Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 14:29 - Baiboly Katolika

29 Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo. Ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Etỳ amin’ity tany efitra ity no hiampatramparan’ny fatinareo. Ary ianareo rehetra izay voaisa araka ny nanisana anareo, dia izay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Ho faty ka hiampatrampatra amin’ity taniefitra ity ianareo. Ianareo rehetra izay nanaovana fanisana, dia ny roapolo taona no ho miakatra fahizany, no ho faty satria efa nimonomonona tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Ho faty ka hiampatrampatra amin’ity taniefitra ity ianareo. Ianareo rehetra izay nanaovana fanisana, dia ny roapolo taona no ho miakatra fahizany, no ho faty satria efa nimonomonona tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Etỳ amin’ity efitra ity no hiampatramparan’ny fatinareo; ary hianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Etỳ amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Etỳ amin’ity tany efitra ity no hiampatramparan’ny fatinareo. Ary ianareo rehetra izay voaisa araka ny nanisana anareo, dia izay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:29
13 Rohy Ifampitohizana  

Ka dia nanainga ny tanany Izy hamely azy ireo, handringana azy any an’efitra:


Ka nataony levona toy ny fofon’aina ny androny, ary notaperiny tampoka ny taonany.


Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin’ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin’ny tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.


Ny zanak’i Israely rehetra izay nisaina araka ny fokom-pianakaviany avy, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra amin’i Israely izay mahatàm-piadiana,


ny voaisa rehetra dia nisy 603.550.


Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia.


Fa ireny efa nilazan’i Iaveh hoe: Ho faty any an’efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin’ireny, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.


Tsy sitrak’Andriamanitra anefa ny ankabeazan’izy ireny, fa lambam-bary tany an’efitra.


Valo amby telopolo taona no naharetan’ny diantsika hatrany Kadesa-Barne ka hatramin’ny nitantsika ny ranon-driaka Zareda, dia mandra-pahalany ritra tsy hisy eo an-toby intsony ny mpiantafika rehetra tamin’izany taranaka izany, araka ny efa nianianan’i Iaveh tamin’izy ireo.


Iza no nahatezitra Azy, nandritra ny efapolo taona? Moa tsy ry zareo nanota va, ka niampatrampatra tany an’efitra ny fatiny?


Satria efapolo taona no nandehanan’ny zanak’i Israely tany an’efitra, mandra-pahalàny ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ka efa nianianan’i Iaveh taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin’ny razanay homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely.


Tiako ny hampahatsiaro anareo ny zavatra efa renareo taloha, fa nony efa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny vahoakany, dia naringany indray izay tsy nino tatỳ aoriana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra