Isaia 56:2 - Baiboly Katolika2 Sambatra ny olona hanao izany, sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany, ka hitandrina ny sabata, tsy handika azy, sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manamavo azy sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA2 Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko sy mifikitra mafy amin’izany, ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy, ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko sy mifikitra mafy amin’izany, ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy, ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, Ary ny zanak’olona izay mitana izany, Dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina Sady miaro ny tànany tsy hanao izay ratsy akory. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory. Jereo ny toko |
Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin’i Iaveh hoe: mendrika hohajaina. Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;