Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 63:3 - Baiboly Katolika

3 Nanosy irery teo amin’ny famiazam-boaloboka aho, fa tsy nisy na dia iray aza niaraka tamiko, ny avy amin’ny firenena. Dia nanosy azy ireo aho, nentin’ny hatezerako, ary nanitsakitsaka azy aho nentin’ny fahavinirako; nipitika tamin’ny akanjoko ny ranony, ka voalotoko avokoa ny fitafiako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Nanosihosy irery tao amin’ny famiazam-boaloboka Aho fa tsy mba nisy niaraka Tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho ary nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 –Izaho irery no nanosihosy ny famiazam-boaloboka fa tsy nisy niaraka tamiko na dia iray aza ireo olona avy tamin’ny vahoakako. Nanosihosy hafa firenena tamin’ny fahatezerako Aho ary nanitsakitsaka azy tamin’ny fahavinirako; dia nipitipitika tamin’ny fitafiako ny rany ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 –Izaho irery no nanosihosy ny famiazam-boaloboka fa tsy nisy niaraka tamiko na dia iray aza ireo olona avy tamin’ny vahoakako. Nanosihosy hafa firenena tamin’ny fahatezerako Aho ary nanitsakitsaka azy tamin’ny fahavinirako; dia nipitipitika tamin’ny fitafiako ny rany ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; Fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza; Nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho Sy nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako, Dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako, Ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin'ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin'ny fahavinirako, dia nipitipitihan'ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Nanosihosy irery tao amin’ny famiazam-boaloboka Aho fa tsy mba nisy niaraka Tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho ary nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 63:3
18 Rohy Ifampitohizana  

Mamatotra ny zanak’ampondrany amin’ny voaloboka izy ary ny zanak’ampondravaviny amin’ny tahom-boaloboka. Sasàny amin’ny divay ny fitafiany, ary amin’ny ran’ny voaloboka ny kapaotiny.


dia nataony hoe: «Azerao atỳ ambany izy io!» Dia nazeran’ireo izy, ka nifantsitsìtra tamin’ny rindrina sy ny soavaly ny rany, ary nohosen’i Jehò tamin’ny tongony izy.


Aforeto amin’ny fijerinao fotsiny ny mpiavonavona; montsàny eo am-pitoerany ny ratsy fanahy.


Tsy Ianao izay efa nanary ahy va, ry Andriamanitra, Ianao, ry Andriamanitra izay efa tsy niara-nivoaka tamin’ny tafikay intsony.


Fa andron’ny tabataba, fanosihosena, fahaverezan-kevitra ity, ka nalefan’ny Tompo Iavehn’ny tafika, ho any amin’ny Lohasahan’ny fahitana; ravana ny manda, misy dradradradra re eny an-tendrombohitra eny.


Fa ny tanan’i Iaveh hipetraka amin’ity tendrombohitra ity; ary i Moaba kosa, hohosihosena an-toerana, toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.


Hohosena amin’ny tongotra ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima.


Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra Izy, ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany; ny famaliana no nataony akanjo fiadiana, ary nihodidina tamin’ny fahasaro-piaro, toy ny amin’ny kapaoty izy.


Nentin’ny hatezerako aho nanamontsana ny firenena; nataoko leon’ny fahavinirako izy ireo; ary nataoko nandriaka tamin’ny tany ny rany.


Nalain’ny Tompo avokoa ny mahery rehetra, izay teto afovoako; niantso tafika hamely ahy Izy, nanorotoro ny zatovo lahiko; nohosihosen’ny Tompo, toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka, ny virjiny, zanaka vavin’i Jodà.


Hahita izany anie ikala fahavaloko, ka ho safo-kenatra anie izy, dia izy ilay nanao tamiko hoe: Aiza izay Iaveh Andriamanitrao? Hibanjina azy ny masoko: amin’izao dia hohitsakitsahina izy, toy ny fotaka eny amin’ny arabe.


Izy ireo ho toy ny mpiady mahery, manitsaka ny fotaka eny an-dalambe amin’ny ady; hiady izy ireo, satria omban’i Iaveh, ka hahasafo-kenatra an’ireo mitaingin-tsoavaly.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra