Ry sakaiza, fantatrao ve fa tena faly Andriamanitra rehefa mitandrina ny fonao ianao ary manokatra ny vavanao hivavaka sy hidera Azy? Tian’Andriamanitra mihitsy rehefa mitantara ny fahagagana nataony sy ny asany tsy tambo isaina isika. Tsy tia lainga sy fitaka anefa Izy.
Tsy tiany koa ny olona manao ratsy sy manaratsy ny namany. Zavatra maharikoriko eo imason’i Jehovah izany. Ny fitenenan-dratsy, ny fifandirana, ny fisarahana, ny fanozonana, ny fimonomononana, ireo rehetra ireo dia miteraka fatorana mafy. Matetika izany dia vokatry ny tsy fahazotoana mamaky ny tenin’Andriamanitra sy ny famelana ny ratsy handoto antsika.
Ny lela dia manan-kery hanasoa na hanimba. Koa aoka ho malina isika amin’izay lazaintsika. Raha sendra diso fiteny isika, dia zava-dehibe ny mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra sy miala amin’izany fimonomononana izany mba tsy hahavery antsika ny famonjena.
Tian’Andriamanitra ho loharanom-pitahiana isika, ary ny tenintsika ho toy ny rivotra malefaka amin’ny fanahy. Mila miala amin’ny fimonomononana isika, mangataka amin’i Jesosy mba hanasa antsika amin’ny rany masina, miala amin’ny ratsy, mitandrina ny vavantsika, ary mianatra mangina rehefa ilaina izany.
Aoka isika ho fitahiana ho an’izay manodidina antsika, ary aoka ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika ny maha-kristianina antsika. Tadidio fa mahavita ny zavatra rehetra isika ao amin’i Kristy izay mampahery antsika. Aza kivy fa aza matahotra.
mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,
«Aza manely tsaho tsy marina. Aza manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka.
Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian’ireny mpanao izany,
Raha tsy eo ny kitay, maty ny afo: halaviro ny mpitati-bolana, mitsahatra ny fanditra.
Ny tsy mivavaka manomana ny fandringanana ny namany, amin’ny vavany; fa ny marina dia hovonjena amin’ny fahaizana.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana.
ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitr’i Iaveh, satria reny ny fimonomononanareo tamin’i Iaveh, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo?» Hoy koa i Môizy: «Ho hitanareo izany amin’ny hanomezan’i Iaveh anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina, satria ren’i Iaveh ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay, izahay moa no inona? Tsy izahay no iharan’ny fimonomononanareo fa i Iaveh ihany.»
fa tsy misy olona nahafolaka ny lela na dia iray aza. Zava-mandoza tsy laitra tohanana izy, sady feno poizina mahafaty.
tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra.
Ny mpifosa manambara ny zavatra afenina; fa ny olona mahatoky kosa, mitana izany tsy hiseho.
Ny ratsy fanahy mihaino izay molotra ratsy; ary ny mpandainga no mampandry sofina amin’izay lela ratsy.
Iza no olona mankamamy ny aina, iza no maniry andro lava hanaranam-po amin’ny fahasambarana?
«Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity? Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko.
Aza manely fanaratsiana eo amin’ny firenenao. Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ran’ny namanao. Izaho no Iaveh.
Izay mamafy fifosana manambara zavatra miafina; ka ialao tsara rehefa olona miteniteny lava.
Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony. Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.
Aza mifampimonomonona, ry kristianina havako, fandrao dia helohina ianareo. Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby.
ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho, momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,
Nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna tao an’efitra ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra. Nefa tsy nihaino an’i Môizy izy fa nisy namela ho tra-maraina, ka sady niloaka olitra izany no maimbo. Tezitra tamin’izy ireo i Môizy. Isa-maraina izy ireo no nanangona ny mana, samy araka izay fihinany avy; fa rehefa mafana ny andro, dia levona niempo. Tamin’ny andro fahenina nanangona indroa toraky ny fihinany izy ireo, roa gômôra isan’olona. Nanatona an’i Môizy ny filohan’ny vahoaka rehetra nanambara izany taminy ka nilazany hoe: «Izany no nasain’i Iaveh atao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an’i Iaveh; ka endaso amin’ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina». Dia navelan’izy ireo notahiriziny ho tra-maraina izay sisa, araka ny tenin’i Môizy, nefa tsy maimbo na niloaka olitra. Ary hoy i Môizy: «Hano anio izay, fa andro sabata fankalazana an’i Iaveh, ka anio ianareo tsy hahita eny an-tsaha. Amin’ny andro enina no hakanareo izany, fa amin’ny andro fahafito izay sabata dia tsy hisy». Tamin’ny andro fahafito nivoaka haka ihany ny sasany tamin’ny vahoaka saingy tsy nahita. Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? Jereo ange: noho i Iaveh nanome anareo ny sabata, dia omeny mofo ampy indroa andro ianareo, amin’ny andro fahenina. Koa samia mitoetra eo amin’ny fitoerany ianareo, fa aza misy mivoaka hiala amin’ny toerana misy azy amin’ny andro fahafito.» Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: «Inay anie izahay mba matin’ny tanan’i Iaveh tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandrapahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo atỳ an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.»
Ary i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Môizy noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy.
ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny, ka matin’ny Anjely mpandringana izy ireny.
Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra: «Ahoana no mba anononanao ny lalàko, sy anaovanao am-bava ny fanekeko, izay ianao olona mankahala fifehezana, sy manifika ny teniko any ivohonao?
Nimonomonona tany an-dainareo ianareo, nanao hoe: Ny fankahalan’i Iaveh antsika no nitondrany antsika nivoaka tany amin’ny tany Ejipta mba hanolorany antsika ho eo an-tanan’ny Amôreana, sy handringanany antsika.
Hofongorako, ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina. Ny olona misolanandrana sy bontsinin’ny hambom-po, tsy ho tohako.
Aza asianao raharaha loatra izao teny lazaina rehetra izao; fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao. Satria fantatry ny fieritreretanao fa matetika dia efa nanozona ny sasany koa ianao.
Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;
Ka ahoana àry ity ianao no mitsara ny mpiray finoana aminao; ahoana àry izato ianao no dia maneso ny mpiray finoana? Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaràn’Andriamanitra ihany isika rehetra,
Teo ihany anefa ny vahoaka main’ny hetaheta, ka nimonomonona tamin’i Môizy nanao hoe: «Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin’ny bibinay?»
Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo. Ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
Ary lazaiko aminareo, fa amin’ny andro fitsarana, dia hampamoahina ny olona amin’izay teny foana rehetra nolazainy, fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.»
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Aza mifanaratsy, ry kristianina havana. Izay manaratsy ny havana iray finoana aminy, na mitsara an’ireny, dia manaratsy ny Lalàna, sy mitsara ny Lalàna. Ary izay manaratsy ny Lalàna dia tsy mba mpankatò ny Lalàna, fa mihambo ho mpitsara azy.
Milaza fahendrena ny vavan’ny marina; ary manambara ny rariny ny lelany, ny lalàn’ny Andriamaniny dia ao am-pony, tsy mba solafaka ny diany.
Aza manozona ny mpanjaka, na ao an-tsainao aza; aza manozona ny manam-pahefana, na eo an’efitrano fandrianao aza; fa ny voromanidina hitondra ny feonao; ary ny biby manana elatra hanely ny teninao.
Izany no hiraisanareo tetika hiodina amin’i Iaveh, ianao sy ny tarikao rehetra! Ary i Aarôna moa no inona, no izy no imonomononanareo?»
Aza vonoina ireny, fandrao hadinon’ny vahoakako, fa ampirenireneo amin’ny herinao izy, dia haongano, ry Tompo, ampinganay!
Toy izany koa ianao, ry olona, na zovy na zovy ianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra ianao; fa amin’ny fitsarànao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa ianao, satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.
Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà dia havela ianareo.
Izay manarona ny hadisoana no mitady fihavanana; fa izay mampahatsiaro azy amin’ny teniny mampisaraka ny mpisakaiza.
Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy: «Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran’io?» Nony mba misy mamangy ahy, lainga no hany avoakany, faharatsiana no angonin’ny fony; nony mivoaka avy eo indray izy dia miteny eny ivelany.
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo; na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy? Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy! Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery? Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Aza manalavitra ahy Ianao fa akaiky ny fahoriana, satria tsy misy olona tonga hamonjy ahy. Itangoronan’ombalahy maro aho; temeran’ny maherin’i Basàna aho.
Niteny nanohitra an’Andriamanitra izy nanao hoe: «Hahavoatra latabatra atỳ an’efitra va Andriamanitra?
ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: «Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atỳ an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.»
Araka ny fantatrareo rahateo, ry havako malala, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra. Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra.
Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky. Mifampilaza lainga no ataon’ny olona; molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.
Nirehitry ny fahalianana ny benahoana tafaharo tamin’i Israely; ary rafitra nitomany indray koa aza ny zanak’i Israely nanao hoe: «Iza re no mba hanome hena hohaninay? Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe sy ny tongolon-kova. Izao kosa maina ny aina; tsy misy na inona na inona intsony; tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay.»
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Aza atao indray mandripaka amin’ny ratsy fanahy aho, amin’ireo mpamorona heloka, izay miresaka fihavanana amin’ny namany, kanjo hasomparana no ao am-pony.
Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao, naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao, ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho, momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.
dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ady hevitra aman’ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
Mamazivazy izy, miresaka haratsiana sy halozana, manonona teny an’avona. Ny vavany, entiny mamely ny lanitra aza, ary ny lelany miasa eto an-tany.
I Kôre, zanak’i Isaara, zanak’i Kaata, zanak’i Levỳ, miaraka amin’i Datàna sy i Abirôna, zanak’i Eliaba, ary i Hôna, zanak’i Feleta, izay zana-dRobena, Nampandrosoiny ho akaiky Azy ianao, mbamin’ny rahalahinao rehetra, ny zanak’i Levì miaraka aminao, ka dia mitsiriritra ny ho mpisorona koa ve? Izany no hiraisanareo tetika hiodina amin’i Iaveh, ianao sy ny tarikao rehetra! Ary i Aarôna moa no inona, no izy no imonomononanareo?» Dia nampiantso an’i Datàna sy i Abirôna i Môizy, fa hoy ireo: «Izahay tsy hiakatra. Tsy ampy va ny namoahanao anay tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an’efitra, no dia manangan-tena ho lehibenay koa ianareo? Eh, tsy tany tondra-dronono sy tantely no nitondranao anay; tsy saha aman-tanimboaloboka no natolotrao ho fanananay! Heverinao hopotsirina angaha ny mason’ireto olona ireto? Izahay tsy hiakatra.» Tezitra indrindra i Môizy, ka hoy izy tamin’i Iaveh: «Aza asianao raharaha akory izay fanatitr’ireo, fa tsy mba naka tamin’ireo aho, na dia ampondra iray aza, ary tsy nisy nasiako ratsy ireo na dia iray aza.» Hoy i Môizy tamin’i Kôre: «Rahampitso ianao sy ny tarikao rehetra mitoera eo anatrehan’i Iaveh, dia izy ireo sy ianao mbamin’i Aarôna. Samia maka ny fanembohana ianareo; ka asio zava-manitra, ary samia mitondra ny fanembohanareo ho eo anatrehan’i Iaveh, dia ho fanembohana 250 izany; ary ianao sy i Aarôna koa dia samy hitondra ny fanembohanareo.» Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy, mbamin’i Môizy sy i Aarôna. Nantsoin’i Kôre ho eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an’i Môizy sy i Aarôna. Dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Iaveh. ary nikomy teo anatrehan’i Môizy izy ireo, dia lehilahy 250 amin’ny zanak’i Israely, filohan’ny fiangonana, sy voafidy hanatrika ny fivorian’ny mpanolo-tsaina ary olona manan-daza. Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe: «Mialà eo afovoan’ity fiangonana ity ianareo, handringanako azy indray mihelina monja.» Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?» Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe: «Mitenena amin’ny fiangonana, lazao hoe: Mihataha ianareo rehetra, mialà amin’ny manodidina ny lain’i Kôre sy i Datàna ary i Abirôna.» Nitsangana nankeo amin’i Datàna sy i Abirôna i Môizy ary nisy nanaraka azy ny loholon’i Israely. Ary niteny tamin’ny fiangonana Izy, nanao hoe: «Manalavira ianareo ny lain’ireto olon-dratsy ireto, ary aza mikasika izay azy, na inona na inona, fandrao dia ringana koa ianareo, azon’ny fahotany rehetra.» Nihatahan’ny olona ny manodidina ny fonenan’i Kôre sy i Datàna ary i Abirôna. Dia nivoaka i Datàna sy i Abirôna, ary nitoetra teo am-baravaran’ny lainy, niaraka tamin’ny vady aman-janany sy ny zafiny. Hoy i Môizy: «Izao no hahafantaranareo fa i Iaveh no naniraka ahy mba hanao ireny zavatra rehetra ireny, fa tsy avy amiko izany. Raha toy ny fahafatin’ny olona rehetra ihany no hahafaty an’ireo olona ireo, ary raha sahala amin’ny an’ny olona rehetra ihany no hanjò azy, dia tsy i Iaveh no naniraka ahy. Nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aoka izay fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan’izy ireo i Iaveh. Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Iaveh?»
Aza asianao raharaha loatra izao teny lazaina rehetra izao; fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao.
Ary zovy moa ianao no mitsara ny mpanompon’ny hafa? Na mijoro na lavo izy, dia asan’izy tompony izany. Sady hijoro koa izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo.
Ny lela koa dia afo; fototry ny haratsiana maro izy. Eo amin’ny rantsam-batantsika, dia izy no mandoto ny tenantsika manontolo; arehitry ny gehen’afo izy, ka mandrehitra ny fandehan’ny andro iainantsika.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Izy ireo nanamavo ny tanim-pahafinaretana tsy nino ny tenin’i Iaveh. Nimonomonona tao an-dainy, ary tsy nanaiky ny feony izy ireo.
Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby. Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany, isam-pianakaviany avy, eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran’i Iaveh. Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’i Iaveh hoe: «Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity? Izaho va no torontoronina an’ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy? Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay. Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao, fa mavesatra amiko loatra. Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.» Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Anangony 70 lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao. Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy. Izao no lazao amin’ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina ianareo, fa nitomany ka ren’ny sofin’i Iaveh ianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! Koa homen’i Iaveh hena ianareo, dia hihinananareo izany. Tsy andro iray, na roa, na dimy, na folo, na roapolo no hihinananareo izany, Dia nibabababa tamin’i Môizy ny vahoaka, ary i Môizy nifona tamin’i Iaveh, ary maty ny afo. fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?» Hoy i Môizy: «Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra. Ny omby aman’ondry va no hovonoina ho azy ireo, mba ho ampy ho azy sa ny hazan-drano rehetra any an-dranomasina no hangonina, mba ho ampy ho azy?» Dia hoy ny navalin’i Iaveh an’i Môizy: «Fohy loatra va ny tanan’i Iaveh? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako.» Dia nivoaka i Môizy, ka nilaza ny tenin’i Iaveh tamin’ny vahoaka, ary nanangona 70 lahy tamin’ny loholon’ny vahoaka izy, sy nandahatra azy manodidina ny trano lay. Nidina teny amin’ny rahona i Iaveh dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany. Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin’izy ireo ny fanahy; anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy. Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: «Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada.» Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: «Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy.» Fa hoy ny navalin’i Môizy azy: «Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’i Iaveh, ary hataon’i Iaveh ao aminy ny fanahiny.» Noho ny afon’i Iaveh nirehitra tamin’izy ireo, dia nomena anarana hoe Tabeerà io fitoerana io.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Izay mitady ny aiko mamela-pandrika; izay mikendry ny fahoriako manonona fandrahonana, tontolo andro izy misaina tetik’ady. Izaho izany efa tahaka ny marenina tsy mahare; efa tahaka ny moana izay tsy mahaloa-bava.
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,
Haniraka famonjena avy any an-danitra ho ahy koa Izy; - fanalam-baraka no atolotry ny mpanenjika ahy! - Selà Haniraka ny hatsaram-pony amam-pahamarinany Andriamanitra.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho?
Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso Anao; fa aoka ho an’ny ratsy fanahy ny henatra. Aoka izy hidina mangina any amin’ny Seoly.
Ny lela mpilaza ny marina haharitra mandrakizay; fa ny lela fandainga kosa, ho voakorokoro poa toy izay.
Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony; ozona amam-pangidiana no mameno ny vavany;
Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy; ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin’adala.
Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony.
Ny vavan’ny adala, misy tsora-kazom-piavonavonana; ny molotry ny hendry kosa miaro ny tenany.
satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo, ary tsy natoky ny famonjeny. Kanefa nandidy ny rahona any ambony Izy, ary nanokatra ny varavaran’ny lanitra.
Tezitra ny mpianany nony nahita izany ka nanao hoe: «Nahoana re iny no lanìna foana toy izao?
Aza atao indray mandripaka amin’ny ratsy fanahy aho, amin’ireo mpamorona heloka, izay miresaka fihavanana amin’ny namany, kanjo hasomparana no ao am-pony. Valio araka ny asany ireny, sy araka ny haratsian’ny asa nataony; valio araka ny vitan’ny tanany izy; omeo azy ny tamby tandrify azy.
ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: «Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atỳ an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.» Ary i Iaveh tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely.
Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy, ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga, ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana. Ry Andriamanitra ô, nandrotsaka oram-pahasoavana Ianao: trotraka ny lovanao, dia nomenao aina indray. Nandefa biby Ianao, ka nirotsaka tao izy ireo. Noho ny hatsaram-ponao dia nanomananao hanina ny ory. Nampandre ny teniny ny Tompo; antokom-behivavy maro no milaza ny fandresena. Mandositra, mandositra, ireo mpanjakan’ny tafika, ary mizara ny babo kosa ilay vehivavy mitoetra an-trano. Raha nandry teo amin’ny valan’ondry ianareo; rakotra volafotsy ny ela-boromahailala ary namirapiratra toy ny famirapiratry ny volamena ny volony. Nony naelin’ny Tsitoha ny mpanjaka eo amin’ny tany, dia latsaka teo Selmôna ny oram-panala. Ry tendrombohitr’Andriamanitra, ry tendrombohitr’i Basàna, ry tendrombohitra avo tampona, ahoana no ijerenareo amim-pialonana? Eny, hitoetra ao mandrakizay i Iaveh. Ilay kalesin’Andriamanitra dia ireo an’arivony, an’arivony. Avy any Sinaia ho ao amin’ny fitoerany masina ny Tompo. Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony, ary handositra ny Tavany, ireo mankahala Azy.
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Tsy izany ihany no andidiako anareo, fa mba misy tsy iderana anareo, dia ny iangonanareo tsy hihatsara fa hiharatsy. Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana ianareo, dia misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany; satria tsy maintsy misy an-daniny maro eo aminareo, mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.
Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona! Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta, ary ny fanahy noana novokisany soa.