Hoy, tiako hozaraina aminao ity andininy ity ao amin'ny Salamo 5:4 hoe: "Fa tsy Andriamanitra tia ratsy Hianao; ny ratsy fanahy tsy mba hiara-mitoetra Aminao." Tsara raha misaintsaina ny tenin'Andriamanitra isika, satria ao no ahitantsika ny lalana tokony harahintsika isan'andro. Raha te-hiadana tokoa isika, dia mila manaraka ny didiny sy ny lalàny voasoratra ao amin'ny Baiboly.
Koa aoka isika hiala amin'izay rehetra tsy mety eo imasony. Andeha isika hanitsy ny diantsika, ka hamela ny feony hitarika antsika amin'ny fahamarinany. Satria mankahala ny ratsy ataon'ny olona Izy, dia tokony hiezaka amin'ny fontsika rehetra isika mba tsy hisy lalan-dratsy ao amintsika.
Aleo mifandamina amin'Andriamanitra isika, ka mibebaka amin'ny ratsy natao. Ny famindram-pony lehibe te hamonjy ny fanahintsika, hanadio sy hamerina antsika amin'ny laoniny, mba hahafahantsika mivelona ho toy ny hanitra ankasitrahana eo anatrehany.
Iaveh ô! vao maraina dia mandre ny feoko Ianao; vao maraina dia atolotro Anao ny faniriako ka miandry aho.
Aza miditra ny sakeli-dalan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny lalan’ny olon-dratsy.
Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy, ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga, ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.
Iaveh no mitsara ny firenena: tsarao aho, ry Iaveh, araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny.
Aza miditra ny sakeli-dalan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny lalan’ny olon-dratsy. Halaviro izany fa aza lalovana akory; mivilia ianao, dia mizora.
Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Loza ho an’izay miantso ny ratsy, soa, ary ny soa, ratsy; izay manao ny haizina ho fahazavana, sy ny fahazavana ho haizina; izay manao ny mamy ho mangidy, sy ny mangidy ho mamy.
Andriamanitra ô, henoy ny feoko, raha mampandre ny fitarainako aho, arovy amin’ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko.
Iaveh ô! vao maraina dia mandre ny feoko Ianao; vao maraina dia atolotro Anao ny faniriako ka miandry aho. Fa Ianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy; ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra Aminao.
Dia hoy izy hoe: «Io vehivavy io no haratsiam-panahy.» Dia natosiny ho ao afovoan’ny efah izy io, sady natontany teo am-bavan’io ilay vongam-pìraka.
Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy; «Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovantsofin-drazana? fa tsy mba manasa tanana izy raha hihinan-kanina.» izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana tsy misasa tanana, tsy mahaloto ny olona akory.»
Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy; ny tsy mpivavaka - raha karohinao ny helony, tsy ho hitanao va izany?
ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho, momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.
Ny lalan’i Iaveh, manda fiarovana ho an’ny marina, fa ny fandringanana kosa ho an’izay manao ratsy. Tsy avelan’i Iaveh ho mosarena ny marina, fa toheriny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy. Ny marina tsy hangozohozo na oviana na oviana; fa ny ratsy fanahy kosa tsy honina amin’ny tany.
Ny olona tahaka anao no hany voan’ny ratsy ataonao; ny zanak’olombelona no hany soa amin’ny fahamarinanao.
Hataony mifotitra amin’ireny ny helony; ary ny haratsiany ihany, no handringanany azy ireny: haringan’i Iaveh Andriamanitra izy!
Esory ny ratsy fanahy eo anoloan’ny mpanjaka. dia hiorina mafy ny seza fiandrianany amin’ny fahamarinana.
Nataon’i Davida. Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy, na mitsiriritra ny toetr’izay mpanao heloka. Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy; mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy. Ny malemy fanahy no hanana ny tany; ka ho finaritra mankafỳ fiadanana lehibe. Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina, sady manidy vazana aminy. Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy, satria hitany fa tonga ny androny. Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany handavo ny ory sy ny malahelo, hamono izay mahitsy lalana. Ny sabany hiditra amin’ny fony ihany; ary ny tsipìkany ho tapatapaka! Aleo ny kely ananan’ny olo-marina, toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro; fa ny sandrin’ny mpanao ratsy, ho tapatapaka; ary ny olo-marina kosa hotohanan’i Iaveh. Fantatr’i Iaveh ny andron’ny marina; ary ny lovany haharitra mandrakizay. Tsy mba menatra izy amin’ny andron’ny fahoriany; ary ho voky amin’ny taona mosarena. Fa hojinjaina faingana tahaka ny ahitra ireny, ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho, ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.»
Fa rehefa nananatra an’ilay ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy nety niala amin’ny haratsiany aman-dalan-dratsiny; dia izy ihany no ho faty amin’ny helony; fa ianao kosa dia namonjy ny fanahinao.
fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany tsy hihainoany anareo. Ho avy izy ho Mpanavotra ho an’i Siôna, sy ho an’ny ao amin’i Jakôba, izay hibebaka amin’ny helony; - teny marin’i Iaveh. - Ary Izaho kosa, dia izao no fanekeko amin’izy ireo, hoy i Iaveh: Ny Fanahiko izay ao aminao, sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan’ny zanakao, ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh. Satria ny tananareo voaloto tamin’ny ra; ary ny rantsan-tananareo tamin’ny heloka. Ny molotrareo miteny lainga; ny lelanareo milaza teny ratsy. Tsy misy mitory olona ara-drariny, na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny; fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany; torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.
Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,
Hitan’i Iaveh fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra avy amin’ny fony isan’andro.
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra; Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo. Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina, fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa. Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra. fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra, ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.
Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo.
Iza no hitsangana ho ahy, hanohitra ny ratsy fanahy? Iza no hanohana ahy, hanohitra ireo manao ratsy? Raha tsy i Iaveh no vonjiko, dia halaky mitoetra any amin’ny fonenan’ny fanginginana ny fanahiko.
Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava.
Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.
Fa niseho i Iaveh nanao ny fitsaràny, ka ny asan-tanan’ny ratsy fanahy ihany no naningorany azy. - Higaiona. - Selà
Maniry ny ratsy ny fanahin’ny ratsy fanahy, ka ny sakaizany avy no tsy mahita fitia aminy.
Mizaha ny marina hatrao anatiny i Iaveh; fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny Izy.
Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.
Aza sosotra noho ny amin’ny ratsy fanahy, na mialona an-dry zareo olon-dratsy, Fa fandozàna no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana no mahavantam-bava azy. fa tsy manan-kiafarana ny manao ratsy, ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.
ka tsy hahatsangana amin’ny andron’ny fitsarana ny tsy mpivavaka, na eo amin’ny fiangonan’ny olo-marina, ny mpanota. Satria ny lalan’ny marina fantatr’i Iaveh fa ny lalan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Ny lohan’ny marina iaviam-pitahiana, fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa tototra faharatsiana.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny fanjakany. ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra; any ho hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Ny olona ratsy fanahy, ny olona tsy marina, dia mandroso, ka ao am-bavany ny faharatsiana; Mipipy maso, mihehy amin’ny tongony, manao famantarana amin’ny rantsan-tanany. Ao am-pony ny faharatsiana, misaintsaina ny ratsy lalandava izy, ary manangana ady. Koa ho avy tampoka ny faharavàny; ho torotoro tampoka tsy azo sitranina izy.
Ny adala manao anakam-po hoe: «Tsy misy Andriamanitra!» Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony; Tsy misy manao ny tsara na dia iray aza. I Iaveh mitsinjo ny zanak’olombelona eny amin’ny lanitra ambony eny, mba hahita raha misy olon-kendry anankiray, olona iray mitady an’Andriamanitra. Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
Satria ny adala miteniteny foana, ary ny ratsy no imasoan’ny fony, mba hanaovany zavatra mifanohitra amin’ny fivavahana; sy hanononany teny diso manohitra an’i Iaveh, mba hamelany ny fanahin’ny noana hilendalenda fotsiny eo, sy hanesorany ny fisotro eny amin’izay mangetaheta.
Ny olona mpanao an-keriny manodòka ny namany, ka mitarika azy amin’ny lalana tsy tsara.
Mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, mba hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy fanafintohinana, fa tsy manaraka ny fampianarana efa noraisinareo; halaviro ireny. Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.
Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka; ary ny fahatahorana an’i Iaveh no analavirana ny ratsy.
Tsia. Andriamanitra tsy manary ny tsy manan-tsiny; Izy tsy mitantana ny mpanao ratsy. Hataony feno hehy mikakakaka ny rovanao, hataony eo amin’ny molotrao ny hira fifaliana. Ho safo-kenatra ny fahavalonao; ary ho fongotra ny lain’ny ratsy fanahy».
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Ny lohan’ireo izay manemitra ahy anie, no hianjeran’ny ratsy tononin’ny molony. Aoka hanintsanana vainafo mivaivay eo ambonin’izy ireo! Havarin’Andriamanitra any amin’ny afo anie izy, any amin’ny hantsana tsy ho azony ialana intsony! Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin’ny tany, ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny. Fantatro fa omen’i Iaveh hitsiny ny fadiranovana, ary omeny rariny ny mahantra. Eny, hankalaza ny Anaranao ny marina, ary honina eo anatrehan’ny Tavanao ny olo-mahitsy. Iaveh ô, afaho amin’ny olon-dratsy aho, arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho.
Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy; fa hafaliana kosa no ho an’izay manoro fihavanana.
Ny tongony miriotra ho amin’ny ratsy, sy mimaona handatsaka ny ra tsy manan-tsiny; ny heviny dia hevitra mahameloka; fandravana amam-pandringanana no eo amin’ny alehany. Tsy mahalala ny lalan’ny fiadanana izy; ary tsy mba misy hitsiny eo amin’ny lalany; fa lala-miolakolaka no soritany haleha, ka izay mandia izany tsy mahita fiadanana.
Aza mialona ny ratsy fanahy, na maniry hiaraka aminy akory. Raha osa amin’ny andron’ny fahoriana ianao, dia fahosana ihany ny herinao. Afaho izay entina hovonoina ho faty; ary vonjeo izay mandroso mangozohozo entin-kovonoina. Raha hoy ianao: «Tsy mahalala izany anie izahay!» moa tsy mahita izany va Ilay mandanja ny fo? tsy mahalala izany va, Ilay mitandrina ny fanahinao? ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra? Anaka, mihinàna tantely fa tsara izany, ho mamy eo am-bavanao ny takela-tantely. Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao; ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao. Aza manotrika eo amin’ny fonenan’ny marina, ry ilay ratsy; ary aza mandrava ny toerana fitsaharana, fa ny marina, lavo impito, nefa tafarina ihany; ny ratsy fanahy kosa avarina amin’ny loza. Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao; ary aza miravoravo fo amin’ny faharavàny, fandrao hitan’i Iaveh izany, ka ratsy eo imasony, dia haviliny tsy ho any aminy, ny hatezerany. Aza sosotra noho ny amin’ny ratsy fanahy, na mialona an-dry zareo olon-dratsy, Fa fandozàna no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana no mahavantam-bava azy.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida mpanompon’i Iaveh. Fa ao aminao no misy ny loharanon’aina; ary amin’ny fahazavanao no ahitanay fahazavana. Tohizo ny hatsaram-ponao amin’izay matahotra Anao, sy ny fahamarinanao amin’izay mahitsy fo. Aoka ny tongotry ny mpiavonavona tsy hahatratra ahy, ary ny tanan’ny ratsy fanahy tsy hampandositra ahy! Indro fa lavo ny mpanao ratsy! Voaongana izy sady tsy afa-miarina. Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony. Fa mandoka tena izy, eo imason’Andriamanitra. Mihevitra fa hoe angamba tsy ho hitan’Andriamanitra na oviana na oviana sy tsy hankahalainy ny helony. Tsy fahamarinana sy fitaka no tenenin’ny vavany; efa natsahany ny mahalala sy manao soa.
Mihatsaravelatsihy amin’ny vavany ny mpankahala, kanjo manafim-pitaka ao anatiny; koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy, fa fahavetavetana fito no ao am-pony. Azony afenina ihany amin’ny fihatsarambelatsihiny ny fankahalany, nefa mbola hiharihary eo amin’ny fivoriana ny faharatsiany.
Eo anoloan’ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetraka amiko izany. Tsy mba ho fo mivaona ny ahy na oviana na oviana; tsy te-hahalala izay ratsy akory aho.
Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.
Ny fahamarinan’ny marina, manitsy ny lalany, fa ny ratsy fanahy kosa lavo noho ny faharatsiany.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Hafaliana ho an’ny marina, ny manaraka ny rariny, fa vadi-po kosa, no an’izay manao ratsy.
Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina, fa nandeha araka ny saim-pantany, nanaraka ny hamafin’ny fo ratsiny; nihemotra izy fa tsy nandroso.
Fa raha ireo mivily amin’ny lala-miolikolika kosa, aoka izy hafoin’i Iaveh miaraka amin’izay manao ratsy. Fiadanana anie ho amin’i Israely!
Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany. «Mitsangàna ianareo, ka mandehana: fa tsy toerana fitsaharana eto,» noho ny loto hampijaly anareo, sy noho ny fampijaliana mampangirifiry. Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity. Hamory anao manontolo Aho, ry Jakôba ô, hangoniko izay sisa amin’i Israely; hovoriko hikambana toy ny ondry amin’ny vala izy; toy ny ondry andiany eo afovoam-bàlany no ho fisasasasan’ny olona ankabetsahany. Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary i Iaveh no mitarika azy. Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe: «Andriamanitra no maka fanahy ahy»; fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona. Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy. Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
mba hanafaka anao amin’ny lalan’ny ratsy fanahy, amin’ny olona manao resaka ratsy, amin’izay miala amin’ny lala-mahitsy, ka mizotra amin’ny lalana maizina; ary ny manao ratsy no ifaliany sy izay faharatsiana mihoa-pampana no iravoravoany; sakeli-dalana miolikolika no alehany ary lalana miolakolaka no ombany;
Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy; sady tsy hainy aza izany. Koa izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.
Nanangana anao eo amin’ny vahoakako Aho, ho mpitaiza toetra sy ho trano mimanda, mba hahalalanao sy hizahanao toetra ny lalany. Mpiodina raha samy mpiodina izy rehetra; mamafy fanendrikendrehana; varahina sy vy izy ireo; ary samy efa simba avokoa.
Izay mandeha amin’ny rariny, sy miteny amin’ny hitsiny; izay tsy mety mandray harena azo an-keriny, izay manifikifi-tanana tsy handray kolikoly; izay manentsin-tadìny amin’ny resaka handatsa-dra, mitampi-maso tsy hahita ny ratsy; izany no honina any amin’ny fitoerana avo; ny trano mimanda miorina amin’ny vatolampy no fialofany, ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana.
Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny; ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
izay mandranitra ny lelany toy ny menarana, sady misy poizin’aspika ao ambany molony. - Selà Iaveh ô, ambeno amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho, izay mitetika ny hanafintohina ahy.
Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.
Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.
araka ny voasoratra hoe: «Tsy misy marina, na dia iray aza; tsy misy manan-tsaina, tsy misy mitady an’Andriamanitra; samy nania avokoa izy rehetra; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
Ny fahamarinana miaro ny lalan’ny olo-marina; ny faharatsiana kosa, mahatonga fandravana ny mpanota.
ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.
Nataon’i Iaveh ho amin’ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra; ary na ny ratsy fanahy aza ho amin’ny andro mahory koa. Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy.
Ny olon-dratsy, fahavetavetana ho an’ny marina; ny mahitsy lalana kosa, fahavetavetana ho an’ny ratsy fanahy.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
Mankahalà ny ratsy, ianareo izay tia an’i Iaveh; miaro ny fanahin’ny mpino Azy Izy, dia manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.
Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Nankao amin’i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe: «Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy.» Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;
Izay misaintsaina hanao ratsy, no atao hoe mpamoron-tsain-dratsy. Ota no fikasan’ny adala, ary fahavetavetana eo imason’ny olona mpamazivazy.
Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao; vonjeo amin’ny fahasoavanao aho! Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso Anao; fa aoka ho an’ny ratsy fanahy ny henatra. Aoka izy hidina mangina any amin’ny Seoly.
satria lefitr’Andriamanitra amin’ny fanasoavana anao izy. Fa raha ny ratsy kosa no ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin’ny maha-lefitr’Andriamanitra azy.
Ny hatezeran’ny ratsy fanahy mampivaona azy; satria efa tsy tiany ny hanaraka ny rariny.
Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady nanify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»
ho an’izay manamarina ny meloka, noho ny kolikoly, sy tsy manome ny rariny ananan’ny marina! Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.
Fa izay te ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin’ny ratsy, aoka hiala amin’ny ratsy izy ka hanao soa, ary hitady fihavanana sy hanaraka azy.
Ny lalan’i Iaveh, manda fiarovana ho an’ny marina, fa ny fandringanana kosa ho an’izay manao ratsy.
Tsy mba ho fo mivaona ny ahy na oviana na oviana; tsy te-hahalala izay ratsy akory aho.
Aoka ny tongotry ny mpiavonavona tsy hahatratra ahy, ary ny tanan’ny ratsy fanahy tsy hampandositra ahy!
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana. Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika, toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona.