Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 5:19 - Baiboly Katolika

19 Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay Ratsy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao kosa eo ambany fahefàn’ilay Ratsy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao kosa eo ambany fahefàn’ilay Ratsy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay Ratsy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 5:19
29 Rohy Ifampitohizana  

ary hoy izy taminy: «Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa.


Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.


Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,


ary ny amin’ny fitsarana, satria voatsara sahady ny mpanapaka izao tontolo izao.


Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy.


Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.


Fa izao no voninahitray: ny kônsiansinay no vavolombelona fa tamim-pahatsoram-po sy tamin-kitsim-po teo anatrehan’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendren’ny nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena tamin’izao tontolo izao, fa indrindra taminareo.


izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.


Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.


izay nanolo-tena noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin’izao andro ratsy izao, araka ny lahatr’Andriamanitra Raintsika.


ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana.


ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.


Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.


Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.


Isika dia mahalala fa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, satria tia namana. Izay tsy tia kosa mitoetra ao amin’ny fahafatesana.


Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.


Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny; fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an’Andriamanitra, satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.


Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.


Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.


Fantatsika fa izay rehetra nateraka avy amin’Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay nateraka avy amin’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.


ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.


dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra