Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 9:14 - Baiboly Katolika

14 mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 mainka fa ny ran’i Kristy, izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 mainka fa ny ran’i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 mainka fa ny ran’i Kristy, izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 9:14
76 Rohy Ifampitohizana  

ka mainka raha olona ratsy fanahy no namono olona tsy manan-tsiny, any an-tranony, eo am-pandriany, tsy maintsy hitaky eo amin’ny tananareo ny rany aho sy hamongotra anareo amin’ny tany!»


Ry Iaveh ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa; ry Iaveh ô, ahirato ny masonao, ka mijere. Henoy ny tenin’i Senakeriba izay naniraka haniratsira an’Andriamanitra velona.


koa mainka izay zava-betaveta sy ratsy fanahy, izay olombelona misotro ota toy ny fisotro rano!


fony i Natàna mpaminany nankao aminy, nony efa nandeha tamin’i Betsabea izy.


Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.


Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.


Natao iray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy; ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty, nefa tsy mba nanao ny tsy marina, ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.


Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’ny volana voalohany, ny andro voalohan’ny volana, mangalà vantotr’ombalahy tsy misy kilema, ka manaova fanonerana ho an’ny fitoerana masina.


Aza manatitra izay manan-kilema fa tsy hankasitrahina izany.


«Amin’ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an’i Iaveh dia vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;


Lazao aminy hoe: izao no sorona atao amin’ny afo, haterinareo ho an’i Iaveh. «Isan’andro, zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, ho sorona dorana tsy tapaka:


«Amin’ny andro sabata kosa, dia zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, no haterinao, ary lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.


Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra ihany kosa no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.


Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: «Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.»


dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»


Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy?


fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra,


Diniho ange ny goaika e: tsy mamafy izy na mijinja, ary tsy manan-trano fitahirizan-kanina, na toeram-bary, fa Andriamanitra no mamelona azy, ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?


Koa raha toy izany àry no ampitafian’Andriamanitra ny ahitra izay eny an-tsaha anio nefa hariana any am-patana rahampitso, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?


«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,


Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.


hatramin’ny andro nampiakarana Azy, nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Apôstôly izay nofidiny.


dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.


Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin’ny lalana tiany izy;


nataony tsy nisy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony.


Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,


ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty, araka ny fanahin’ny fahamasinana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,


Koa raha ny fahalavoany no tonga haren’izao tontolo izao, ary ny nihenàny no zary haren’ny Jentily, hanao ahoana re ny hafenoany?


Fa ianao tsy tena rantsany aza, fa nalaina tamin’ny fototr’ôliva naniry ho azy, azo natsofoka amin’ny fototr’ôliva tsara, ka mainka ny tena rantsany no ho azo atsofoka amin’ny fototr’ôliva nanapahana azy!


ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.


Ary ankehitriny kosa, rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo.


i Adama lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa i Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona.


Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!


Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.


satria noho ny Lalàna no nahafatesako ny amin’ny Lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho. Niara-nofantsihana tamin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana aho,


na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);


Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.


Raha manan-kilema anefa izy, fa mandringa na jamba na misy kilema ratsy hafa na inona na inona, dia aza atolotra ho sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao,


Aza atao sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao ny omby na zanak’ondry manan-kilema na misy takaitra, satria fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.


Fa fantatro ny ditran’ny fonao sy ny hamafy hatokao; amin’izao aho mbola velona eo aminareo izao aza, efa niodina tamin’i Iaveh ianareo, ka mainka izany fa rehefa maty aho.»


Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao; mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy, sady milaza hoe: Aringano.


Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany.


Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atỳ aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,


Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.


satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.


Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.


Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.


ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.


fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;


Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona, satria rehefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany.


dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.


Ny finoana no nitsofan’i Jakôba rano ny zanak’i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, sy nivavahany niankina tamin’ny loha tehiny.


Ary toy izany koa ny nijalian’i Jesoa tany ivelan’ny vavahady, mba hanamasinany ny olona amin’ny Rany.


dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona;


Koa aoka hapetratsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’izay lavorary kokoa isika, dia ny tsy haverintsika indray ireny foto-kevitra fanorenana ireny: dia ny fibebahana miala amin’ny asa maty, ny finoana an’Andriamanitra,


tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana,


ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.


sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay.


raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.


fa tamin’ilay faharoa kosa, dia ny mpisorom-be irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra ra izay natolony noho ny hadisoan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka koa.


Ary fanoharana tandrifin’ny andro ankehitriny izany, izay manambara fa ny fanatitra aman-tsorona natolotra fahizàny, dia tsy nahalavorary izay nanolotra azy, raha ny ao am-po no heverina.


fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,


dia Izy, Ilay tsy nanota akory, na mba niloa-bava hilaza fitaka velively;


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.


mba tsy handaniany ny andro sisa hiainany amin’ny nofo, araka ny danin’ny kibon’olombelona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.


Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.


Fantatrareo anefa fa Izy no niseho dia mba hanala ny fahotana; ary tsy mba misy ota ao aminy.


ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,


Dia hoy i Davida tamin’ireo olona teo anilany: «Ahoana sy ahoana avy ange no hatao amin’izay mahafaty io Filistinina io, ka mahafa-tondromaso an’i Israely? Zinona izay Filistinina; ilay tsy mifora io no dia hanala baraka ny tafiky ny Andriamanitra velona!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra