Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Romana 2:6 - Baiboly Katolika

6 dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 ka hamaliany ny tsirairay araka ny asany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 ka hamaliany ny tsirairay araka ny asany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 2:6
25 Rohy Ifampitohizana  

Fa mamaly ny olona araka ny asany Izy, ary mizara amin’izy tsirairay avy araka ny lalany.


Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana.


Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.»


Raha hoy ianao: «Tsy mahalala izany anie izahay!» moa tsy mahita izany va Ilay mandanja ny fo? tsy mahalala izany va, Ilay mitandrina ny fanahinao? ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra?


Fa fandozàna no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana no mahavantam-bava azy.


Toy ny mpandefa tsipìka mandratra ny olona rehetra, ny manakarama ny adala sy ny mpandalo.


Hoy aho anakampo: Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.


Izaho Iaveh izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany, sy araka ny vokatry ny asany.


lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny asa; ny masonao ajerinao ny lalan’ny taranak’i Adama rehetra, mba hamalianao azy, araka ny lalany avy, sy araka ny vokatry ny asany avy.


Ny fanahy izay manota dia io no ho faty; ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny rainy; ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ny marina ho aminy ihany; ary ny haratsian’ny ratsy dia ho aminy ihany.


Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.


Naeliko ho any amin’ny firenena izy ireo, ka nahahaka tany amin’ny tany samihafa. Notsaraiko araka ny fitondran-tenany aman’asa nataony izy.


Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.


Fa tano ho anao eo anatrehan’Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy helohin’ny hitsim-pony amin’ny asa ekeny;


Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian’Andriamanitra araka ny fisasarany avy.


Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrify azy tsirairay avy.


ka tsy mahagaga na maka ny endriky ny mpandraharahan’ny fahamarinana aza ny mpandraharahany. Fa ny hiafarany no ho araka ny asany ihany.


Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.


Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.


Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.


ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.


Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra