Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 34:14 - Baiboly Katolika

14 Aza mivavaka amin’andriamani-kafa, fa i Iaveh dia saro-piaro no Anarany; satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Aza miankohoka amin’andriamani-kafa ianareo, satria Izaho TOMPO dia antsoina hoe ‹Ilay mpitandro hasina›, ka Izaho irery ihany no ho Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Aza miankohoka amin’andriamani-kafa ianareo, satria Izaho TOMPO dia antsoina hoe ‹Ilay mpitandro hasina›, ka Izaho irery ihany no ho Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamani-kafa hianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy, –

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 34:14
20 Rohy Ifampitohizana  

Adre! Sahady lahy! Hataon’i Iaveh toy ny fihozongozon’ny volotara ao anaty rano, no famely an’i Israely; hotsoahany amin’ity tany soa nomeny ny razany ity i Israely, ka haeliny any an-dafin’ny ony, satria efa nanao aseraha ho azy izy, ka nampahatezitra an’i Iaveh.


Ka hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»


«Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaram-poko rehetra; ary hotononiko eo anatrehanao ny Anaran’i Iaveh; fa mankasitraka izay ankasitrahiko aho ary mamindra fo amin’izay amindrako fo.»


Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.


mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.


Hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hasian’izy ireny amim-pisafoahana ianao; harasany ny oronao aman-tsofinao; ho lavon-tsabatra ny sisa aminao; hofaohiny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; ho levon’ny afo ny sisa aminao.


Andriamanitra saro-piaro sy mpamaly heloka i Iaveh; mpamaly heloka i Iaveh; sady mahalala fahatezerana; mamaly izay manohitra Azy i Iaveh, sady mitahiry fahatezerana amin’ny fahavalony.


Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»


Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika? Mahery noho Izy va isika?


Hosarahin’i Iaveh amin’ny fokon’i Israely rehetra izy, ka hatolony amin’ny loza, araka ny fanozonana momba ny fanekena voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity.


Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny andriamanitra hafa izy ireo ary nampahatezitra Azy tamin’ny fahavetavetana.


Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.


Fa i Iaveh Andriamanitrareo anie, ka afo mandevona, sy Andriamanitra saro-piaro.


Koa ianao re no aoka hanatona ary hihaino izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika, dia ianao no hilaza aminay izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika aminao, ka hohenoinay sy harahinay izany.


Aza manana andriamani-kafa eo anatrehako.


Fa i Iaveh Andriamanitrao, izay eo afovoanao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka dia hirehetan’ny fahatezeran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, sy hofongarany eto ambonin’ny tany.


Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Tsy mahatompo an’i Iaveh ianareo, fa Izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro; tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo.


Hoy Aho taminareo: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amôreana, izay onenanareo ny taniny. Kanjo tsy nihaino ny feoko ianareo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra