Alahady, andro masina natokana ho an’ny Tompo. Andro hankalazana sy hiderana Azy any am-piangonana miaraka amin’ireo rahalahy sy ranabavy amiko. Mahafinaritra erỳ izany fiarahana izany! Tsapanao koa ve?
Hoy ny Salamo 133:1 hoe: “Indreto, akory ny hatsaran’izany sy ny mahafinaritra izany, raha miray trano tahaka ny mpirahalahy ny olona!” Tena mahafaly an’Andriamanitra ny fiarahantsika mivavaka sy mianatra ny teniny.
Aza ataontsika tahaka ny sasany izay tsy miraharaha ny fiangonana intsony fa aoka isika hiezaka hatrany handeha any an-tranon’Andriamanitra sy hitandrina ny Alahady. Hoy mantsy ny Salamo 84:10: “Fa tsara indray andro eo an-kianjan’ny tranona noho ny arivo andro any an-kafa; aleoko miandry varavarana eo an-tranon’Andriamanitro toy izay mitoetra ao amin’ny lain’ny ratsy fanahy.” Marina tokoa izany, sa tsy izany?
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!
Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.
Fa izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra; ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Izao ihany, matahora an’i Iaveh ary manompoa Azy marina, amin’ny fonareo rehetra. Satria jereo ange ireo zava-dehibe nataony teo aminareo!
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:
Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy mifanasa tongotra;
Ary ianao, ry Salômôna, zanako, mahalalà ny Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo mazava sy amin’ny fanahy mazoto, fa i Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hety ho hitanao Izy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitrapo, satria tamim-po mazava no nanaovany an’izany fanatitra izany ho an’i Iaveh. I Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin’izany.
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
I Iaveh Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; tandremo ny didiny, ekeo ny feony; manompoa Azy, ary mifikira aminy.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»
Manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao Aho ary hampanalaviriko anao ny aretina.
Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe: «Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay?» Ka hoy aho: «Inty aho; iraho aho.»
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
ary izay te ho lohany aminareo, no aoka ho andevonareo. dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Fa noana Aho nomenareo hanina, nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina, nivahiny Aho nampiantranoinareo, tsy nitafy Aho notafianareo, narary Aho novangianareo, tany an-tranomaizina Aho notsidihinareo. Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroina? Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafianay? Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an’i Iaveh dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Iaveh.
Kanefa tandremo tsara ny hanaraka ny fitsipika aman-dalàna nandidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh anareo, ka tiava an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandehana amin’ny lalany rehetra, mitandrema ny didiny, miraiketa fo aminy, ary manompoa Azy amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra.»
Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Koa izay manompo an’i Kristy amin’izany no ankasitrahin’Andriamanitra, sy ankatoavin’ny olombelona.
fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra, amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.
Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao»
fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren’ny Jody ahy.
Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa; monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany. Milaza fahendrena ny vavan’ny marina; ary manambara ny rariny ny lelany, ny lalàn’ny Andriamaniny dia ao am-pony, tsy mba solafaka ny diany. Ny ratsy fanahy mitsikilo ny marina, ka mitady izay hahafaty azy; fa i Iaveh tsy mahafoy azy ho eo an-tanany; ary tsy manameloka azy, raha avy izay hitsarana azy. Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany, dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao; raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany. Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin’ny fanaperam-pahefana aho, nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy. Nandalo aho dia tsy teo intsony izy; nitady azy aho fa tsy hita intsony izy. Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy: fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana, Fa ny mpikomy kosa haringana avokoa; ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorana. Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy. I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
ary manompoa amim-pitiavana, toy ny manompo ny Tompo fa tsy ny olombelona; satria fantatrareo marina fa isam-batan’olona, na andevo na olona afaka, dia samy hovalian’Andriamanitra soa, amin’izay soa nataony avy.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atỳ aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika Izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahin’Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana Azy.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany.
Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara. Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amen.
Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy asio fahalalana; ny fahalalana asio fahalalana onony; ny fahalalana onony asio fandeferana; ny fandeferana asio fitiavam-bavaka; ny fitiavam-bavaka asio fitiava-namana; ny fitiava-namana asio fitiavana an’Andriamanitra. Fa raha manana avokoa ireo zavatra ireo ianareo, sady manam-be, dia tsy havelan’ireo ho malaina na tsy hahavokatra ho amin’ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Fantatro avokoa ny asanao, ny finoanao, ny fitiavanao, ny fiantranao, ny fandeferanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
Fantatro ny asanao. Fa manan-kery kely ihany ianao, ka nitandrina ny teniko sy tsy nandà ny Anarako; koa indro, varavarana mivoha tsy misy mahahidy no nataoko teo anoloanao.
Koa indreo izy eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, manompo Azy andro aman’alina ao an-Tempoliny, ary hamponenin’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao an-tranony.