Andriamanitra mampianatra antsika ao amin’ny teniny fa voarara ny mangalatra, fahotana melohin’ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’ny olombelona. Tsy misy fialan-tsiny na valisoa ho an’izay mangalatra, fa sazy no miandry azy. Koa diovy ny fonao amin’ny ratsy rehetra ary aza manaraka ny lalan-dratsy izay mitondra any amin’ny fahafatesana.
Tsy misy soa ho anao ny mangalatra, fa toy ny mametraka tady amin'ny tendanao ihany. Na kely na lehibe izay halatrao, ny fangalana izay tsy anao dia efa mahatonga anao ho meloka. Tsy misy fialan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra, na inona na inona zavatra ilainareo.
Noho izany, izao no tsara ho anao: "Izay nangalatra taloha, aoka tsy hangalatra intsony; fa aoka kosa hiasa amin'ny tànany, hanaovany ny tsara, mba hisy homeny izay tsy manana." Tsy tian’i Jesosy hangalatra amin’olona ianao, fa tian’i Jesosy ho malala-tanana sy hanan-javatra hozaraina amin’olona foana ianao. Koa miasà mafy, ary aza atao tsinontsinona ny fananan’ireo izay efa niasa mafy hahazoana izany.
Na dia tsy tratra tamin’ny halatra voalohany aza ianao, ho hita eo ihany ny zava-drehetra ary mety higadra an-taonany maro ianao. Eritrereto izay mahasoa ny fiainanao, aza manaiky ho resin’ny fakam-panahy ary aza avela hamitaka anao ny toe-javatra misy anao. Mitadiava an’Andriamanitra, satria amin'ny famindram-pony tsy manam-pahataperana, Izy no hamaly soa anao araka ny hareny sy ny voninahiny.
Aza latsaka amin'ny fandriky ny devoly, mitadiava fanampiana, avelao ireo fahazaran-dratsy ireo ary avelao ny feon'ny Fanahy Masina hitarika anao. Aza mandika ny didin’Andriamanitra, mijoroa tsara amin'ny teniny dia ho hitanao fa Izy no hamelona anao isan'andro.
Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.
Ny harena azo aman-keloka, tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana mamonjy amin’ny fahafatesana.
Aza endahanao ny mahantra noho izy mahantra, ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady. Fa i Iaveh hiaro azy ireny amin’ny adiny; sy hanala aina an’izay nanendaka an’ireny.
Dia hoy izy tamiko: «Io no ozona mivoaka ho eo ambonin’ny tany rehetra; fa araka ny voasoratra ao, izay rehetra mangalatra, hosorohina hiala eto; ary araka ny voasoratra ao, izay rehetra mianiana hosorohina hiala eto. Izaho no nandefa izany ozona izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ka ho tonga ao amin’ny tranon’ny mpangalatra sy amin’ny tranon’ny mianiana tsy tò amin’ny Anarako, dia hitoetra ao afovoan’izany trano izany ary handevona azy mbamin’ny hazony sy ny vatony.»
na mpanao asam-pijangajangana amin’ny tenany samy irery, na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra, na kahihitra, na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.
«Didy inona avy?» hoy izy. Dia hoy i Jesoa: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina,
Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy;
Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe: «Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy.»
Aza endahanao ny mahantra noho izy mahantra, ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady.
Ny fon’izy ireo tsy mihontsina hoatra ny sabora, izaho kosa mahita ny fahafinaretako ao amin’ny lalànao.
nefa, mampianatra ny sasany ianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany;
tsy hangala-tety, fa hiseho ho olo-mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin’ny zavatra rehetra ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika.
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
ary ny tsy hisian’olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;
Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.
«Raha misy olona mangalatra omby na zanak’ondry, ka mamono izany na mivarotra, dia honerany omby dimy ny omby iray ary zanak’ondry efatra ny zanak’ondry iray.» «Raha misy olona manome omby na ondry na biby hafa anankiray hotahirizin’ny namany, ka maty ilay biby na tapaka, na misy naka nefa tsy nisy nahita, dia ny fianianana amin’i Iaveh no hampanaovina amin’izy roa tonta hahalalàna raha noraisin’ny tanany ny fananan’ny namany, ary hanaiky izany ny tompom-biby, dia tsy hanonitra itsy anankiray. Raha tao aminy anefa no nangalarana ny biby, dia tsy maintsy manonitra amin’ny tompom-biby izy. Ary raha voaviraviram-biby masiaka ny biby, izay sisa tsy laniny no hoentiny ho vavolombelona, dia tsy hanonitra ilay biby voaviravira izy.» «Raha misy olona mindram-biby amin’ny namany, ka tapaka na maty ilay biby tsy teo anatrehan’ny tompony, dia hisy onitra; fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, tsy hisy onitra. Ary raha biby nohofany, dia ny hofany no ho solon’ny onitra». «Raha misy lehilahy manakojikojy zazavavy tsy voafofo ka mandry aminy dia handoa ny hajam-bolany izy ka hanambady azy. Ary raha lavin-drainy ny hanambadiany azy, dia ny vola fanome amin’ny zazavavy virjiny no haloany». «Aza velomina izay zazavavy mpanao ody. «Ataovy maty izay olona miray amin’ny biby. «Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavela izy ka maty, dia tsy misy valin-dra amin’izany; «Ataovy anatema izay manolotra sorona amin’ny andriamanitra, fa tsy amin’i Iaveh irery. «Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianao. «Aza manao izay hampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty; fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao, dia hitaraina amiko izy, ka hohenoiko ny fitarainany; hirehitra ny fahatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo; ary ny vadinareo ho mpitondra tena, ny zanakareo ho kamboty.» «Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao, amin’ny mahantra eo aminao, aza mitsangan-ko mpanana vola aminy, aza maka zana-bola aminy.» «Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro, fa iny no hany firakofany, iny no fitafiana anaronany ny tavany, ka inona ary no hoentiny mandry? Raha mitaraina amiko izy, hohenoiko ny fitarainany, fa antra olona aho.» «Aza miteny ratsy an’Andriamanitra, na manozona ny filohany amin’ny firenena». «Aza milasilasy amin’ny fanaterana amiko ny voaloham-bokatry ny varinao sy ny voalobokao. Atolory ahy ny lahy matoa amin’ny zanakao lahy. fa raha efa niposaka kosa ny masoandro dia hisy valin-dra ihany. Hanonitra ny mpangalatra; raha tsy manana na inona na inona izy dia ny tenany no amidy ho onitr’izay nangalariny; Ataovy toy izany koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao; hafitoana no hiarahany amin-dreniny dia haterinao ho ahy izy amin’ny andro fahavalo.» «Ho olona masina ho ahy ianareo; aza mihinan-kena voaviraviram-biby hita any an-tsaha, fa atsipazo ho an’ny amboa ireny.» ary raha mbola tratra velona eo an-tanany izay nangalariny, na omby na ampondra na ondry, dia honerany avo sasaka».
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.
Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
Manome rariny an’izay ampahorîna, manome hanina an’izay noana; i Iaveh manafaka an’izay voababo;
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
«Aza manely tsaho tsy marina. Aza manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka.
«Raha misy olona azo nangalatra ny anankiray amin’ny rahalahiny ao amin’ny zanak’i Israely ka nanandevo azy, na nivarotra azy, dia hoheloin-ko faty izany mpangalatra izany. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.
Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsirirì-javatr’olona, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin’ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Izay mandroba ray aman-dreny, ka manao hoe: «Tsy fahotana izany», dia naman’ny jiolahy.
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Nahoana no hatahotra aho, amin’ny andron’ny fahoriana, raha manodidina ahy ny haratsian’ny mpanenjika ahy? Ireny dia mitoky amin’ny hareny, mirehareha amin’ny haben’ny ananany!
Ka raha namafy ny zava-panahy taminareo izahay, dia zava-dehibe ve raha mba mijinja ny anananareo araka ny nofo kosa?
Raha mirehareha ny ratsy fanahy dia ny mahantra no levona; izy ireo dia voan’ny teti-dratsy noforonon’io.
Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy, ary inona moa no soa azon’ny tompony amin’izany, afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny?
Raha mahita mpangalatra ianao, dia vary lena ianao sy izy, ary miombona amin’ny mpaka vadin’olona ianao.
Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»
Ny lehibenao mpikomy, sy naman’ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin’ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.
Ny asa rehetra mitera-piadanana; fa ny teniteny foana kosa, mamarina amin’ny tsy fahampiana.
ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho, momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,
Ny ratsy fanahy maniry ny rembin’ny ratsy fanahy, fa ny fakan’ny marina kosa, mahavokatra.
Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin’ny lalany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
Ny harena azo tsy an-drariny, mihalevona; fa ny manangona azy tsikelikely no mampitombo azy.
Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: «Ary izahay kosa, inona no mba tokony hataonay?» Dia hoy ny navaliny azy: «Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo.»
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa.
Mirehareha amin’ny fitsiriritany ny ratsy fanahy; manamavo an’i Iaveh ny mpandroba mandoza.
ary raha misy te hiady aminao mba hahazahoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te hisambotra aminao.
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao.
Fa Andriamanitra kosa, hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny Seoly, fa handray ahy ho any aminy Izy. - Selà Aza matahotra àry, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.
Nifidy an’i Davida mpanompony Izy, ary nanesotra azy any am-balan’ny ondry; naka azy teny am-piandrasana reniondry, mba hiandry an’i Jakôba vahoakany, sy i Israely lovany. Dia nitarika azy araka ny fahitsian’ny fony, i Davida, ary nitondra azy tamin’ny tanana kinga.
aza mampahory ny mpitondratena, na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misain-dratsy ao am-ponareo, hamelezana ny namanareo.»
«Ireo no teny nolazain’i Iaveh tamin’ny fiangonanareo rehetra tamin’ny feo mahery, tany an-tendrombohitra, tao anatin’ny afo sy ny rahona, ary ny haizim-pito, ka tsy nampiany na inona na inona. Nosoratany tamin’ny takelaka vato roa natolony ahy ireo.
Aleo ny kely ananan’ny olo-marina, toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro; fa ny sandrin’ny mpanao ratsy, ho tapatapaka; ary ny olo-marina kosa hotohanan’i Iaveh.
«Raha misy nametra-bola na fanaka hotahirizin’ny namany, ka nangalarin’ny sasany tao an-tranon’ity namany izany: raha hita ny nangalatra dia hanonitra avo sasaka,
Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy, tsy zanaka, tsy rahalahy, kanefa aza lava tsy misy farany ny azy, ary tsy afa-dian-karena ny masony: Ho an’iza àry ity iasako, sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko? Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy.
Mamela-pandrika toy ny hihaza remby izy, ary mampitombo isa ny mpivadika ao amin’ny olombelona.
Tsy ho voan’ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra, fa hianjeran’ozona kosa, izay mihirim-belona.
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Mankahala ny fanahiny, izay miara-mizara amin’ny mpangalatra, fa mandre ny fanozonana izy, nefa tsy milaza na inona na inona.
Izay mamily ny mahitsy fo, ho amin’ny lalan-dratsy, dia mandatsaka ny tenany amin’ny lavaka nohadiny, fa ny tsy misy tsiny dia handova ny fahasambarana.
Aoka ho lasan’ny tompon-trosa ny ananany rehetra, ary aoka hofaohin’ny olon-kafa ny vokatry ny asany!
Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona. Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra, ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana. Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra. Efa renareo ny niaretan’i Jôba; ary efa hitanareo koa ny nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany. Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra. Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry kristianina havako, dia aza mianiana akory, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia, mba tsy hiharan’ny fitsarana aminareo; Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana. Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo. Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary; dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany. Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po. I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana; ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany. Ry kristianina havako, raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana, ka misy anankiray mampibebaka azy, Ny harenareo efa lo; ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao; dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka. ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina; ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo toy ny afo. Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo.
Izay mandeha amin’ny rariny, sy miteny amin’ny hitsiny; izay tsy mety mandray harena azo an-keriny, izay manifikifi-tanana tsy handray kolikoly; izay manentsin-tadìny amin’ny resaka handatsa-dra, mitampi-maso tsy hahita ny ratsy;
Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony; ozona amam-pangidiana no mameno ny vavany;
Dia hoy Izy tamin’ireo: «Efa voasoratra hoe: ‹Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana› fa ianareo kosa manao azy trano fandrian-dompy.»
izay milaza hoe: «Mankahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?»
Ny hatezeran’ny ratsy fanahy mampivaona azy; satria efa tsy tiany ny hanaraka ny rariny.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikô, azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. Toy izany koa ity levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: ‹Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho.› Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?» Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: «Ilay niantra azy» «Mandehana àry, hoy i Jesoa taminy, ka manaova toy izany koa.»
Ny ratsy fanahy misambotra, nefa tsy mamerina, fa ny marina kosa be antra ka manome. Izay tahin’i Iaveh hanana ny tany; izay ozoniny dia hofongorana.
Ny tenona ataony tsy azo itafiana; ary ny taozavany tsy azo irakofana; fa asa mahameloka ny asany, ary asa mandoza no ao an-tanany.
Ny fahatsoran’ny olo-mahitsy fo mitari-dalana azy, fa ny fiolikoliky ny mpamadika kosa, mandringana azy.
Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny.
Ny hatsaram-pon’ny olona no manambara azy ho mahafatra-po, ary aleo ny mahantra toy izay ny mpandainga.
Azerao impito eo an-tratran’ireo mifanila toerana aminay, ny fanaratsiana nafitsony Anao, Tompo ô!
Sambatra ny olona hanao izany, sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany, ka hitandrina ny sabata, tsy handika azy, sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Efa nania, efa tonga ratsy avokoa izy, tsy misy iray akory manao ny tsara, na dia iray monja ihany aza.
fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny mampahory ny mahantra no mampitombo harena azy; ny manome ny manan-karena no mampihena ny ananany.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Olombelona va no sahy hanambaka an’Andriamanitra, no hanambaka Ahy ianareo? - Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nanambakanay Anao? - Tamin’ny fahafolon-karena sy ny anjara atokana.
«Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika any an-kafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
Aiza ka dia avy mandainga, mamono olona, maka vadin’olona, mianian-tsy tò, manemboka an’i Baala, ary manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo ianareo!
Tsy misy manafòka ny mpangalatra mandroba hialany hanoanana, raha tsy manan-kohanina izy;
«Raha misy olona mangalatra omby na zanak’ondry, ka mamono izany na mivarotra, dia honerany omby dimy ny omby iray ary zanak’ondry efatra ny zanak’ondry iray.»
Toy ny fangaihain’ny mpangalatra azo an-tanana no fangaihain’ny taranak’i Israely, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ama-mpaminaniny,
Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao.»
Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza.