Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 34:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Koa aza manao fanekempihavanana mihitsy amin’ny mponina amin’izany tany izany. Rehefa manao fanompoam-pivavahana sy manolotra sorona amin’ireo andriamaniny manko izy, dia hanasa anareo handray anjara, ka hihinana amin’ireo sorona fanaony koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fandrao ianao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ny andriamaniny, na koa hanasa anao izy ka hihinana amin’ny fanatiny ianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Koa aza manao fanekempihavanana mihitsy amin’ny mponina amin’izany tany izany. Rehefa manao fanompoam-pivavahana sy manolotra sorona amin’ireo andriamaniny manko izy, dia hanasa anareo handray anjara, ka hihinana amin’ireo sorona fanaony koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Koa aza manao fanekena amin’ny mponina amin’ny tany, fandrao, rehefa mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny sy manolo-tsorona aminy, dia asainy koa ianao sy hihinana amin’ny sorony;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 kandrao hianao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ny andriamaniny izy, ary hasainy hianao ka hihinana amin’ny fanatiny;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 fandrao ianao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin'ny fanatiny;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 34:15
36 Rohy Ifampitohizana  

Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase dia nivadika tamin’ilay Andriamanitry ny razany ka nanompo ny andriamani-kafan’ny firenena tompon-tany izay efa naringan’Andriamanitra teo anoloany.


Ny zavatra ilain’ny mpisorona ao Jerosalema dia omena azy isan’andro isan’andro tsy tapaka: na ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry hanaovana sorona dorana manontolo ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra, na koa ny varimbazaha sy sira na divay sy menaka, samy araka ny fandaharana ataon’ireo mpisorona.


Koa aza manome ny zanakavavinareo ho vadin’ny zanakalahiny, na maka ny zanakavaviny ho vadin’ny zanakalahinareo. Aza mitady izay hampiadana azy na hahasoa azy na oviana na oviana; izany no handrosoanareo ho mahery ka hiarananareo amin’ny voka-tsoan’izany tany izany sy hamelanareo azy ho lovan’ny taranakareo hatrany hatrany.›


Tao Pehôra dia nanolo-tena ny razanay hanompo ny sampy Bahala sady nihinana ny hena natao sorona ho an’ny andriamanitra maty.


Indro very izay mihataka aminao ary aringanao izay rehetra mandao Anao.


«Izay manao sorona ho an’andriamani-kafa, afa-tsy amin’ny TOMPO irery ihany, dia haringana.


«Aza mampijaly na mitsentsitra ny vahiny izay mipetraka ao aminareo, satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.


Aza manao fanekempihavanana amin’ireo na amin’ny andriamaniny.


Nalaky nivily hiala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: «Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!»


Ary hoy ny TOMPO hoe: –Hanao fanekempihavanana aminareo Aho. Eo anatrehan’ny vahoakanao manontolo no hanaovako zava-mahagaga tsy mbola nisy toa azy teto ambonin’ny tany manontolo sy tamin’ny firenena rehetra; ho hitan’ireo Israelita rehetra manodidina anao fa tena mampitolagaga ny asa hotanterahiko amin’ny alalanao.


Tandremo tsara mba tsy hanao fanekempihavanana amin’ny mponina amin’ny tany izay hidiranareo, fa ho fandrika ho anareo izany.


Nijangajanga tamin’ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin’ny nataony.


Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko; ary ny tehiny no manoro hevitra azy. Fa rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka eo aminy ka mampania azy. Koa dia lasa nivaro-tena niala tamin’Andriamaniny izy.


Ry Israely ô! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon’ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an’Andriamanitrao ianao tamin’ny fivarotan-tena nataonao sy tamin’ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny.


Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.


Hitondra akanjo misy somotraviavy ianareo; koa raha mijery izany ianareo, dia hahatsiaro ny didiko rehetra ary hanatanteraka izany, ka tsy hety havilin’ny fonareo sy ny masonareo amin’ny fanompoan-tsampy.


Nitoby tao Sitima ny Israelita ka nanomboka nijangajanga tamin’ny vehivavy môabita,


izay nitarika azy hanao sorona amin’ireo andriamaniny.


Fa aoka hanoratantsika izy ka hangatahina tsy hihinana ny hena maloto natao sorona tamin’ny sampy, tsy hanao fifandraisana mamoafady ara-panambadiana, tsy hihinana ny henam-biby tsy nosomindaina, ary hifady ny ra.


Raha asain’ny tsy mpino hisakafo ianareo, ka manaiky hankany, dia hano izay arosony anareo fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretanareo.


Satria raha ianao izay manam-pahalalana no hitan’ny malemy ara-pinoana mihinana ao amin’ny trano fanompoan-tsampy, moa tsy hampirisika azy ao amin’ny fieritreretany koa ve izany hihinana ny hena natao sorona tamin’ny sampy?


Koa azo hanina ve ny hena natao sorona tamin’ny sampy? Fantatsika fa tsinontsinona ny sampy eo amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy ilay Andriamanitra tokana.


Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona. Ny sasany, zatra nanatona ny sampy taloha, dia voarohin’izany mandraka ankehitriny, ka homana ny hena toy ny zavatra natao sorona tamin’ny sampy; osa ny fieritreretany, ka dia voaloton’izany hanina izany.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin’ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana izay nataoko taminy.


Eny, hafeniko aminy tokoa ny tavako amin’izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony tamin’ny niviliany hanaraka andriamani-kafa.


Amin’izay i Israely hitenenan’ny Tompo hoe: «Aiza ireo andriamani-kafa nataonareo ho vatolampy fialofana?


Ireo no nihinana ny sabora soronareo sy nisotro ny divay fanatitrareo. Aoka ireo hitsangana hamonjy anareo ary ho fierena ho anareo!


Rehefa hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny ka horesenareo, dia ataovy ringana tanteraka. Aza manao fanekempihavanana aminy na mamindrafo aminy.


Aza mampifanambady ny zanakareo aminy; ny zanakavavinareo tsy homenareo ho vadin’ny zanakalahiny, ary ny zanakavaviny tsy halainareo ho vadin’ny zanakalahinareo.


Fa raha tàhiny miodina aminy ianareo ka mikambana amin’ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo, raha mifanambady aminy ianareo ka mifangaro aminy,


Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy.


Kanefa ny Israelita tsy nankatò ihany koa ireo mpitsara azy, fa nandeha nanao fanompoan-tsampy tamin’ireo andriamani-tsiizy ka niankohoka teo anatrehany. Nalaky niala ny lalana izay nizoran’ireo razany tamin’ny fankatoavana ny didin’ny TOMPO izy, fa tsy mba nanahaka azy.


Ary naka ny zanakavavin’ireny ho vadiny izy sady nanome ny zanany vavy ho vadin’ny zanakalahin’ireny, ka nanompo ny andriamani-tsiizy nifikirany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra