Sarotra izao vanim-potoana izao, mila fandraharahana araka ny rariny. Tokony ho takatsika fa ny tsy rariny dia manimba sy mandoto ny fanahy manerana ny tany. Fahasoavana lehibe ny rariny, ka tokony ho hita taratra amintsika izay noforoniny; mba hisian’ny fifandanjana, filaminana ary fandriampahalemana eto an-tany.
Ny rariny, izay toetra iray tena miavaka an’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina, dia anisan’ny sarotra tratrarina ihany koa. Sarotra ny manavaka ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny fahamasinany na ny hatsarany. Hoy ny Salamo 11:7 hoe: “Mahitsy Jehovah ka tia ny rariny; ny olo-mahitsy hahita ny tavany.”
Ahoana no hampiharantsika ny rariny? Tsotra ihany, ataontsika amin’ny hafa izay nataon’Andriamanitra tamintsika. Nametraka heloka antsika ve Andriamanitra? Aoka isika hametraka ny heloky ny hafa koa. Mitahy antsika ve Andriamanitra? Aoka isika hitahy ny hafa koa.
Ary aoka tsy hihevitra isika ho tompon’izao rehetra izao, fa mety ho tezitra Ilay tena Tompony. Aoka tsy hihevitra isika fa afaka mandrindra ny fotoana, satria tsy havitantsika ny manova na inona na inona! Aoka hanome voninahitra ny Mpamorona isika dia hotahiny.
Kolosiana 3:25 dia milaza hoe: “Fa izay manao ny tsy rariny dia hahazo valiny noho ny tsy rariny nataony; ary tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.” Samy mitovy eo anoloan’Andriamanitra isika rehetra.
Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!
Ny vatolampy, lavorary ny asany, ara-drariny ny lalany rehetra; fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy; marina sy mahitsy.
Levona ny fahavalo! faharavana haharitra mandrakizay! Tanàna nofongoranao! Very mbamin’ny fahatsiarovana azy. Fa i Iaveh kosa mipetraka mandrakizay, efa voatsangany ny sezany hitsarany;
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason’i Iaveh mihoatra noho ny sorona.
Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.
dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana; fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Ary fitaovana hiady ny sandrinao, dia ny heriny, mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
Satria, moa tsy izao va no rariny amin’Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an’izay mampahory anareo,
Hafaliana ho an’ny marina, ny manaraka ny rariny, fa vadi-po kosa, no an’izay manao ratsy.
mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin’ny tsy voafora,
dia hiseho ho lehibe, amin’ny fitsarana, i Iavehn’ny tafika, ary hiseho ho masina amin’ny fahamarinana ny Andriamanitra masina
Araho an-tsakany sy an-davany ny rariny mba ho velona ianao, sy hanana ny tany izay homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Omeo ny rariny ny mahantra sy ny kamboty, omeo ny hitsiny ny ory sy ny malahelo. Vonjeo ny fadiranovana sy ny tsy manana, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy.
Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Raha hoy ianao: «Tsy mahalala izany anie izahay!» moa tsy mahita izany va Ilay mandanja ny fo? tsy mahalala izany va, Ilay mitandrina ny fanahinao? ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra?
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hananganako ho an’i Davida solofo marina; hitondra ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka Anao. Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsarànao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
dia hampiharihary ny fahamarinany Izy amin’ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an’i Jesoa.
Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
mitahiry ny fitiany hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy, hatramin’ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahefatra.»
Hoy aho anakampo: Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
Eo anatrehan’i Iaveh, fa avy hitsara ny tany Izy; hitsara ny tany araka ny rariny Izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.
Inona àry no holazaintsika: misy tsy fahamarinana ao amin’Andriamanitra? Sanatria izany! Fa hoy Izy tamin’i Môizy: Hamindra fo amin’izay tiako hamindram-po Aho, ary hiantra izay tiako hiantrana.
fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.
Ny marina, mahalala ny adin’ny mahantra: fa ny ratsy fanahy kosa tsy mahatakatra ny fahaizana.
Mihainoa ny feoko, ry vahoakako, manongilàna sofina, ry fireneko! fa hamoaka lalàna Aho, ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena. Akaiky ny fahamarinako; efa hiseho ny famonjeko: ary hitsara ny firenena ny sandriko; manantena Ahy ny nosy, ary matoky ny sandriko izy.
Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an’i Iaveh, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin’i Iaveh Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly.»
hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
Miantso ny lanitra ambony izy, mbamin’ny tany koa, mba hitsara ny vahoakany. Anangony izay miraiki-po amiko aho, dia ireo nanao fanekena amiko, amin’ny sorona.
Fa fantatsika Ilay nilaza hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly. Ary koa: Ny Tompo hitsara ny vahoakany.
Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin’ny tany, ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino, mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny hampahorina, ka hitsahatra tsy hampitahotra intsony, ny olombelona nalaina tamin’ny tany.
Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny;
tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.
Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany! Misavà lalana ho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka! Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!
Iaveh ô! vao maraina dia mandre ny feoko Ianao; vao maraina dia atolotro Anao ny faniriako ka miandry aho.
Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana amin’ny fotoana hahatafintohina ny tongony, fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any an’efitry ny tendrombohitra!...
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana etỳ ambonin’ny tany Izy?»
Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana; ary toy ny ranondriaka tsy mety ritra ny fahamarinana!
Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo, dia ampidino ho amin’ny tany ny fijerinareo; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka; ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana; ny mponina eo aminy ho levona torak’izany koa; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay; ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.
Izao no lazain’i Iaveh: «Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna: ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena; dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy, na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, dia ilay malalako izay ankasitrahin’ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy. Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana; fa nony nahita izany ny Farisianina dia nilaza taminy hoe: «Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny sabata». tsy hanapaka ny volotara vaky Izy, na hamono ny lahin-jiro manetona ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; ary ny Jentily hitoky amin’ny Anarany».
Tsarao araka ny fahamarinanao aho, ry Iaveh Andriamanitro ô, ary aoka tsy ho foto-pifaliany aho.
dia mihainoa azy any an-danitra, ary manefà, dia mitsarà ny mpanomponao, manameloka izay meloka, mampitsingerina amin’ny lohany ny nataony, manambara ny tsy manan-tsiny ho marina sy mamaly azy araka ny tsy fananany tsiny.
Ny Tsitoha tsy azontsika takarina, fa lehibe amin’ny hery, amin’ny rariny, amin’ny fahamarinana; tsy mamoaka izay nataony na amin’iza na amin’iza Izy.
Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, ahoana àry no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra raha manampatra ny fahatezerany amintsika? (miteny araka ny fanaon’ny olona aho). Sanatria izany! fa raha izany, ahoana no hitsaràn’Andriamanitra an’izao tontolo izao?
Loza ho an’izay mamoaka fitsarana tsy marina, sy ho an’ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny. Toy ny nanakaran’ny tanako an’ireo fanjakan’ny andriamanitra tsy mahomby, izay mahery noho ny an’i Jerosalema sy i Samaria ny sampiny, toy ny efa nataoko tamin’i Samaria sy ireo andriamaniny, moa tsy toy izany koa va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sary sampiny?» Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana. Satria izy nanao hoe: «Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin’ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo. Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopa elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!» Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo! Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin’ny hain-trano. Ny fahazavan’i Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handroso sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny. Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa hofoanany hatramin’ny fanahy ka hatramin’ny vatana; hanahaka ny marary matin’ny singotr’àty izany. Ho azo isaina ny hazo sisa any an’alany; zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy. Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony!
Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa; Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy. «Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy, toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.» hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’i Iaveh, sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra.
Izaho Iaveh izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany, sy araka ny vokatry ny asany.
Raha misy olona marina, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny, tsy mihinana eny an-tendrombohitra, tsy manandra-maso amin’izay sampin-dozan’ny taranak’i Israely, tsy manala baraka ny vadin’ny namany, tsy mandeha amin’ny vehivavy izay mbola ao anatin’ny fahalotoana, tsy mampahory olona, mamerina amin’ny mpitrosa ny nataony antoka, tsy manao halatra, manome hanina ny noana, manafy lamba ny mitanjaka, tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola, mamily ny tanany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy, ary manaraka ny didiko sy mitandrina ny lalàko ka tsy mivadika amin’izany, dia olo-marina io ka ho velona izy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, midera Anao izahay; akaiky ny Anaranao, mitory ny zava-mahagaga ataonao ny olona.
Izay milaza amin’ny ratsy hoe: «Marina ianao,» dia hozonim-bahoaka, ho halam-pirenena. Fa izay mamay azy kosa ankalazaina, mirotsaka aminy ny tso-drano amam-pahasambarana.
Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo.
Tafaorina amin’ny famindram-po ny seza fiandrianana, ary ny hipetraka amin’izany seza fiandrianana izany, araka ny fahamarinana, eo an-dain’i Davida, dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny, ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.
Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry. Raha manaiky amin’ny fo mazoto ianareo, dia hihinana ny zava-tsoan’ny taninareo,
Manome rariny an’izay ampahorîna, manome hanina an’izay noana; i Iaveh manafaka an’izay voababo; I Iaveh mampihiratra ny jamba; i Iaveh mampitraka ny mitanondrika; i Iaveh tia ny marina; i Iaveh miaro ny mpivahiny; manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy; fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.
Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.
lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny asa; ny masonao ajerinao ny lalan’ny taranak’i Adama rehetra, mba hamalianao azy, araka ny lalany avy, sy araka ny vokatry ny asany avy.
Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara, mitadiava fihavanana ary katsaho izany. Ny mason’i Iaveh mitsinjo ny marina ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ary fitaovana hiady ny sandrinao, dia ny heriny, mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao.
Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny, sy ny mahantranao, araka ny hitsiny! Tapitra ny vavak’i Davida zanak’i Izaì. Aoka hahavokatra fiadanana ho an’ny vahoaka ny tendrombohitra, torak’izany ny havoana, amin’ny fahamarinana. Hanomezany rariny ny olona ory eo amin’ny vahoakany, sy hamonjeny ny zanaky ny mahantra, ary hanorotoroany ny mpampahory!
Ny rariny no hataoko fitsipika, ary ny fahamarinana no hataoko fandanjàna.» «Ka ny lainga fiarovana hopaohin’ny havandra; ary ny fierenao hindaosin’ny rano.»
«Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy, toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.»
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.
Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba i Iaveh Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa!
Ny fahamarinana manandratra ny firenena; ny fahotana kosa fahafaham-baraka amin’ny vahoaka.
Tsara sy mahitsy fo i Iaveh; izany no anoroany lalana ny mpanota. Mampizotra ny manetry tena amin’ny fahamarinana Izy, mampianatra ny manetry tena ny lalany Izy.
Marina i Iaveh eo afovoany, tsy misy tsy rariny ny ataony; mamoaka ny fitsaràny isa-maraina izy mba hanome ny fahazavana, ary tsy diso amin’izany izy na oviana na oviana; fa ny olona tsy tia vavaka tsy mahalala henatra!
eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.
fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina dia zanany nateraka avy aminy.
Fa raha ahitsinareo ny lalanareo aman’asanareo; raha tsarainareo marina ny adin’ny olona amin’ny namany, raha tsy ampahorînareo ny vahiny, sy ny kamboty ama-mpitondratena; ary tsy mandatsa-dra marina amin’ity tany ity ianareo, na manaraka andriamani-kafa, hampidi-doza aminareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo; amin’ny tany efa nomeko ny razanareo hatramin’ny andro taloha ka hatramin’ny mandrakizay.
Manerinerina i Iaveh fa mitoetra any ambony Izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana i Siôna.
Ny lalan’ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason’i Iaveh; fa ny manaraka ny rariny, no tiany.
ho fanahy fahamarinana ho an’izay mipetraka eo amin’ny seza fitsarana, ary ho hery ho an’izay manohana ny fahavalo mananika am-bavahady.
Ary ny amiko, noho ny famimdram-ponao lehibe, dia handeha ho ao an-tranonao aho; hiankohoka manatrika ny tempolinao masina amim-pahatahorana Anao aho.
Ny olon-dratsy tsy mahalala ny mety, fa ny mitady an’i Iaveh kosa, mahalala ny zavatra rehetra.
Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo.
Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsarànao; tamin’ny fahamarinanao no nanetrenao ahy.
Izao no lazain’i Iaveh: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.
Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy Izy; sy ny ory tsy manan-kamonjy akory. Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana Izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hoesoriny amin’ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny, ary ho sarobidy eo imasony ny ran’izy ireny.
Eny, mahatahotra Ianao! Iza no mahajanona eo anatrehanao, raha mipoaka ny hatezeranao! Namoaka didim-pitsarana avy any an-tampon’ny lanitra Ianao; nihorohoro sy nangina ny tany,
Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany,
Fihirana nataon’i Asafa. Eo amin’ny fiangonan’ny Tsitoha, Andriamanitra; namoaka ny teniny eo afovoan’ireo andriamanitra izy: Mandra-pahoviana no hanaovanareo fitsarana tsy marina? Omeo ny rariny ny mahantra sy ny kamboty, omeo ny hitsiny ny ory sy ny malahelo. Vonjeo ny fadiranovana sy ny tsy manana, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy.
Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy.
Latsaka tamin’ny lavaka nohadiny ny firenena; voan’ny fandrika harato nafeniny ny tongony.
I Iaveh Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly, fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.
Maro no mila sitraka amin’ny mpanapaka; fa i Iaveh ihany no iavian’ny fitsarana marina ny olona isam-batana.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo, Iavehn’ny tafika no Anaran’izy io; ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy mba hampiadana ny tany, sy hampangovitra ny mponina ao Babela.
Fa ankehitriny, tsy amin’ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra, noho ny finoana an’i Jesoa Kristy, ho an’ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka, fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra, fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa. Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany: dia hampiharihary ny fahamarinany Izy amin’ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an’i Jesoa.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’i Iaveh, ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao. I Iaveh, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao.
Fa mahitsy ny tenin’Andriamanitra, ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra. Tia ny rariny sy ny hitsiny Izy; henika ny hatsaram-pon’i Iaveh ny tany.
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra. Ny fitiavana, no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany. Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino. Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana; fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny. Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihatsy fanamelohana ny tenany.
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn’ny fahamarinanao.
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana. Mitahiry ny fahasambarana ho an’ny olona mahitsy fo izy, ary ampinga ho an’izay mandeha amin’ny fahalavorariana. Miaro ny sakeli-dalan’ny fahamarinana izy, miambina ny lalan’izay miraiki-po aminy.
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrify azy tsirairay avy.
Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay! Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»