Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 34:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Aza miankohoka amin’andriamani-kafa ianareo, satria Izaho TOMPO dia antsoina hoe ‹Ilay mpitandro hasina›, ka Izaho irery ihany no ho Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Aza miankohoka amin’andriamani-kafa ianareo, satria Izaho TOMPO dia antsoina hoe ‹Ilay mpitandro hasina›, ka Izaho irery ihany no ho Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Aza mivavaka amin’andriamani-kafa, fa i Iaveh dia saro-piaro no Anarany; satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamani-kafa hianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy, –

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 34:14
20 Rohy Ifampitohizana  

Ny TOMPO hamely ny Israelita ka hampipararetra azy toy ny volotara hetsiketsehan’ny rano sady hanongotra azy amin’ity tany soa izay nomeny ny razany ity ary hanely azy any an-dafin’ny ony Eofrata, satria nanao tsatokazo fanajana an’i Aserà izy ka nampahatezitra ny TOMPO.


Dia hoy ny navaliny: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; ary dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ahy koa izy.


Dia novalian’ny TOMPO hoe: –Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo.


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


Noho ny fahatezerako aminao dia havelako hanao herisetra aminao ireo: hotapahiny ny oronao sy ny sofinao ary hovonoiny ho faty amin’ny sabatra ianao. Halainy ho babo ny zanakao lahy sy ny vavy fa holevonin’ny afo kosa ireo olona sisa tavela aminao.


Andriamanitra sarotiny sy mpanafay ny TOMPO. Manafay tokoa ny TOMPO ary mahatsiravina ny fahatezerany; eny, manafay izay manohitra Azy ny TOMPO, ary mirehi-kavinirana amin’ny fahavalony.


Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao!»


Sa te hampahasaro-piaro ny Tompo ve isika? Mihevitra ho mahery noho Izy Tompo ve isika?


Dia havahan’ny TOMPO tsy ho anisan’ny foko israelita rehetra intsony izy; ary ho loza ho azy izany, araka ny ozona rehetra izay raketin’ny fanekempihavanana voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity.


Andriamani-kafa no nampitoviny lanja tamin’ny Tompo, zava-maharikoriko no naniratsirany Azy;


Ireo no nampitovy lanja Ahy tamin’andriamani-tsiizy sy naniratsira Ahy tamin’ny sampy tsinontsinona. Izaho kosa hampitovy lanja azy amin’izay tsy vahoaka akory; firenena adala no hampanaratsiako azy.


Fa afo mandevona tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo; eny, Andriamanitra saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Azy Izy.


ka nitondra ny teninareo tamiko hoe: «Indro efa nampahitan’ny TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany izahay sady efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa tsapanay androany fa itenenan’Andriamanitra ny olona saingy mbola velona aina ihany.


«Aza manana andriamani-kafa ianao, fa Izaho ihany.


satria Andriamanitra saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Azy ilay TOMPO Andriamanitrareo Izay eo afovoanareo. Koa tandremo fandrao hirehitra aminareo ny fahatezeran’ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hofongorany tsy ho eto ambonin’ny tany ianareo.


Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: –Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy, ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman’otanareo.


Ary nambarako taminareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ka tsy tokony hatahoranareo ny andriamanitry ny Amôrita eo amin’ny tany izay onenanareo nefa tsy nihaino Ahy ianareo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra