Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 2:13 - Baiboly Katolika

13 Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina fa ny fonareo indrindra no ovay.» Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo: Fa miantra sy mamindrafo Izy mahari-po sady be fitiavana ary mamoy ny loza nandrahonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina fa ny fonareo indrindra no ovay.» Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo: Fa miantra sy mamindrafo Izy mahari-po sady be fitiavana ary mamoy ny loza nandrahonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, Ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, Mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 2:13
41 Rohy Ifampitohizana  

Niverina nankeo amin’ilay lavaka i Robena, ka indro fa tsy tao amin’ny lavaka intsony i Josefa.


Dia notriariny ny fitafiany ka nisikina lamba malailay izy, nisaona ny zanany naharitra ela be.


Dia noraisin’i Davida ny fitafiany, ka notriariny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.


Kanjo nony nandre ny tenin’i Elia i Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasàka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasàka, ary nitsilasilasy fandeha izy.


Nony nandre ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany,


noho ianao natahotra sy nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny nandrenesanao izay tononiko hanjò ity fitoerana ity sy ny mponina ao aminy, fa hoe ho tonga fitairana sy fanozona izy, ary noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao kosa Aho. - teny marin’i Iaveh:


Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy: «Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan’ilay iny olona ho atỳ amiko hositraniko amin’ny habokany? Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.»


Nony nandre ny tenin’io vehivavy io ny mpanjaka, dia nandrovitra ny fitafiany raha ilay nandalo teny ambony manda iny izy, ary hitan’ny vahoaka, ka indro ambanin’ny fitafiany, nitafy lasàka manolo-koditra azy izy.


mihainoa azy Ianao any an-danitra, avelao ny fahotan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, amin’ny fanoroana azy ny lalana tsara tokony halehany; ary alatsaho amin’ny tany nomenao ho lovan’ny vahoakanao, ny ranonorana.


Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy.


Dia nitsangana i Jôba tamin’izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin’ny tany ary niankohoka nanao hoe:


Mamindra fo sy miantra i Iaveh, mahari-po sy be hatsaram-po.


Notsarovany, hitsimbinana azy, ny fanekeny; namindra fo taminy araka ny hatsaram-pony lehibe Izy;


Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.


Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hidera ny fiderana Anao ny vavako.


Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.


Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.


Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.


Moa izany va no fifadiana ankasitrahako? Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny? Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasàka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifadiana, sy andro ankasitrahin’i Iaveh?


Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.


Angamba ho tonga eo anatrehan’i Iaveh ny fifonany, ary hiova hiala amin’ny lalan-dratsiny avy izy; fa lehibe ny hatezerana amam-pahavinirana nolazain’i Iaveh hahatra amin’ity vahoaka ity.»


nisy olona valopolo lahy tonga avy any Sikema sy Silô ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany, voatriatra ny fitafiany, voatetika ny tenany, nitondra fanatitra aman’emboka manitra, haterina ao an-tranon’i Iaveh.


Raha manohy ny fonenana amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko fa tsy horavako, hamboleko fa tsy hongotako, fa anenenako ny loza namelezako anareo.


ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»


Hofaizina i Samaria, fa niodina tamin’ny Andriamaniny; ho lavon-tsabatra izy ireo! hotorotoroina ny zanany madinika; ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.


Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra, ka mba tsy haripaka isika».


Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.


Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.


Mahari-po ela i Iaveh sady be hery ary tsy misy meloka avelany fotsiny. Tadio aman-tafio-drivotra no handehanan’i Iaveh, ary rahona no vovoka diaviny.


Ela vao mitezitra i Iaveh, ary sesehena ny hatsaram-pony: mamela ny heloka sy ny fahotana izy, nefa tsy nataony ho tsy manan-tsiny ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra.


Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?


Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,


Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin’ny fiainana ankehitriny, na amin’ny fiainana ho avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra