Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 50:34 - Baiboly Katolika

34 Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo, Iavehn’ny tafika no Anaran’izy io; ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy mba hampiadana ny tany, sy hampangovitra ny mponina ao Babela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Mahery anefa ny Mpanavotra azy, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany; handahatra ny adiny tokoa Izy mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babilona kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

34 Nefa Izaho mpanavotra azy dia mahery: TOMPOn’izao rehetra izao no anarako. Horaisiko an-tanana tokoa ny adiny mba hampiadana ny taniny sy hampikorontana kosa ny mponin’i Babilôna.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Nefa Izaho mpanavotra azy dia mahery: TOMPOn’izao rehetra izao no anarako. Horaisiko an-tanana tokoa ny adiny mba hampiadana ny taniny sy hampikorontana kosa ny mponin’i Babilôna.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, Mba hampiadana ny tany Sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Mahery anefa ny Mpanavotra azy, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany; handahatra ny adiny tokoa Izy mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babilona kosa.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:34
32 Rohy Ifampitohizana  

mihainoa Ianao any an-danitra any amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ny vavaka amam-pifonany, omeo rariny izy, ary avelao ny fahadisoan’ny vahoakanao, izay nataony taminao.»


Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy, ka hitsangana farany eo ambonin’ny vovoka izy,


Nataon’i Davida. Ry Iaveh ô, mameleza an’izay mamely ahy; miadia amin’izay miady amiko.


Omeo rariny aho, Andriamanitra ô; iandraiketo ny adiko amin’ny firenena mpamadika, afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy aho!


Koa lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Izaho no Iaveh; hanafaka anareo amin’ny fanompoana ny Ejiptianina Aho; hamonjy anareo amin’ny fanandevozan’izy ireo; ary sandry mihenjana sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.


Fa i Iaveh hiaro azy ireny amin’ny adiny; sy hanala aina an’izay nanendaka an’ireny.


Fa mahery ny mpamaly ho azy, dia hiaro azy amin’ny adiny aminao.


Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba, ry olom-bitsy sisa, tamin’i Israely! fa Izaho no tonga mamonjy anao - teny marin’i Iaveh - ary ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.


Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra!


Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.


Ny Anaran’ny Mpanavotra antsika dia Iavehn’ny tafika, ilay Masin’i Israely! -


Izao no lazain’i Iaveh: Halaina aminy na ny sambotry ny mahery aza, ary ho afaka aminy ny babon’ny mpanao an-keriny. Fa ny mpandrafy anao, dia Izaho no hiady aminy, ny zanakao, dia Izaho no hamonjy azy ireo.


Izao no lazain’i Iaveh Tomponao sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany: Indro efa noesoriko teny an-tananao, ny kapoaka mahajenjina, ny kapoakan’ny fahatezerako; tsy hisotro izany intsony ianao, izao sisa izao.


Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; I Iavehn’ny tafika no Anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.


Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao; ary i Israely no firenena lovany; i Iavehn’ny tafika no Anarany.


Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho, ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.»


ho tahaka ny taloha ny zanany; hiorina mafy eo anatrehako ny fiangonany, ary hofaiziko avokoa ny mpampahory azy.


Satria i Iaveh, efa nanavotra an’i Jakôba, sy nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy.


Izao no lazain’i Iaveh, izay manome ny masoandro, hanazava amin’ny antoandro; sy mametra lalàna harahin’ny volana aman-kintana hanazava amin’ny alina; mampanonja ny ranomasina, ka mirohondrohona ny onjany; - i Iavehn’ny tafika no Anarany: -


Ianao no mamindra fo amin’ny arivony sy mamaly ny heloky ny ray, eo an-kibon’ny zaza mandimby azy, ianao no Andriamanitra lehibe sy mahery, izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika,


I Moaba efa rava; ny tanànany efa midona-tsetroka; ny zatovony voafantina, midina ho any am-pamonoana; - teny marin’ny mpanjaka. manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika. -


Tsy mba toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa namorona izao tontolo izao izy; ary ny anjara lovany dia ilay manana anarana hoe Iavehn’ny tafika.


Koa izao no lazain’i Iaveh: Indro fa izaho mandray ny adinao, hiandraikitra azy, ary manatanteraka ny valim-bonoana ho anao: Ka horitiko ny ranomasiny, hataoko tankina ny loharanony.


Tompo ô, niandraikitra ny adiko Ianao, namonjy ny aiko.


Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben’ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh, ka zovy no hahatanty an’izany?


Aoka ho voan’ny fanaintainana sy hanezaka ianao, ry zanaka vavin’i Siôna, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna ianao ankehitriny, ka nonina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilôna; any no hanafahana anao; any no hanavotan’i Iaveh anao, ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.


Hivesatra ny fahatezeran’i Iaveh aho, satria nanota taminy, mandra-piaikiny ny hiaro ahy amin’ny adiko, sy hampiharihariako ny rariny momba ahy; havoakany aho ho amin’ny mazava, dia hibanjina ny fahamarinany.


Noho izany kosa, indray hiantonta aminy indray andro monja ny lozany, dia fahafatesana, fisaonana, mosary, ary fandevonan’ny afo ny tenany, satria mahery Andriamanitra Izay hitsara azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra