Ry namako, andeha isika hiresaka kely momba ity resaka fanompoan-tsampy ity. Ao amin'ny Eksodosy 20:4-5, dia mazava tsara ny tenin’Andriamanitra hoe: “Aza manao saritra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin’ny lanitra ambony, na izay ety ambonin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro”. Hitantsika eto fa Andriamanitra dia Andriamanitra mahery sady saro-piaro. Tsaroany koa ny heloky ny ray aman-dreny amin’ny zanany hatramin’ny zafiny fahatelo sy fahefatra amin’izay mankahala Azy.
Fantaro tsara fa ny fanompoan-tsampy dia fanompoana andriamanitra disy nataon’olombelona. Efa hatramin’ny taloha no niezahan’ny devoly naka ny toeran’Andriamanitra ka nitarika ny olona ho amin’ny fanompoan-tsampy. Ireo izay manao izany dia tsy manompo olo-masina na virijiny akory, fa i Satana mivantana. Tena fahotana lehibe tokoa izany, ary raha tsy mibebaka isika, dia mety hitarika antsika any amin’ny afobe mandrakizay.
Koa aoka ho tsapantsika fa Andriamanitra irery ihany no tokony hivavahantsika sy hiankohofantsika eo anatrehany. Izy irery ihany no Tsitoha, namorona ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao aminy. Aza matoky sarivongana vita amin’ny tanimanga, hazo, na metaly, satria tsy afaka manampy na miaro anao ireny.
Mivavaha mba hanomezan’i Jesoa fahazavana anao hahafantaranao ny marina ka hanafaka anao tanteraka amin’ny fanompoan-tsampy. Enga anie ka ny anaran’Andriamanitra irery ihany no hivavahantsika sy hankalazantsika.
«Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra, ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.»
Aza mitodi-doha amin’ny sampy; ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
Aza manana andriamani-kafa eo anatrehako. «Aza manao sarin-javatra voasikotra, na izay mety ho endriky ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na etỳ amin’ny tany ambany, na any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany na manompo azy, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra, amin’izay mankahala Ahy;
mba tsy ho tonga mpanompo sampy ianareo, toy ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe: Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao;
Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, manan-tsofina fa tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo, manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory. Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy!
Nisy fiantsoana nataoko tamin’izy ireo; nefa izy niamboho. Nanolotra sorona amin’ny Baala izy, sy emboka ho an’ny sampy.
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,
Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
«Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran’andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.»
Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena eo an-daniko ianareo.
«Aza manaraka andriamani-kafa, amin’izay andriamanitry ny firenena hanodidina anareo. Fa i Iaveh Andriamanitrao, izay eo afovoanao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka dia hirehetan’ny fahatezeran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, sy hofongarany eto ambonin’ny tany.
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra ianareo, fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona,
Dia hamoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy ireo Aho, noho ny haratsiany rehetra, fa nandao Ahy izy ireo, dia nanolotra emboka tamin’andriamani-kafa, ary nivavaka tamin’ny asan-tanany.
fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.
Inona no asan’izay sarin-javatra voapaika, no mipaika azy ny mpamorona azy, na ny sampy anidina sy ny mpanambara lainga, no matoky izay asan-tanany ny mpamorona azy, amin’ny fanamboarana andriamanitra moana?
tsy an-kijanona sy manatrika, izay manao sorona eny amin’ny zaridaina, mandoro emboka eny ambony biriky;
Nony hitan’ny vahoaka fa efa naharitra ela i Môizy nefa mbola tsy nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aarôna izy, ka nanao taminy hoe: «Ndeha anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona.» Koa ankehitriny avelao Aho, aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.» Nifona tamin’i Iaveh Andriamaniny anefa i Môizy ka nanao hoe: «Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin’ny vahoakanao, izay navoakanao avy amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery? Nahoana no dia hahazoan’ny Ejiptianina hilaza hoe: Ny namoahany azy dia hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany. Koa ialao re ny fahatezaranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao. Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny Tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay.» Dia nanenenan’i Iaveh ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany. Ary i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa, voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa. Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasikotra tamin’ny takelaka. Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe: «Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.» Fa hoy ny navalin’i Môizy: «Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany fa feon’olona mihira no reko.» Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra. Ary hoy i Aarôna tamin’izy ireo: «Esory àry ny kavim-bolamena, eny an-tsofin’ny vadinareo aman-janakareo lahy na vavy, ka ento atỳ amiko.» Ary nalainy ilay zanak’omby nataon’izy ireo, nodorany tamin’ny afo, notorotoroiny hanjary vovony, ary nafafiny tao anaty rano ny vovony, ka nampisotroiny ny zanak’i Israely. Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Fa nataon’ity vahoaka ity ahoana ianao no dia notsindrianao heloka be vava toy izao izy?» Hoy i Aarôna namaly azy: «Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko. Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin’ny ratsy ity vahoaka ity. Izao no nolazain’izy ireo tamiko: Anaovy andriamanitra izahay hialoha lalana anay, fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray izy na naninona na naninona. Dia hoy aho tamin’izy ireo: Samia àry mahafoy ny azy izay manam-bolamena. Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo, dia io zanak’omby io no nivoaka avy ao.» Dia hitan’i Môizy fa nanarana tsy voafehy intsony ny vahoaka satria nampanaranin’i Aarôna tsy voafehiny, ka efa namela azy ho zary fihomehezan’ny fahavalony izy. Ka dia nijanona teo am-bavahadin’ny toby i Môizy, nanao hoe: «Mbà tonga atỳ amiko izay momba an’i Iaveh.» Ary ny zanak’i Levì rehetra nivory nankeo aminy. Ka hoy izy tamin’ireo: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Samia ianareo manao ny sabany eo am-balahany avy, ka mandehana mamakivaky ny toby, hatramin’ny vavahadin’ny toby anankiray, ka hatramin’ny anankiray, dia samia mamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny havany avy.» Notanterahin’ny zanak’i Levì ny didin’i Môizy, ka nahafatesana sahabo ho telo arivo ny lehilahy tamin’ny vahoaka androtr’izay. Dia hoy i Môizy: «Samia manokan-tena amin’i Iaveh ianareo anio, fa efa samy namely ny zanany aman-drahalahiny avy, mba hanomezany tso-drano anareo anio.» Dia samy nanesotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny avokoa ny olona ka nitondra azy teo amin’i Aarôna. Nony ampitso hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Efa nahavita heloka be vava ianareo, ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin’i Iaveh aho, fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.» Dia niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Indrisy, efa nahavita heloka be vava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo. Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.» Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin’ny bokiko. Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.» Nokapohin’i Iaveh ny vahoaka noho ny nanaovany ny zanak’omby izay nataon’i Aarôna. Noraisiny tamin’ny tanan’izy ireo izany, dia namboariny tamin’ny fandraka ny volamena ka namoronany zanak’omby anidina. Ary hoy izy ireo: «Ry Israely, io no andriamanitra izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.» Nony nahita izany i Aarôna dia nanao ôtely teo anoloan’ilay sary ka niantso hoe: «Hisy fety fankalazana an’i Iaveh rahampitso.» Nifoha vao maraina koa izy ireo nony ampitso, ka nanolotra sorona dorana sy nanatitra sorona fisaorana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary nitsangana hilalao.
Raha mbola niandry azy ireo tany Atena i Paoly, dia nangorakoraka ny fanahiny, nahita ity tanàna feno sampy.
Nijery aho, ka indreo ianareo fa efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitrareo; nanao zanak’omby anidina ho anareo ianareo, ary nivily haingana niala tamin’ny lalana nasain’i Iaveh nalehanareo. Koa noraisiko ny takelaka roa, dia tanako no nanjera azy, ary namakivaky azy teo imasonareo aho.
Hampitahainareo amin’iza Aho, ary ataonareo sahala amin’iza? Hampitahafinareo amin’iza Aho ka hitovy izahay?
Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an’i Môlôka ny zanakao; aza mametaveta ny Anaran’ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh.
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy; mana-maso fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mahare izy, tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany. Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy, na iza na iza mitoky aminy!
Rehefa ho voaringan’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena amin’izay tany halehanao mba handroaka azy eo anoloanao, ka efa voatosikao izy, ka ianao no honina amin’ny taniny: Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza. dia mitandrema fandrao voafandrika ianao maka tahaka azy, rehefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr’izy ireo ianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te hanao toy izany koa aho. Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.
Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena; hazo nokapaina tany an’ala, taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra, sary tamin’ny fandraka, ka ravahana amin’ny volafotsy sy volamena. Homboana amin’ny fantsika, velezina amin’ny tantanana izany, mba tsy hihetsiketsika, Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hahatonga loza aminy, tsy ho azony idifiana. Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.
Ry zanak’olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan’ny tavany: ka hety hanontanian’ireo va Aho? Noho izany, mitenena aminy ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na zovy na zovy, amin’ny taranak’i Israely manangana ny sampin-doza ao am-pony, sy manao eo anoloan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha sendra manatona ny mpaminany izy io, dia Tenako Izaho Iaveh no hamaly azy, araka ny tandrifin’ny sampiny maro, mba hahavoazako ny taranak’i Israely amin’ny fony satria efa nivily niala tamiko izy mbamin’ny sampin-dozany rehetra.
Fa mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra efa nofidinareo, ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahoriana».
Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Koa raha taranak’Andriamanitra àry isika, dia tsy tokony hino fa ny fomban’Andriamanitra dia mitovy amin’ny volamena, na ny volafotsy, na ny vato izay nataon’ny tanana amam-pahaizan’ny olombelona.
Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.
feno soavaly ny taniny, ka tsy hita isa ny kalesiny. Feno sampy ny taniny, ary miankohoka eo anatrehan’ny asan-tanany izy ireo, dia eo anatrehan’ny zavatra narafitry ny rantsan-tanany.
Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh taorian’ny nahafatesan’ireo zanak’i Aarôna roa lahy, izay novonoina tamin’izy nanatona ny Tavan’i Iaveh.
Fa amin’izany andro izany no hanaovana ny fanonerana ho anareo, mba hanadiovana anareo, ka hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra, eo anatrehan’i Iaveh ianareo.
mandrara tsy hijangajanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina;
Mitenena amin’ny zanak’i Israely hoe: Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, ka efa any amin’ny tany Kanaana, dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasikotra, mbamin’ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra;
Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.
Koa nanompo sampy izy ireo, nefa izany no nilazan’i Iaveh taminy hoe: «Aza manao izany ianareo.»
Ary hoy Aho tamin’izy ireo: Samia ianareo manary ny sampin-doza tsy ho eo anatrehany; aza mandoto tena amin’ny fahavetavetan’i Ejipta: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.
Mihainoa, ry vahoakako, fa misy fananarana hataoko anao; enga anie ka hihaino ahy ianao, ry Israely.
Ny reharehan’ny olona, haongana, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany. Ny sampy ho foana avokoa.
Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao ireo antontan’andriamanitrao! Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo, hindaosin’ny tsotso-drivotra! Fa izay matoky Ahy no handova ny tany, sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.
Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona; menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny, satria fitaka foana ny sampiny fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny. Zava-poana ireny, asa mamitaka foana; ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana.
Ka naidiko tamin’izy ireo ny fahatezerako, noho ny ra nalatsany tamin’ny tany, sy noho ny nandotoany azy tamin’ny sampiny vetaveta.
Ahoana no ilazan’ny firenena hoe: «Aiza àry ny Andriamanitr’izy ireo?» Any an-danitra ny Andriamanitsika; izay tiany hatao, vitany avokoa.
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, ataoko afaka aminareo.
Izao koa: Ireo levita nanalavitra Ahy, tamin’ny andro nivilian’i Israely, izay nivily nanalavitra Ahy, mba hanarahany ny sampiny vetaveta, dia hitondra ny helony.
Teo aloha, fony tsy mbola nahalala an’Andriamanitra ianareo, dia nanompo andriamanitra tsy izy tokoa. Fa ankehitriny kosa efa nahalala an’Andriamanitra ianareo (na hoe: Andriamanitra no nahalala anareo), ka ahoana no dia ireny fampianarana malemy sy tsy misy na inona na inona ireny indray no iverenanareo sy tianareo hotompoina?
Mbola tsy manana izany fahalalana izany avokoa anefa ny olona rehetra, fa ny sasany mbola manao ny sampy ho zavatra toy ny taloha ihany, ka nony mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy, dia voaloto ny kônsiansiny, satria mbola malemy.
Aoka ianareo tsy ho voasakan’olona tsy hahazo ny lokan’ady, amin’ny fitaomana anareo ho amin’ny fanetren-tena tsy izy, sy amin’ny fanompoana ny Anjely, dia olona mitompo amin’ny zavatra hitany, hono, sady feno fiavonavonana erỳ ao amin’ny fisainany manaraka ny nofo,
Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.
Nanompo ny sampin’ireny, izay tonga fandrika ho azy. Nataony sorona ho an’ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy. Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana, ka ny tany voaloton’ny vonoana olona. Izy ireo nandoto tena tamin’ny asany, ary nitolo-tena tamin’andriamani-kafa.
Ny zanaka manangon-kitay; ny ray mandrehitra afo; ny vehivavy mametafeta koba, hanaovana mofo ho an’ny mpanjaka vavin’ny lanitra, sy hanidina fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba haniratsirana Ahy.
Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy? Rehefa nanao sampy anidina ny mpanao taozavatra dia petahan’ny mpanefy volamena takela-bolamena, sy anaovany tongalika volafotsy anidina. Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany. Ny mahantra tsy manam-be hatolotra mifidy izay hazo tsy mety lo, dia mitady mpiasa mahay zavatra, hanaovany sampy tsy mihozongozona.
Aza mivavaka amin’ny andriamaniny na manompo azy: aza mianatra ny fombany, fa azerao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny.
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja. Na dia maro aza no antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra maro sy Tompo maro), iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.
Raha tsy i Iaveh no vonjiko, dia halaky mitoetra any amin’ny fonenan’ny fanginginana ny fanahiko.
Tsy mahalala na mahafantatra na inona na inona izy ireo, fa voatentina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony koa, ka tsy mahazo an-tsaina.
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
Ampy ny nanarahanareo ny fanaon’ny Jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin’ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra.
Iaveh ô! vao maraina dia mandre ny feoko Ianao; vao maraina dia atolotro Anao ny faniriako ka miandry aho.
Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny andriamanitra hafa izy ireo ary nampahatezitra Azy tamin’ny fahavetavetana. Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy, dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany, andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela, izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.
Dia niditra aho, ka nahita, ary indro, voasoratra teo amin’ny rindrina manodidina avokoa, ny sarin’ny biby mandady amam-biby maloto isan-karazany, mbamin’ny fahavetavetan’ny taranak’i Israely rehetra. Ary nisy 70 lahy, amin’ny loholon’ny taranak’i Israely, ka anisan’ireo i Jezoniasa zanak’i Safàna, ary nitsangana teo anoloan’izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tanany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo. Dia hoy Izy tamiko: «Hitanao va, ry zanak’olona, ity ataon’ny loholon’ny taranak’i Israely ao amin’ny maizina, samy anatin’ny efitranony feno sary avy? Fa hoy izy ireo: Tsy mahita antsika i Iaveh; efa nandao ny tany i Iaveh.»
Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efezy ihany, fa saika eran’i Azia manontolo, dia mitaona olona betsaka hanary ny sampy iny Paoly iny manao hoe: ‹Tsy andriamanitra ireo nataon-tanan’olona›, ka tsy ny taozavatsika ihany no atahorana hatao zava-poana, fa na hatramin’ny tempolin’i Diàna lehibe koa aza ho tonga tsinontsinona, ka ho levona ny voninahitr’izay ivavahan’i Azia manontolo sy izao tontolo izao.»
Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka, na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy; fa miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy, ary amin’izay andro izay ihany, dia levona ny hevitra kasainy
Matahora an’i Iaveh Andriamanitrao, manompoa Azy ary aoka ny Anarany no hianiananao.
Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky.
Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo.
Aza mivavaka amin’andriamani-kafa, fa i Iaveh dia saro-piaro no Anarany; satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,
Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.
Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Koa rehefa tsy nahita endrika akory ianareo, tamin’ny andro nitenenan’i Iaveh taminareo, tao anatin’ny afo tany Horeba, dia tandremo tsara ny fanahinareo, sao dia miharatsy ianareo, ka manao sarin-javatra voasikotra ho anareo, dia sarin-tsampy na inona na inona izany: sarin-dehilahy na vehivavy,
Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.
nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen!
satria Ianao, ry Iaveh, no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra; Ianao dia tafasandratra indrindra ambonin’ny andriamanitra rehetra.
Indro fa tsinontsinona ianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo!»
Hofongoranao eo amin’ny tany ny taranany, ary eo amin’ny zanak’olombelona ny tamingany.
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay, fa ny Anaranao no omeo ny voninahitra noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Efa hitanareo ny loza rehetra nahàtrako tamin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà rehetra, fa indreo izy ankehitriny, fa efa tany lao sy tsy misy mponina intsony, Dia niteny tamin’ny vahoaka rehetra i Jeremia, namelively ny lehilahy sy ny vehivavy sy ireo namaly azy toy izany, ka nanao taminy hoe: «Tsy izany indrindra va no tsaroan’i Iaveh sy tafasondrotra tao am-pony, dia ny emboka manitra nodoranareo tany an-tanànan’i Jodà, sy teny an-dalamben’i Jerosalema, na ianareo sy ny razanareo, na ny mpanjakanareo ama-mpanapaka anareo, na ny vahoaka tamin’ny tany? Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao. Satria ianareo nanolotra emboka manitra sy nanota tamin’i Iaveh, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ny lalàny sy ny fitsipika aman-didiny; dia noho izany no niharan’izao loza manjò anareo izao ianareo, araka izao hita anio izao.» Ka dia hoy i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra sy tamin’ny vehivavy rehetra nanao hoe: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo Jodà rehetra atỳ amin’ny tany Ejipta. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ianareo sy ny vadinareo, samy efa nanambara tamin’ny vavanareo sy nanatanteraka tamin’ny tananareo nanao hoe: ‹Hoefainay tokoa ny voady nataonay, hanolotra emboka manitra sy handraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra.› Aoka àry, ka efao ny voadinareo, aza diso ny manatanteraka ny voadinareo. Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry Jodà rehetra mitoetra atỳ amin’ny tany Ejipta: Indro Aho fa mianiana amin’ny Anarako lehibe, hoy i Iaveh, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’i Jodà eran’ny tany Ejipta intsony, ny Anarako, hatao hoe: ‹Velona i Iaveh Tompo›. Indro Aho miambina azy ireo, hampidi-doza fa tsy soa amin’izy ireo, ka dia ho levon’ny sabatra sy ny mosary avokoa, ny lehilahy amin’i Jodà, mandra-paharingany. Ary izay vitsy kely no ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin’ny tanin’i Jodà, avy atỳ amin’ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr’izay sisa amin’i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay tò teny, na izaho, na izy ireo. Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin’i Iaveh, - fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo. noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin’ny nandehanany hanatitra emboka manitra amam-panompoana amin’izay andriamani-kafa tsy nisy nahalala, na izy, na ianareo, na ny razanareo. Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.» Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.» Kanefa tsy nihaino izy ireo, na nanongilan-tsofina mba hialany amin’ny haratsiany sy tsy hanaterany emboka manitra intsony, amin’izay andriamani-kafa.
Nisy tarehin-tanana natsotrany, dia noraisiny tamin’ny volondohako miolikolika aho, ka naingain’ny Fanahy ho eny anelanelan’ny tany aman-danitra, sy nentiny, tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho any Jerosalema, teo anoloan’ny vavahady anatiny, ilay nitodika mianavaratra, misy ny sampin’ny fialonana, mamelona fialonana.
Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.
Misy lalana miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankamin’ny fahafatesana no iafarany.
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha i Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.» Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
Ny voninahitr’izy ireo, dia natakalony sarin’omby miraoka ahitra. Nohadinoiny Andriamanitra Mpamonjy azy, izay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Inona àry no lazaiko? Moa mba zavatra ihany va ny hena naterina tamin’ny sampy; na moa mba zavatra koa va ny sampy? ary natao batemy tamin’i Môizy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra; Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa;
Izany hazo izany dia ataon’ny olona kitay, misy alainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy anaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany. Ny antsasany dorany tamin’ny afo; ny antsasany andrahoany hena ho azy, manatsatsika hena izy, dia mivoky. Mamindro koa izy ka manao hoe: «Adre! mihamafana aho izany; mahatsiaro ny hafanan’ny afo aho izany!» Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: «Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!»
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.