Ry sakaiza, fantatro fa mahatsapa fahatezerana koa ianao indraindray. Tsy misy olona tsy mba tezitra, fa ny mahasarotra dia ny fitantanana izany fahatezerana izany. Mila mailo isika satria ny devoly no mampiasa ny fahatezerana mba hampanota antsika amin'Andriamanitra.
Rehefa tezitra isika ka tsy mahafehy tena dia hisy vokany ratsy foana izany. Marina fa Andriamanitra aza efa tezitra tamin’ny olombelona noho ny fahotany, nefa nomeny foana isika fahafahana hihavana Aminy. Aza hadinoina fa ny fahatezerana tsy voafehy dia manaisotra ny fitahian’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, sady miteraka ratram-po ihany koa.
Na rariny na tsy rariny aza ny antony mahatonga antsika ho tezitra, ny Soratra Masina ao amin’ny Efesiana 4:26-27 (Efes. 4:26-27) dia mampianatra antsika hoe: "Tezera, nefa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny devoly." Midika izany fa azo atao tsara ny tezitra, saingy tsy tokony havelantsika hitarika antsika hanota izany.
Mety ny mahatsapa fahatezerana rehefa mahita tsy rariny na koa rehefa misy maniratsira an’Andriamanitra. Kanefa, Andriamanitra no miteny amintsika hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly." (Rom. 12). Koa aoka isika hatoky Azy.
Ny fifandraisana akaiky amin’ny Fanahy Masina no tena zava-dehibe mba hahafahantsika mifehy ny fihetseham-pontsika. Mangataha aminy mba hameno ny fontsika amin’ny vokatry ny Fanahiny Masina, dia ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, fahamarinana, fahalemem-panahy ary fifehezan-tena. Ireo no hanome hery antsika avy ao anatiny.
Atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana; aza misafoaka foana ka hipaka amin’ny ratsy.
Araka ny fantatrareo rahateo, ry havako malala, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra.
Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.
Fa ankehitriny kosa, ario koa izao zavatra izao: dia fahatezerana, fahavinirana, fahasomparana, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo;
Aza maika foana ny ho tezitra am-po; fa ny tratran’ny adala no fitoeran’ny hatezerana.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Nahoana no tezitra ianao, ary nahoana no kivy endrika? Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahina va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa ianao.»
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Ary nandalo teo anatrehany i Iaveh sady niantso hoe: «Iaveh! Iaveh! Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana;
Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra, ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.
Ny adala manampatra ny hatezerany rehetra, ny hendry kosa, manonona sy mahafehy azy.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Ela vao mitezitra i Iaveh, ary sesehena ny hatsaram-pony: mamela ny heloka sy ny fahotana izy, nefa tsy nataony ho tsy manan-tsiny ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra.
Tany Horeba aza dia nihantsy ny fahatezeran’i Iaveh ianareo, ka tezitra taminareo i Iaveh, ka saika handringana anareo.
Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana amin’ny fotoana hahatafintohina ny tongony, fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Rehefa hanasa ny sabatro manelatrelatra sy handray ny fitsarana ny tanako, dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko, ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.
Mamindra fo anefa Izy; mamela ny fahotana ary tsy mandringana; nanindry ny hatezerany matetika, ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra.
Ny olona misafoaka mafy, hilonjo ny sazin’izany; raha voavonjinao indray mandeha izy, dia tsy maintsy hovonjenao indray.
Voninahitra ho an’ny olona ny mifady fifandirana; fa ny adala rehetra milomano amin’ny hatezerana.
Aza mikambakambana amin’izay olona foizina, na miarakaraka amin’izay olona masiaka: fandrao mianatra ny lalany ianao, ka manomana fandrika ho an’ny fanahinao.
Masiaka ny havinirana, miafonafona ny hatezerana, fa zovy no hahatoetra raha asian’ny fialonana?
Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany, azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika, amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.
Fa mihatra amin’ny firenena rehetra ny haviniran’i Iaveh, ary amin’ny miaramilany rehetra ny hatezerany; nataony anatema, natolony hovonoina ireny.
Noho ny Anarako, dia manindry ny hatezerako Aho, ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
Tamin’ny firehetan’ny hatezerako no nanafenako vetivety ny Tavako taminao, fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao, hoy i Iaveh Mpanavotra anao.
Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho, na hitahiry fahatezerana mandrakizay; satria amin’izany dia ho torana eo anatrehako ny fanahy sy ny aina izay nataoko.
Nanosy irery teo amin’ny famiazam-boaloboka aho, fa tsy nisy na dia iray aza niaraka tamiko, ny avy amin’ny firenena. Dia nanosy azy ireo aho, nentin’ny hatezerako, ary nanitsakitsaka azy aho nentin’ny fahavinirako; nipitika tamin’ny akanjoko ny ranony, ka voalotoko avokoa ny fitafiako.
Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo, amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin’i Iaveh - Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo, fa mamindra fo Aho - teny marin’i Iaveh - ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Iaveh ô, faizo aho, nefa aoka ho ara-drariny, fa tsy araka ny hatezeranao, fa ataonao zary tsinontsinona aho.
Tsy hihemotra ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, raha tsy efa niasa sy nanatanteraka ny hevitry ny fony Izy: ho fantatrareo any am-paran’ny andro any.
Mivoaha hiala ao aminy, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo, eo anatrehan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.
Ankehitriny Aho tsy ho ela intsony, dia hanampatra ny hatezerako aminareo; hanala fo ny fahavinirako aminao; hitsara anao araka ny asanao aho, ary hampitambesatra aminao, ny fahavetavetanao rehetra.
Hanarana ny hatezerako aminao Aho, dia ho afaka ny fahasarotam-piaroko aminao, ka hionona Aho, fa tsy ho tezitra intsony.
Hanao famaliana lehibe azy ireo Aho, hanasazy azy amin-katezerana mafy, ka ho fantany fa Iaveh Aho, rehefa mampihatra aminy ny famaliako Aho.
Ary izao no hitranga amin’izany andro izany, dia amin’ny andro hiakaran’i Goga amin’ny tanin’i Israely; - teny marin’ny Tompo Iaveh, - hiefonefona eo am-bavoroko ny fahatezerako, ary noho ny fahasaro-piaroko amam-pirehitry ny fahatezerako - teniko izany, - amin’izany andro izany, dia hisy horohoron-tany mafy eo amin’ny tanin’i Israely.
Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako Aho, tsy horavako fanindroany i Efraima. Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona; eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako.
Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.
Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Andriamanitra saro-piaro sy mpamaly heloka i Iaveh; mpamaly heloka i Iaveh; sady mahalala fahatezerana; mamaly izay manohitra Azy i Iaveh, sady mitahiry fahatezerana amin’ny fahavalony. Mahari-po ela i Iaveh sady be hery ary tsy misy meloka avelany fotsiny. Tadio aman-tafio-drivotra no handehanan’i Iaveh, ary rahona no vovoka diaviny.
Mitadiava an’i Iaveh, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena. Ho tafaàloka angamba ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh!
Koa andrasonareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - amin’ny andro hitsanganako haka babo! Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena, hamoriako ny fanjakana, hanidinako ny fahatezerako amin’izy ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra. Fa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra.
Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenena izay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany.
Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
Dia niditra tao amin’ny Tempolin’Andriamanitra i Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin’ny Tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin’ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala. Dia hoy Izy tamin’ireo: «Efa voasoratra hoe: ‹Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana› fa ianareo kosa manao azy trano fandrian-dompy.»
«Ry bibilava, taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra tsy hohelohina ho any amin’ny gehen’afo?
Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: «Ahinjiro ny tananao» Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.
misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin’ny akanjonao aza.
Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: «Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?» Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: «Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo.
ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: «Esory eto ireo; fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.»
Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany,
Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!
no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka ka izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao, dia tsy maintsy afany amin’ny fahatezerana mihitsy.
satria lefitr’Andriamanitra amin’ny fanasoavana anao izy. Fa raha ny ratsy kosa no ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin’ny maha-lefitr’Andriamanitra azy.
tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo;
Izao no atahorako: raha avy izay hahatongavako, sao dia tsy ho araka ny tiako no ahitako anareo; ary noho izany sao dia tsy ho araka ny tianareo koa no ahitanareo ahy. Sao dia fifandirana, fifampiandaniana, lolom-po, fifanoherana, fifosana, fanendrikendrehana, fiavonavonana, fikotranana no hitako aminareo.
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.
fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy finoana; niara-nandeha tamin’ireny koa ianareo taloha fony ianareo nanaraka izany fiainana izany. Fa ankehitriny kosa, ario koa izao zavatra izao: dia fahatezerana, fahavinirana, fahasomparana, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo;
Satria tsy ny ho an’ny fahatezerana no nanendren’Andriamanitra antsika, fa ny hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
Fa tsy mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra,
Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola;
Tezitra tamin’izany taranaka izany Aho ka nanao hoe: Maniasia amin’ny fony mandrakariva ireo, ka tsy nahalala ny diako; koa nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo:
dia mametra andro iray indray Izy izay nantsoiny hoe «anio», fa hoy Izy hoe ao amin’i Davida tatỳ aoriana ela be, araka ny voalaza teo: Anio raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo.
Fa fantatsika Ilay nilaza hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly. Ary koa: Ny Tompo hitsara ny vahoakany. Zavatra mahatsiravina re izany ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona!
Araka ny fantatrareo rahateo, ry havako malala, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra. Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra.
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va? Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy. Aza mifanaratsy, ry kristianina havana. Izay manaratsy ny havana iray finoana aminy, na mitsara an’ireny, dia manaratsy ny Lalàna, sy mitsara ny Lalàna. Ary izay manaratsy ny Lalàna dia tsy mba mpankatò ny Lalàna, fa mihambo ho mpitsara azy. Iray monja no Mpanao lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahay mamonjy na mamery. Ary ianao kosa mba iza, no mitsara ny namana? Ary inty ny aminareo izay manao hoe: «Hankany ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra» kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo; fa inona moa ny ainareo? - Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: «Raha sitrapon’Andriamanitra, ka velona ny aina, dia hanao izao, na izany izahay.» Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka. Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady ianareo; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny;
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
dia satria hain’Izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin’ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin’ny andron’ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazina,
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Izay rehetra mankahala ny namany dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.
Raha misy mahita ny namany manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana; tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
ary nilaza tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: «Mianjerà aminay, ka afeno amin’ny Tavan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry izahay; fa tonga ny Androm-pahatezerany lehibe, ka iza no mahajanona?»
Nisarongatra ny firenena, fa tonga ny fahatezeranao, sy ny fotoana hitsarana ny maty, mba hanomezana valisoa ny mpanomponao, dia ny mpaminany, sy ny olo-masina mbamin’izay natahotra ny Anaranao, na kely na lehibe, ary mba hamerezana izay nanimba ny tany.»
dia izy no hisotro ny divain’ny fahaviniran’Andriamanitra, izay naidina ao amin’ny kapoaky ny fahatezerany tsy misy famahony; sady hampijalin’ny afo aman-tsolifara eo anatrehan’ny Anjely masina sy ny Zanak’ondry.
Dia nalefan’ilay Anjely tany amin’ny tany ny antsy fijinjàny, ka notoazany ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin’ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeren’Andriamanitra izany.
Raha efa izany, dia nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra aho, dia Anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin’ireo no hanaperana ny fahatezeran’Andriamanitra.
Dia natolotry ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra ny Anjely fito ireto kapoaka volamena fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay,
Ary nandre feo mahery avy tao amin’ny Tempoly aho, nilaza tamin’ny Anjely fito hoe: «Mandehana araraho amin’ny tany ny ao amin’ny kapoaka fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra.»
Nivaky telo terỳ ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan’Andriamanitra i Babilôna lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain’ny fahatezerany mirehitra.
nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha;
Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.