Ohabolana 16 - Baiboly KatolikaAnatra samihafa 1 Ny mamorona fikasana ao am-po no an’ny olona; fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Iaveh. 2 Madio eo imason’ny olona ny lalany rehetra; fa i Iaveh ihany no mandanja ny fanahy. 3 Mangataha fanampiana amin’i Iaveh amin’ny asanao; dia ho vanona ny fikasanao. 4 Nataon’i Iaveh ho amin’ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra; ary na ny ratsy fanahy aza ho amin’ny andro mahory koa. 5 Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy. 6 Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka; ary ny fahatahorana an’i Iaveh no analavirana ny ratsy. 7 Raha sitrak’i Iaveh ny lalan’ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy. 8 Aleo kely ombam-pahamarinana toy izay harem-be omban’ny tsy fahamarinana. 9 Ny fon’ny olona no misaina izay halehany, fa i Iaveh ihany no mitondra ny diany. 10 Teny tò no eo amin’ny molotry ny mpanjaka; aoka tsy hanota ny vavany raha mitsara izy. 11 Avy amin’i Iaveh ny mizàna aman-delany mahiratra, asany avokoa ny vato-mizàna amin’ny kitapo. 12 Fahavetavetana amin’ny mpanjaka ny manao ratsy; fa ny rariny no iorenan’ny seza fiandrianana mafy. 13 Mahita sitraka amin’ny mpanjaka, ny molotra marina; ary tiany izay miteny amim-pahatsoram-po. 14 Iraky ny fahafatesana ny fahatezeran’ny mpanjaka; ny olon-kendry anefa dia mahatony izany. 15 Mampiaina ny fahamiramirànan-tarehin’ny mpanjaka; ary toy ny oran-dohataona ny fanambinany. 16 Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana. 17 Ny manalavitra ny ratsy no lalam-ben’ny marina; ny mitandrina ny alehany no miaro ny ainy. 18 Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana. 19 Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika, toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona. 20 Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny; ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh. 21 Izay hendry am-po dia antsoina hoe manan-tsaina; ary ny hamamian’ny molotra mampitombo ny fahalalana. 22 Loharanon’aina ho an’izay manana azy ny fahalalana; ary ny sazy ho an’ny adala dia ny fahadalany. 23 Manolo-pahendrena ny vavany, ny fon’ny hendry, sady mampitombo ny fahalalana eo amin’ny molony. 24 Ny teny soa dia toho-tantely: mamin’ny fanahy sy mahasalama ny vatana. 25 Misy lalana miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankamin’ny fahafatesana no iafarany. 26 Miasa no an’ny tenany ny mpiasa, fa asesiky ny vavany hanao izy. 27 Loza no vononin’ny ratsy fanahy; ary toa afo miredareda no eo amin’ny molony! 28 Ny olon-dratsy mamelona adiady, ary ny mpitati-bolana mampisaraka ny mpisakaiza. 29 Ny olona mpanao an-keriny manodòka ny namany, ka mitarika azy amin’ny lalana tsy tsara. 30 Izay mikimpy maso hieritreri-pitaka, sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy. 31 Satroboninahitra ny volo fotsy; ary eo amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahitana azy. 32 Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny. 33 Ny olona manipy ny filokana amin’ny soron’akanjo, fa avy amin’i Iaveh ihany izay fanapahana rehetra. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society