Zava-dehibe ny mihaino an'Andriamanitra. Asainy isika mba hankatò Azy. Raha tia Ahy ianareo, hoy Izy, dia hitandrina ny didiko. (Jaona 14:15) Fomba iray anehoanao ny fitiavanao an'Andriamanitra ny fankatoavana. Hitondra fitahiana ho anao izany. Toy ny anao mamaly soa ny zanakao rehefa mankatò anao, dia toy izany koa Andriamanitra aminao. Mahafaly ny ray aman-dreny ny zanaka mankatò azy. Rehefa mankatò ny rainy ny zanaka, dia faly izy, ary toy izany koa Andriamanitra rehefa mankatò Azy isika.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.» «Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy,
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, dia nataoko faty antoka noho ny amin’i Kristy. Eny, mbola ataoko faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fako, fako foana ny zavatra rehetra,
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny Hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, sy amin’ny fanahinao manontolo, sy amin’ny sainao manontolo, ary amin’ny herinao manontolo. Izany no didy voalohany.
Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro.»
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? Tsy fantatrareo va fa ny olomasina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay;
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Satria raha velona ara-nofo ianareo dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.
Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo. Fantaro izay ankasitrahin’Andriamanitra. Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny, satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza; fa asehon’ny mazava avokoa ny zavatra rehetra rehefa voambara ny haratsiany, ary na inona na inona aseho, dia tonga mazava koa. Izany no nanoratana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna avy any amin’ny maty, dia hanazava anao i Kristy. Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitrapon’ny Tompo. Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo. Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny. Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,» miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
Manana an’iza indray moa aho, any an-danitra? Tapi-java-nirina aho manana Anao eto an-tany. Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!
ary maty ho an’ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay maty sy nitsangana ho azy ireo.
mba tsy handaniany ny andro sisa hiainany amin’ny nofo, araka ny danin’ny kibon’olombelona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny; apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.
Koa maneke an’Andriamanitra ianareo, ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.
Fa hoy i Jesoa taminy: «Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan’Andriamanitra.»
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.
Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe: «Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay?» Ka hoy aho: «Inty aho; iraho aho.»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy. Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy, mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, ka hitafy ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Ampianaro hanao ny sitraponao aho fa Ianao no Andriamanitro. Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy, eo amin’ny lala-mahitsy.
fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin’ny fitondran-tenanareo rehetra, araka ny voasoratra hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho,
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: nahafoy ny ainy ho antsika Izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny namana koa isika.
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao. Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara. Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amen.
Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Tsy fantatrareo va fa maro no indray mihazakazaka ao amin’ny tany fifanalana hazakazaka, nefa iray monja no mahazo loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. Ny mpifanala hazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra; nefa satroboninahitra mora levona no tadiaviny, fa ny tsy ho levona mandrakizay kosa no antsika. Raha izaho àry, dia mihazakazaka aho, nefa tsy manao mosalahy; mikapoka koa, nefa tsy toy ny mikapo-drivotra; fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.
Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza handao ny tranony, na ny havany, na ny rahalahiny, na ny vadiny, na ny zanany noho ny fanjakan’Andriamanitra, Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: ‹Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko›; dia sady hahazo bebe kokoa amin’izao fiainana izao, no hanana ny fiainana mandrakizay any aoriana.»
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao! Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako. Izaho dia Izaho ihany no Iaveh ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary ianareo no vavolombeloko - teny marin’i Iaveh. Izaho no Andriamanitra. Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako; Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany? Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra! Izaho no Iaveh, ilay Masinareo, ilay mpahary an’i Israely, mpanjakanareo!» Izao no lazain’i Iaveh, Izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery, izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. - Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony! Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina. Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy asio fahalalana; ny fahalalana asio fahalalana onony; ny fahalalana onony asio fandeferana; ny fandeferana asio fitiavam-bavaka; ny fitiavam-bavaka asio fitiava-namana; ny fitiava-namana asio fitiavana an’Andriamanitra. Fa raha manana avokoa ireo zavatra ireo ianareo, sady manam-be, dia tsy havelan’ireo ho malaina na tsy hahavokatra ho amin’ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy, sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo, ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olomasina rehetra izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny, sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon’ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko; mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Aleloia! Sambatra ny olona matahotra an’i Iaveh, izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin’ny fitandremana ny didiny.
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
Manomeza voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanananao, sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.
mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany avy any amin’ny maty, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: «Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy.»
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
nefa nony fantatsika fa tsy ny asan’ny Lalàna no anamarinana ny olona, fa ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia mba nino an’i Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana Azy, fa tsy amin’ny asan’ny Lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny Lalàna.
satria tsy ho amin’ny fahalotoana, fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho.
Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.
Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Ry Iaveh ô, ampianaro ny lalan’ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny faran’ny aiko. Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin’ny foko rehetra.
Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo, Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ao amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy. Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana. Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony, ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra. Ny fitiavana, no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany. Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino. Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana; fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny. Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihatsy fanamelohana ny tenany.
ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.»
Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.
mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.
Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.
Fa ireny anganongano foana fanaom-bavy antitra ireny dia lavy; ary mampiasà ny tenanao amin’ny fivavahana. Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin’ny fiainana ankehitriny, na amin’ny fiainana ho avy.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany, fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Sambatra ny tsy manan-tsiny amin’ny lalany, izay mandeha araka ny lalàn’i Iaveh. Mitady Anao amin’ny foko rehetra aho; aza avela hania lavitra ny didinao. Manan-tsaina noho ny anti-panahy aho, satria mitandrina ny didinao. Hazoniko lavitra ny lalan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao. Tsy mba miala amin’ny didinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy. Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako. Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny lalan’ny fitaka aho. Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dalako. Efa nianiana aho, ary tsy hivadika amin’izany, fa hitandrina ny didim-pahamarinanao. Tonga amin’ny fara fahoriana aho, Iaveh ô, velomy indray aho araka ny teninao. Ankasitraho, ry Iaveh, ny fanatitra aloaky ny molotro, ary ampianaro ahy ny didinao. Hatenda lava izao ny aiko, nefa tsy manadino ny lalànao aho. Tahirizo miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao. Mamela-pandrika hamelezana ahy ny ratsy fanahy, nefa tsy mania lavitra ny didinao aho. Ny fampianaranao no ananako mandrakizay mba ho lova, fa fifalian’ny foko izy. Nandraika ny foko hitandrina ny didinao aho, mandrakizay, hatramin’ny farany. Halako ny olona miroa fo, ary tia ny lalànao aho. Fialofako sy ampingako Ianao mitoky amin’ny teninao aho. Mialà amiko ianareo ratsy fanahy, dia hitandrina ny didin’Andriamanitra aho. Tohano araka ny fampanantenanao aho, mba ho velona, ary aza avela hahazoako henatra ny fanantenako. Aoka ho tohako Ianao, dia ho voavonjy aho, ka ho eo imasoko mandrakariva ny lalànao. Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny. Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao. Hisaorana anie Ianao, ry Iaveh! Ampianaro ny didinao aho. Mangovitra noho ny tahotra ny nofoko eo anatrehanao, ary matahotra ny fitsarànao aho. Manaraka ny rariny sy ny fahamarinana aho; aza dia afoinao ho an’ny mpampahory ahy aho. Aoka Ianao hiantoka ny fananan’ny mpanomponao, ary aoka tsy hampahorin’ny mpiavonavona aho. Valalanina ny masoko miandry ny famonjenao, sy ny fampanantenanao ny fitsarana marina. Ento araka ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, ary ampianaro ny lalànao aho. Mpanomponao aho, ka omeo fahazavan-tsaina, mba hahalalako ny fampianaranao. Fotoana tokony hiraharahan’i Iaveh izao, fa mandika ny lalànao izy ireo. Noho izany dia tia ny didinao aho, mihoatra ny volamena, sy ny volamena madio. Noho izany dia hitako fa marina avokoa ny didinao; halako ny lalam-pitaka rehetra. Mahagaga ny fampianaranao, ka mitandrina azy ny fanahiko. Ny molotro no amisavisako ny fitsipika rehetra naloaky ny Vavanao. Mahazava, ny famelarana ny teninao; ka mampahazo saina ny olona tsotra. Atanatànako ny vavako, dia mitroka aho, fa lian-kiteny ny didinao aho. Atodiho ahy ny Tavanao, ka mamindrà fo amiko; fa rariny izany ho an’izay tia ny Anaranao. Afikiro amin’ny teninao ny diako, ary aza avela hisy haratsiana hanjaka ato amiko. Afaho amin’ny fampahorian’ny olombelona aho, dia hitandrina ny didinao. Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ny lalànao aho. Mandrotsa-dranomaso mandriaka ny masoko, noho ny tsy fitandreman’ny olona ny lalànao. Marina Ianao, ry Iaveh, ary araka ny rariny ny fitsarànao. Namoaka ny fampianaranao Ianao araka ny rariny, sy ny fahamarinana lavorary. Mandritra aina ahy ny fahazotoako, satria manadino ny teninao ireo mpanohitra ahy. Ny manaraka ny fampianaranao dia ahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra. Voazaha toetra tanteraka ny teninao, ka tia azy ny mpanomponao. Sady kely aho no mavomavo, fa tsy mba manadino ny didinao. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, ary ny lalànao dia fahamarinana. Tratry ny fahoriana aman-tebiteby aho; ny didinao no fahafinaretako. Marina mandrakizay ny fampianaranao, omeo ny fahazavan-tsaina aho, mba ho velona. Miantso Anao amin’ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao. Miantso Anao aho, ka vonjeo, mba hanarahako ny fampianaranao. Alohan’ny mazava atsinanana dia efa mitaraina aminao aho; matoky ny teninao aho. Mialoha ny fiambenan’alina ny masoko, mba hisaintsaina ny teninao. Henoy araka ny hatsaram-ponao ny feoko; velomy aho indray, ry Iaveh, araka fandaharanao. Sitrako ny misaintsaina ny didinao, sy ny mahira-maso amin’ny lalanao. Efa mby akaiky ireo mpanaraka ny ratsy, izay nihataka tamin’ny lalànao. Akaiky Ianao, ry Iaveh, ary fahamarinana avokoa ny didinao. Efa fantatro ela ny amin’ny fampianaranao, fa naorina ho mandrakizay izy. Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; fa tsy manadino ny lalànao aho. Arovy aho amin’ny adiko, ary valio ny ratsy natao tamiko; velomy indray aho araka ny teninao. Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy asiany raharaha ny lalànao. Betsaka ny famindram-ponao, ry Iaveh, velomy indray aho araka ny fandaharanao. Maro ny mpanenjika ama-mpandrafy ahy; tsy mba mihataka amin’ny fampianaranao aho. Tsiravina aho, mahita ny mpivadika, satria tsy mba mitandrina ny teninao ireny. Dinihonao fa tiako ny didinao; Iaveh ô, velomy indray aho araka ny hatsaram-ponao. Ataoko fifaliana ho ahy ny lalànao; tsy hohadinoiko mandrakizay ny teninao. Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn’ny fahamarinanao. Enjehi-mpanjaka tsy ahoan-tsy ahoana aho; ny teninao no hany atahoran’ny foko. Mifaly amin’ny teninao aho, hoatra ny mahazo babo be. Halako, mahatsiravina ahy ny lainga; tia ny lalànao aho. Midera Anao impito isan’andro aho, noho ny lalàn’ny fahamarinanao. Be fiadanana izay tia ny lalànao; ary tsy misy zava-manafintohina azy. Manantena ny famonjena aho, ry Iaveh, ary manaraka ny didinao. Mitandrina ny fampianaranao ny fanahiko, ary miraiki-pitia amin’izany izy. Mitana ny fandaharanao amana fampianaranao aho; fa eo anatrehanao avokoa ny lalako. Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitarainako, ry Iaveh ô; Omeo fahazavan-tsaina araka ny teninao aho. Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao, mba ho velona aho, ka hitandrina ny teninao. Ho tonga hatrany aminao anie fifonako, afaho araka ny teninao aho. Hamoaka fiderana Anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalànao. Hitory ny teninao anie ny lelako, fa marina avokoa ny didinao. Hivelatra hamonjy ahy anie ny tananao; fa efa nifidy ny fandaharanao aho. Maniry ny famonjenao aho, ry Iaveh ô, ary ny lalànao no fahafinaretako. Ho velon-kidera Anao anie ny fanahiko, ary ho avy hamonjy ahy ny fitsarànao. Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho. Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin’ny lalànao. Vahiny aho eto an-tany: aza afenina ahy ny didinao. Sambatra izay mitana ny fampianarany; izay mitady azy amin’ny fony rehetra,
Dia hoy i Maria: «Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.» Dia niala teo aminy ny Anjely.
Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: