Mba saintsaino kely ange ity resaka tombokavoka ity e! Misy milaza hoe azo atao tsara, misy koa milaza hoe tsy mety amin'ny kristiana. Ianao irery ihany no mahalala izay tena ao am-ponao.
Mila mandinika tsara ianao hoe tena mahasoa anao ve ity zavatra ity sa tsia. Marina fa voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra hoe azo atao ny zavatra rehetra, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa (1 Korintiana 10:23). Tsy ampy fotsiny ny hoe "azoko atao", fa mila mieritreritra koa hoe "mahasoa ve?"
Alohan'ny hanaovanao zavatra dia tsara raha itondrana am-bavaka amin’Andriamanitra aloha. Izy no mahalala ny ao am-po, ary Izy no hitsara ny ataontsika rehetra. Aza manao zavatra fotsiny satria te hisarika ny mason’olona ianao, na te hiteraka adihevitra. Raha tena fanehoana talenta no anaovanao azy, dia mbola mila mitady ny sitrapon’Andriamanitra foana.
Matoky aho fa raha mitady ny tari-dalan’Andriamanitra ianao dia hoentiny amin’ny làlana mahitsy. Hiaro anao mandrakariva Izy. Tadidio fa na dia toa mora amin’ny voalohany aza ny zavatra sasany dia mety hisy vokany maharitra eo amin’ny fiainanao izany.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin’ny fireneny izy, fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Aoka ny firavakareo tsy ho zava-tsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba, fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason’Andriamanitra.
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra? Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.
Amin’izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik’i Jesoa amin’ny vatako aho.
Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa.
Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Iaveh ihany no hoderaina.
izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Aza mitetika ny tenanareo raha misy maty, na manao sary tombo-kavatsa amin’ny tenanareo. Izaho no Iaveh.
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? Tsy fantatrareo va fa ny olomasina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?