Mila fitiavana isika rehetra ary maniry hotiavina koa. Hatramin'ny fahaterahantsika dia efa ao amintsika io filàna mahatsiaro hotiavina, ho sarobidy, ary ho zava-dehibe amin'ny hafa io. Fitiavana tsy misy fepetra, madio, tsy mitady hanisy ratsy, fa mifanohitra amin'izany aza, mitady izay hahasoa ny hafa.
Rehefa mahatsapa fitiavana isika dia te-hitiavina tahaka izay nitiavana antsika. Herim-po mahery vaika ny fitiavana, maharesy ny olana rehetra, ary mahavita ny zavatra rehetra. Manova antsika ny fitiavana, mampitombo antsika faharetana, ary manampy antsika ho tsaratsara kokoa isan'andro. Mitondra fanajana, fanekena ary faharetana ny fitiavana.
Ao anatin'ny soatoavina rehetra dia hita taratra ny fitiavana, satria io no fihetseham-po lehibe indrindra izay mitondra ireo fihetseham-po hafa mba hahatanteraka ny tena dikany. Ny fitiavana eo amin'ny mpifankatia dia fifampizarana, midika izany fa izay tsapanao amin'ny olona iray dia tsapany aminao koa. Io karazana fitiavana io no fototry ny fifandraisana mahasoa sy maharitra.
Ao amin'ny Baiboly dia ahitantsika andininy iray mamaritra ny atao hoe fitiavana: 1 Korintiana 13 dia milaza hoe: "Maharitra ny fitiavana, sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, ny fitiavana tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manisy ratsy, tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa".
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.
Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.
Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny namany koa.
Ny amin’ny fifankatiavan’ny mpiray tam-po amin’ny finoana, dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo, satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia,
Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!
Aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy. Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin’ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: nahafoy ny ainy ho antsika Izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny namana koa isika.
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.
Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra; amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.
Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
Aoka ianareo, ry malala, hiorina mafy amin’ny fototry ny finoanareo masina indrindra, hivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, hitahiry tena amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, ary hiankina amin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahazo ny fiainana mandrakizay.
Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin’ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Fa toy ny tena iray ananantsika, misy rantsam-batana maro tsy mitovy asa, no mahatena iray antsika ao amin’i Kristy, na dia maro aza isika; ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy.
Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.»
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na tsy mpanompo; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.
Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera, dia tsy tapaka ny fivavahana nataon’ny Eglizy ho azy.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Iaveh.
Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho.
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoa indrindra aho.
Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany, hanaraka ny fitiavana marina ny havana iray finoana, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka.
Satria araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany dia tsy maintsy mifankatia isika,
Raha misy manan-karena amin’izao fiainana izao, ka mahita ny namany mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»
Isika dia mahalala fa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, satria tia namana. Izay tsy tia kosa mitoetra ao amin’ny fahafatesana.
Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny.
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny namany, dia mpandainga izy; satria, raha ny namany hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany? Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny namany koa.
Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny. Miaraha miravoravo amin’ny olony, ry Jentily, mbamin’ny hoe: Miderà ny Tompo ianareo firenena rehetra; ary mankalazà Azy, ry vahoaka rehetra. Hoy koa i Izaia: Hisy solofon’i Jese, izay hitsangana hifehy ny Jentily; Izy no hitokian’ny firenena rehetra. Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Izaho aloha, ry kristianina havana, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo, sady mahay mifananatra koa. Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho, toy ny mampahatsiaro anareo indray, noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina. Koa mba manana rehareha ao amin’i Kristy Jesoa ihany aho, raha ny momba ny fanompoana an’Andriamanitra. Satria tsy ho sahiko lazaina raha zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, mba hampanaiky ny Jentily, na tamin’ny teny aman’asa, na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin’ny Fanahy Masina; hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria; Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin’izay hahasoa azy, sy hahatarika azy amin’ny tsara.
Raha ianareo mitandrina ny didy ambony indrindra voalazan’ny Soratra Masina hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, dia manao tsara ianareo;
Ary hoy kosa Izy tamin’ilay nanasa Azy: «Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rehefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.»
Fa terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra;
Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.
Omeo hanina ny fahavalonao raha noana, ary omeo hosotroina izy raha mangetaheta, fa ny fanaovana izany no hanangonanao vain’afo ho eo an-dohany. Aza mety ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.
Ary tamin’izay, nanatona Azy i Piera nanao hoe: «Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?» Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito.»
ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao!
Izay fatra-panaraka ny fahamarinana amam-pamindram-po, hahazo ny fiainana amam-pahamarinana ary ny voninahitra.
Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana,