Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 11:4 - Baiboly Katolika

4 Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny madinika ary homeny rariny ny mahantra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany; Hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, Ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny madinika ary homeny rariny ny mahantra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 11:4
50 Rohy Ifampitohizana  

Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.


Izy tsy ho afa-mandositra ny haizina, ny solofony ho levon’ny afo, ary hofaohin’ny fofon’aina avy amin’ny vavan’Andriamanitra izy.


Fa ny fofon’ain’Andriamanitra no aharinganan’ireny, ny fifofofofon’ny hatezerany no mahalevona ireny.


Hanitatra ny tehina fanapahanao, avy ao Siôna i Iaveh: manjakà amim-pahefan’ny Tompo eo amin’ny fahavalonao ianao!


Nihozongozona sy nihorohoro ny tany; nihararetra ny fanambanin’ny tendrombohitra; ka ireo no nihozongozona dia Izy io no tezitra;


Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».


nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany. - Selà


mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.


Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.


Ka amin’izay ny faraidiny hahita hanina; ary ny mahantra handry feizay. Fa ny taranakao kosa, hataoko maty mosary; ary izay sisa avy aminao, haringana. -


Tafaorina amin’ny famindram-po ny seza fiandrianana, ary ny hipetraka amin’izany seza fiandrianana izany, araka ny fahamarinana, eo an-dain’i Davida, dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny, ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.


Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.


ka voahosihosin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ambany toerana sy ny dian’ny ory.»


Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin’i Iaveh, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin’Ilay Masin’i Israely.


Mifandahatra amin’ny loholona eo amin’ny fitsarana i Iaveh, sy amin’ny mpanapaka ny vahoakany manao hoe: «Niraotra ny voaloboka ianareo; ny fananan’ny malahelo nobaboinareo dia ao an-tranonareo.


Tahaka ny riaka manafotra ny fofon’ainy; manafotra havozona, hanasivanany ny firenena amin’ny sivana fandravana, sy hanisiany lamboridy mampivily lalana eo amin’ny valanoranon’ny olona.


Dia hangovitra i Asora amin’ny feon’i Iaveh; hikapoka amin’ny tsora-kazony Izy,


Fa efa voaomana hatramin’ny ela i Tôfeta; io koa dia efa voaomana ho an’ny mpanjaka. Nataon’ny Tompo malalaka sady lalina izy; misy afo aman-kitay betsaka eo ambonin’ny antontan-kitainy; ny fofon’ain’i Iaveh tahaka ny riaka solifara, no mampirehitra azy.


Indro misy mpanjaka hanjaka araka ny rariny; ary ny mpifehy hitondra araka ny hitsiny.


Ny fiadanan’ny mpamitaka dia enti-mamadika, mamoron-tsain-dratsy izy io, hamerezany amin’ny lainga ny olona iva toerana, ary ny mahantra koa, na dia izay milaza zavatra ara-drariny aza.


Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.


Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa seranin’ny fofon’ain’i Iaveh. Eny, ahitra ihany ny olombelona:


Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho; nataony zana-tsipìka maranitra aho, nafeniny teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Nandefa teny ho an’i Jakôba, ny Tompo, ary mihatra amin’i Israely izany;


Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hampitsimoka solofo marina ho an’i Davida Aho, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.


mihamatavy mandimandina izy ireo. Mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy izy; tsy manao fitsarana marina, fitsarana marina ho an’ny kamboty...nefa ambinina ihany! tsy manome hitsiny ny mahantra.


Noho izany nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany, novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo; toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.


Mitadiava an’i Iaveh, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena. Ho tafaàloka angamba ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh!


mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely,


Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.


Tamin’izany i Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,


Ary ny tenako, izaho Paoly, mihanta aminareo noho ny halemem-panahy sy ny hatsaram-pon’i Kristy, dia izaho izay manetry tena aminareo, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa nony tsy eo.


fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.


ka dia hiseho amin’izany ilay ratsy, ka holevonin’i Jesoa amin’ny fofon’ain’ny vavany, sy hofoanany amin’ny fisehoan’ny fahatongavany.


tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra.


Iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin’ny fitondrany tena tsara ny asan’ny halemem-panahy amam-pahendreny.


Ny tanany havanana nitana kintana fito, ny vavany nivoahan-tsabatra marani-dany roa, ary ny tarehiny toy ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny indrindra.


Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany;


nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha;


Koa mibebaha, fa raha tsy izany dia ho avy aminao faingana Aho, ka hamely an’ireo amin’ny sabatry ny vavako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra