariva. Tsy tokony hatahotra isika satria Izy no miady ho antsika. Mampionona antsika Andriamanitra ary tonga amin'ny fotoana ilanantsika Azy indrindra Izy. Amin'ny herin'Andriamanitra dia ho vitanao ny handroso hatrany, matokia Azy Ilay mahefa ny zavatra rehetra, Ilay nanolotra ny Zanany Malala noho ny fitiavany anao.
Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina,
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko; mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko, amin’ny fahafaham-baraka, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.
Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona.
Ry malala, aza gaga amin’izany toa afo nirehitra tao aminareo ka nanjò anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita; fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: «Ianao no amonoana anay isan’andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.»
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: «Ianao no amonoana anay isan’andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.» Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko;
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
Isan’Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany.
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory.
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Ny didinao rehetra dia fahamarinana; mpanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy ireo: vonjeo aho.
Hira firehetan’i Davida nohirainy tamin’i Iaveh, noho ny tenin’i Kosa Benjamita. Farano ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy, ary hamafiso kosa ny marina, Ianao izay mamantatra ny fo sy ny kibo, ry Andriamanitra marina ô! Ny ampingako dia ao amin’Andriamanitra, izay mamonjy ny olona mahitsy fo. Mpitsara marina Andriamanitra; mampandre ny fandrahonany isan’andro ny Tsitoha. Tokoa fa manasa ny sabany indray Izy, manenjana ny tsipîkany, dia mikendry. Alefany amin’ireo ny longiny mahafaty, ataony mahamay ny zana-tsipîkany. Indro ny ratsy fanahy mihetsi-jaza hiteraka faharatsiana, fampahoriana no torontoronina ao aminy, ary lainga no aterany. Mandoaka lavaka izy, mihady azy ary izy no latsaka amin’ny hantsana nomaniny. Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany, ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny. Hidera an’i Iaveh noho ny fahamarinany aho, sy hihira ny Anaran’i Iaveh, ilay Avo indrindra. Iaveh Andriamanitra ô, Ianao no itokiako; vonjeo amin’izay rehetra manenjika ahy aho, ka afaho;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa,
Amin’izany, dia hatolony hampijaliana sy hovonoina ianareo, ary ho halan’ny firenena rehetra noho ny Anarako.
ary misasatra miasa amin’ny tananay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka;
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Tonga reharehanay any amin’ny Eglizin’Andriamanitra ianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin’ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza.
Aoka àry ianareo haharitra koa; ary ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin’Andriamanitra.
Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
Nony niala tamin’ny Sanedrìna ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana, satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny Anaran’i Jesoa.
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Ary ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany, dia ny Eglizy;
Izay rehetra mila sitraka araka ny nofo, dia ireny no manery anareo hoforàna; nefa noho izao ihany: fandrao enjehina noho ny Hazofijalian’i Kristy izy.
Fa zavatra ankasitrahin’Andriamanitra ny fiaretan’ny olona ny fampahoriana afitsoka azy tsy an-drariny noho ny fitiavana Azy. maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena, Inona tokoa àry no ho fahamendrehanareo, raha manao ratsy ianareo ka miaritra ny kapoka valin’izany? Fa raha manao soa ianareo no ampahorîna, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Naninjitra ny tanany avy any ambony Izy nandray ahy, nisarika ahy avy tamin’ny rano be Izy. Nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy, dia tamin’izay nankahala ahy, fony izy ireo mahery noho izaho. Nosovohin’ireny aho tamin’ny andron’ny fahoriako, fa i Iaveh kosa no mpanohana ahy tamin’izay.
Tamin’izany andro izany, dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Eglizy tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apôstôly ihany.
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;
Tsarovy ny andro fahiny, niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana, nony efa nohazavaina ianareo; fa mbetika nalàm-baràka sy nampahoriana ianareo sady naseho ho fizàhan’ny olona; mbetika kosa niaraka ory tamin’izay nampijalina toy izany. Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo, satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sy maharitra mandrakizay ianareo.
Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa. Raha azom-pahoriana izahay, dia ho fanalana alahelo sy famonjena anareo izany; ary raha alàna alahelo izahay, dia ho fanalana alahelo anareo koa izany, fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany. Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
Fa alohan’izany rehetra izany ianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpifehy noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Miderà an’i Iaveh ianareo izay matahotra Azy! manomeza voninahitra Azy ianareo rehetra taranak’i Jakôba, manajà Azy ianareo rehetra taranak’i Israely!
fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany.» Ary tamin’izay dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.» Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy. Izao no nolazain’Andriamanitra: ‹Honina amin’ny tany hafa ny taranany, ary handevozina sy hampahorina efajato taona.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana. Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Nataon’i Davida. Ry Iaveh ô, mameleza an’izay mamely ahy; miadia amin’izay miady amiko. Ny taolako rehetra hanao hoe: Iaveh ô, iza no tahaka Anao, izay manafaka ny malahelo amin’ny mahery noho izy, mbamin’ny malahelo sy ny mahantra amin’izay mamabo azy? Misy vavolombelona tsy marina mitsangana; ka miampanga ahy amin’ny zavatra tsy fantatro, mamaly ratsy ny soa izy amiko, ka latsaka am-pandaozana ny fanahiko. Izaho anefa, fony izy ireo marary, nitafy lamba fivalozana, nampijaly ny aiko tamin’ny fifadian-kanina, ary ny fivavahako niverina tao ampofoako. Nandeha midanesaka aho, toy ny malahelo sakaiza aman-drahalahy, nitanondrika tamin’alahelo, toy ny misaona reny aho. Kanjo ankehitriny nony mangozohozo aho, mifaly sy mivory izy ireo, mivory takona ahy, hamely ahy ny mpanoso-dratsy; mamiravira ahy tsy an-kijanona izy ireo. Mova tsy ny mpitakarina veta mpanao vava mananihany, mikotro-nify erỳ izy amiko. Tompo ô, mandra-pahoviana no hojerenao izany? Tsoahy amin’ny fanenjehan’ireo ny fanahiko, ary amin’ny hasahian’ireo liona ireo, ny aiko! Hidera Anao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; hankalaza Anao eo afovoan’ny vahoaka be aho. Aoka tsy hifalian’izay mamely ahy foana aho! Aoka tsy hihiringiri-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana! Raiso ny ampinga kely aman-dehibe, ka mitsangàna Ianao hamonjy ahy! Fa tsy mba fitenim-pihavanana no fitenin’ireny, fa fitaka hamelezana ny mponina mandry fahizay no saintsaininy. Atanatanany amiko ny vavany, dia hoy izy: Hia, sakoa izay, masonay no nahita... Ry Iaveh ô, hitanao izao. Aza dia mety mangina fotsiny; Tompo ô, aza manalavitra ahy! Miarena ka mitsangàna hampahazo ahy ny rariny sy hiaro ahy amin’ny adiko, ry Andriamanitro sy Tompoko ô. Tsarao araka ny fahamarinanao aho, ry Iaveh Andriamanitro ô, ary aoka tsy ho foto-pifaliany aho. Aoka izy tsy hanao anakam-po hoe: Afa-po ny fanahintsika. Aoka izy tsy hanao hoe: Laninay iny. Aoka hiara-menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly noho ny loza manjò ahy. Aoka ho safo-kenatra sy afa-baraka, izay mitsangan-kamely ahy! Fa aoka hifaly sy hiravoravo kosa, ireo maniry ny hahazoako ny rariny! Aoka ireo hanao mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an’i Iaveh Izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony! Ary ny lelako hankalaza ny fahamarinanao, hanao fiderana Anao isan’andro isan’andro. Tsoahy ny lefona, sakano lalana izay manenjika ahy; lazao amin’ny fanahiko hoe: «Izaho no famonjena anao.»
Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy.
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala. Mitandrema, fa hotorin’ny olona amin’ny fitsaràny ianareo, sy hokapohiny ao amin’ny sinagogany; ary hoentiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny Jentily.
Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy, olona ory sady zatra ny fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava; natao faneso sy tsy nahoantsika velively.
ary tsy miraika na inona na inona afitsoky ny fahavalo: ka mariky ny fahaverezana izany ho azy ireo, fa mariky ny famonjena kosa ho anareo, sady avy amin’Andriamanitra izany.
zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon’ny olona; mova tsy ny kapoaka vaky iny aho.
Gaga izy ireo izao, fa tsy miara-manaram-po aminy amin’ny ratsy ianareo, ka manozona no ataony.
Niaraka tamin’izay dia nirohotra hamely azy ny vahoaka; nasain’ny mpitsara nendahana ny lambany vao handalasina amin’ny hazo izy ireo. Ary rehefa naratra be ihany izy, dia nataony an-tranomaizina, ka nasainy nambenan’ny mpiambina mafy. Nony nahazo teny toy izany ny mpiambina, dia nampiditra azy tao amin’ny tranomaizina anatiny indrindra, sy nangia ny tongony tamin’ny bolaky hazo.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina, sady manidy vazana aminy. Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy, satria hitany fa tonga ny androny.
Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Hiran’i Davida. Tompo ô, aringano izy, ary akoroy ny fiteniny! fa ao an-tanàna dia heriny sy ady no hitako; Voahodidiny andro aman’alina ny mandany; ny heloka sy ny fampahoriana no ao afovoany, ny faharatsiana no ao anatiny; tsy mandao ny kianjany ny famoretana amam-pitaka. Fa tsy mba hoe fahavalo akory no manaratsy ahy; raha izany dia zakako ihany; tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy; raha izany, hiery azy aho. Fa ianao izay nataoko toy ny tenako; mpanolo-tsaina tsy anafenana aman-tsakaizako. Nifanerasera tamim-pifankazarana mamy isika; niara-nandeha tamin’ny maro, ho any an-tranon’Andriamanitra isika. Aoka ho azon’ny fahafatesana tampoka izy ireo, ka hidina velona any amin’ny Seoly! Fa ao amin’ny fonenany, ao afovoan’izy ireo, ny hasomparana. Izaho kosa, Andriamanitra no antsoiko, ary i Iaveh no hamonjy ahy. Hariva, maraina, am-pamatonan’andro, mitaraina aho, mitoloko aho ka handre ny feoko Izy. Hanafaka ny fanahiko amin’ny ady amelezany ahy, ho amin’ny fiadanana, Izy, fa maro ry zareo miady amiko. Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra, aza iambohoanao ny fitarainako. Ho ren’Andriamanitra ka hanetry an’ireny Izy, izay mipetraka mandrakizay ao amin’ny fiketrahany. - Selà Satria tsy misy fiovana ireny, tsy manana ny tahotra an’Andriamanitra. Maninji-tanana amin’izay mihavana aminy, mamadika ny fanekeny. Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary. Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina. Ary Ianao, ry Andriamanitra, dia hampidina azy any an-davaka fahaverezana; ireo olona mandatsa-dra sy mpamitaka, tsy hahatratra ny antsasaky ny androny. Fa ny amiko kosa, dia Ianao no ametrahako ny fitokiako. Henoy aho, ary valio koa! Efa miriorio be ihany, mitoreo sy mitoloko aho,
Farany, ry kristianina havana, mivavaha ho anay, mba handroso faingana ny tenin’Andriamanitra, ka hankalazaina toy ny atỳ aminareo; Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana. Renay anefa fa ny sasany aminareo dia tsy mahay miaina, sady tsy miasa fa manaonao foana. Mandidy sy mananatra izany olona izany ao amin’i Jesoa Kristy Tompo izahay, mba hiasa amim-piadanana, ka hihinana ny azy ihany. Ary aoka ianareo, ry kristianina havana, tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa. Raha misy tsy manaiky ny teninay amin’ity taratasy ity, dia mariho izy, ka aza mikambakambana aminy intsony mba hahamenatra azy. aza atao fahavalo anefa izy, fa anaro toy ny mpiray tam-po. Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho ao aminareo rehetra anie ny Tompo. Ity no veloma soratan’ny tanako, izaho Paoly. Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra. Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. ary mba ho afaka amin’ny olon-dratsy sy mahasosotra izahay; fa tsy an’ny olona rehetra moa ny finoana.
Kanjo nony tonga nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy, ka niditra tao an-tanàna. Ny ampitso ihany dia lasa nankany Derbe izy sy i Barnabe. Ny Jody izay tsy nino anefa, dia nitarika sy nanome fo ny Jentily hanohitra ny rahalahy. Ary rehefa nitory ny Evanjely tamin’izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina tany Listra sy Ikonioma ary Antiôkia,
Fahizany anefa, ilay zanaka araka ny nofo dia nanenjika ny zanaka araka ny fanahy, ary toraka izany ihany koa ankehitriny.
Avy amin’izao tontolo izao izy ireny, ka izany no anaovany fitenin’izao tontolo izao, sy ihainoan’izao tontolo izao azy.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Aza manalavitra ahy Ianao fa akaiky ny fahoriana, satria tsy misy olona tonga hamonjy ahy. Itangoronan’ombalahy maro aho; temeran’ny maherin’i Basàna aho.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo, ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Mitaraina aminao aho, ry Iaveh, hoy aho: «Ianao no fialofako, anjarako eo amin’ny tanin’ny velona.»
Ary amin’izany izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany avy any amin’ny maty, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,
Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin’ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin’olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.»
Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra; Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo. Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina, fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa. Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra. fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra, ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.
Halan’ny olona mpandatsa-dra ny tsy misy tsiny; fa miahy ny ain’izy io kosa, ny mahitsy fo.
Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hisafoaka hanontolo fo Ianao, sy hirehetan’ny hatezeranao hoatra ny afo?
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Amin’izany andro izany koa dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala be ihany. Ary hisy mpaminany sandoka maro hiseho, ka hamitaka olona maro. Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro;
Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily.
Eny, Vatolampiko amam-pamonjena ahy Izy, Trano mimandako, ka tsy hangozohozo indrindra aho.
dia satria hain’Izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin’ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin’ny andron’ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazina,
Ary raha ny amiko, ry kristianina havana, raha marina fa mbola mitory ny famorana koa aho, ahoana indray no mbola anenjehana ahy? Foana izany ny fahatafintohinana noho ny Hazofijaliana!
Fa miray tetika hamely ahy ny fahavaloko, ary miara-mioko, izay mikendry ny aiko, manao hoe: «Efa nafoin’Andriamanitra izy! Enjeho, sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!»
Dia hoy i Jesoa taminy: «Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: ‹Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana›;
Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa. Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Andriamanitra ô, henoy ny feoko, raha mampandre ny fitarainako aho, arovy amin’ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko. Fefeo aho, tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny mpanao ratsy, tsy ho azon’ny andian’olon-dratsy efa misafoaka,
Fa izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay, dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty, natao fizàhan’izao rehetra izao, na Anjely, na olombelona.
Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany,
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.
Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony; fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Tsarovy ny andro fahiny, niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana, nony efa nohazavaina ianareo;
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana,
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.
Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.»
Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.
Ny finoana no namoizan’i Môizy ny anarana hoe zanaky ny zanakavavin’i Faraôna, nony efa lehibe izy, fa naleony miaraka ory amin’ny vahoakan’Andriamanitra toy izay miarana amin’ny hafaliana mandalon’ny fahotana; nataony harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta ny fijalian’i Kristy, satria nijery ny valisoa izy.
Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorîna, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro;
Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; nametaka tamin’ny tady ny zana-tsipìkany; mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin’ny maizina. Raha rava ny fanorenana, inona indray no azon’ny marina atao?
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany. Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Fihirana fiakarana. Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho; - - aoka i Israely hilaza izany! - Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho, nefa tsy naharesy ahy izy ireo.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida. Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina. Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana. Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao. Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra,
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana,
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Ho an’ny mpampianatra hira. Hiran’i Davida. Ry Iaveh ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy, mandra-pahoviana no hanafenanao ny Tavanao amiko?
Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.
Ry Andriamanitra ô, afaho aho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy, amin’ny tanan’ny olon-tsy marina sy masiaka.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
ny faharatsiana no ao anatiny; tsy mandao ny kianjany ny famoretana amam-pitaka. Fa tsy mba hoe fahavalo akory no manaratsy ahy; raha izany dia zakako ihany; tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy; raha izany, hiery azy aho. Fa ianao izay nataoko toy ny tenako; mpanolo-tsaina tsy anafenana aman-tsakaizako.
Koa aza miala amin’ny fahasahianareo, fa misy valiny lehibe izany. Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rehefa nanao ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna... Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana. Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray. izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.