Ilay hoe "fitiavana ratsy" na "filàna ratsy", efa mba fantatsika rehetra angamba izany fahafinaretana te hahazo zavatra tsy mety izany. Ao amin'ny Baiboly, matetika io teny io no miresaka momba ny fahalementsika olombelona, indrindra fa ny faniriana ara-nofo. Tsy voatery ho izany ihany anefa, fa mety ho fitiavam-bola tafahoatra koa, na faniriana zavatra hafa mety ho ratsy amintsika.
Raha efa nandray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ianao, dia tadidio fa tsy irery intsony ianao miady amin'izany. Manome hery antsika Izy handresena ny fakam-panahy. Araka ny voasoratra ao amin'ny Filipiana 4:13 (FM): "Mahavita ny zavatra rehetra aho ao amin'Ilay mampahery ahy".
Atolory an'i Jesosy izay rehetra maha-osa anao, dia Izy no hanome anao ny heriny handresena ny ratsy. Havelomy Izy hampiseho ny voninahiny eo amin'ny fiainanao. Ny tena zava-dehibe dia ny mikatsaka ny tarehin'Andriamanitra isan'andro, mba hiainantsika araka ny sitrapony fa tsy araka ny filàn'ny nofontsika.
Ny hany fomba handresena ny fitiavana ratsy dia ny famelana an'i Jesosy ho Tompon'ny fiainanao. Avelao Izy hanova ny ao anatinao, hamorona anao ho olom-baovao. Tadidio fa ao amin'ny Teniny no misy ny hery sy ny torolàlana hiaretana amin'ny fotoan-tsarotra.
Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy. Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Noho izany, dia navelan’Andriamanitra izy ireo hoentin’ny filàn-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin’ny tenany avy;
Ampy ny nanarahanareo ny fanaon’ny Jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin’ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra.
mba tsy handaniany ny andro sisa hiainany amin’ny nofo, araka ny danin’ny kibon’olombelona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.
Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny;
Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy;
Fa anisan’izany ireo mitsofoka any an-tranon’ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran’ny ota sy tarihin’ny filana maro,
Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.
Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana.
Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra. Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? Tsy fantatrareo va fa ny olomasina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.
Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Fantaro tsara aloha fa any am-parany any, dia hisy mpaniratsira fetsy ratsy, izay hanaraka ny danin’ny kibony,
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa no toetranay rehetra fony izahay nanaraka ny filàn’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
Andosiro ny filàn’ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin’izay miantso ny Anaran’ny Tompo amin’ny fo madio.
mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka,
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra: dia ny hifadianareo ny fijangajangana, sy ny hahaizanareo tsirairay avy, manana ny fanaky ny tenanareo amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja, fa tsy amin’ny filàn-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny Jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy, mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, ka hitafy ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.
Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny; ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao, ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao. Fa vehivavy janga no mila tsy hananan’ny olona sombi-mofo; ary vehivavy manam-bady no tonga fandriky ny aina sarobidy.
indrindra fa ireo manaram-po amin’ny filàn-dratsin’ny nofo, sy manamavo ny Fahandrianana. Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo Voninahitra akory,
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va? Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy. Aza mifanaratsy, ry kristianina havana. Izay manaratsy ny havana iray finoana aminy, na mitsara an’ireny, dia manaratsy ny Lalàna, sy mitsara ny Lalàna. Ary izay manaratsy ny Lalàna dia tsy mba mpankatò ny Lalàna, fa mihambo ho mpitsara azy. Iray monja no Mpanao lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahay mamonjy na mamery. Ary ianao kosa mba iza, no mitsara ny namana? Ary inty ny aminareo izay manao hoe: «Hankany ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra» kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo; fa inona moa ny ainareo? - Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: «Raha sitrapon’Andriamanitra, ka velona ny aina, dia hanao izao, na izany izahay.» Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka. Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady ianareo; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
Noho izany, dia navelan’Andriamanitra izy ireo hoentin’ny filàn-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin’ny tenany avy; nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen! Koa natolotr’Andriamanitra ho amin’ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; toraka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy.
mba tsy handaniany ny andro sisa hiainany amin’ny nofo, araka ny danin’ny kibon’olombelona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Ampy ny nanarahanareo ny fanaon’ny Jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin’ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra.
fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.
Araka ny manendrika ny olomasina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rehefa mety ho fahalotoana amam-pilàn-dratsin’ny nofo, satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany, isika. Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko. Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny. Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin’ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao teny fisaorana. Satria fantaro tsara fa rehefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filàn-dratsin’ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra.
Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana. Ampanantenainy fahafahana izy ireo, nefa ny tenany aza andevon’ny fahalotoana, satria izay resy dia andevon’izay naharesy azy.
Satria raha velona ara-nofo ianareo dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.
Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.
Aoka ny fonao tsy hivily hankany amin’ny lalan’io, aza maniasia any amin’ny sakeli-dalany. Fa maro no efa noratrain’izy io, ary betsaka no voan’izy io. Ny tranony dia lalana mankany amin’ny Seoly, izay midina ho any amin’ny fonenan’ny fahafatesana.
Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo. Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.
ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Noho isika manana ireo teny fampanantenana ireo àry, ry malala, dia aoka isika hanadio tena ho afaka amin’ny lotom-panahy amam-batana rehetra, ary hanatanteraka ny fanamasinan-tena amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filàn-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin’ny fitondran-tenanareo rehetra, araka ny voasoratra hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho,
Ny herin’Izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka, fa Izy no nampahalala antsika tsara an’Ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy ny fahatsaràny;. dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvan’ny filàn-dratsin’izao tontolo izao.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa, mba halain’ny devoly fanahy; Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo, Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ao amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy. Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana. Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony, ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.
Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara, satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako; Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin’ny lalàn’ny lahy kosa izy rehefa maty ny lahy. ka rehefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.
Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy; «Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovantsofin-drazana? fa tsy mba manasa tanana izy raha hihinan-kanina.» izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana tsy misasa tanana, tsy mahaloto ny olona akory.»
Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.
satria tsy ho amin’ny fahalotoana, fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an’Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany.
Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka Azy.
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika, satria izay maty dia afaka amin’ny fahotana.
Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany, fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
Ny fahamarinan’ny olo-mahitsy fo mamonjy azy; fa ny olona mpivadika kosa, voafandriky ny haratsiany.
Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. «Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra? Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Izao àry, ry malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo ianareo, koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison’ny ratsy fanahy, ka hiala amin’izay niorenanareo. Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
sy ny hahaizanareo tsirairay avy, manana ny fanaky ny tenanareo amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja, fa tsy amin’ny filàn-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny Jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony; fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy.
Koa esory avokoa ny faharatsiana rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha, fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny, ary tsy nahazo famindram-po koa taloha, fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny. Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo. Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza. Koa, noho ny Tompo, dia maneke ny lehibe rehetra voatendrin’ny olona: na ny mpanjaka, satria ambony izy, na ny mpifehy, satria nirahiny hamay ny manao ratsy, sy hidera ny manao soa izy. Fa izany no sitrapon’Andriamanitra, mba hanampenanareo ny vavan’ny adala sy tsy mahalala anareo, amin’ny asa soa ataonareo. Olona afaka ianareo, nefa aoka ny fahafahana tsy hoenti-manarona ny ratsy, fa manaova toy ny mpanompon’Andriamanitra. Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka. Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo, amin-tahotra sy fanajana lehibe, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa. Fa zavatra ankasitrahin’Andriamanitra ny fiaretan’ny olona ny fampahoriana afitsoka azy tsy an-drariny noho ny fitiavana Azy. maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena, Inona tokoa àry no ho fahamendrehanareo, raha manao ratsy ianareo ka miaritra ny kapoka valin’izany? Fa raha manao soa ianareo no ampahorîna, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra. Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: dia Izy, Ilay tsy nanota akory, na mba niloa-bava hilaza fitaka velively; Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny; Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo. Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo. rehefa nandramanareo fa mamy ny Tompo.
Ka aoka tsy hifampitsara intsony isika rehetra; fa izao no tsarao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny havana mpiray finoana.
Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy;
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.» «Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy, Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Adala izay mitoky amin’ny fon’ny tenany, fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.
Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny, satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza;
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.
Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy!
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.
Mivavaha ho anay, fa te hanao tsara amin’ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay.
Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako; mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,