Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 42:1 - Baiboly Katolika

1 Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Indro ny Mpanompoko izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; hanao fitsarana marina ho an’ny Jentilisa Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 INDRO ny Mpanompoko, Izay tantanako, Dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko; Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ny jentilisa Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Indro ny Mpanompoko izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; hanao fitsarana marina ho an’ny Jentilisa* Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 42:1
47 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana, tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana, mandra-piavin’i Silô: Izy no hotoavin’ny firenena.


Hanomezany rariny ny olona ory eo amin’ny vahoakany, sy hamonjeny ny zanaky ny mahantra, ary hanorotoroany ny mpampahory!


Efa nanao fanekena tamin’ilay nofidiko Aho; fianianana efa nataoko tamin’i Davida mpanompoko,


Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.


Amin’izany, ny hitsiny hitoetra any an’efitra; ny rariny hiorim-ponenana ao amin’ny sahan-kazo mamoa.


Fa ianao kosa, ry Israely, mpanompoko, ianao, ry Jakôba nofidiko, taranak’i Abrahama, sakaizako.


Ianao izay notantanako avy any am-paran’ny tany, sy nantsoiko avy any amin’ireo tany lavitra ireo: ianao izay nilazako hoe: «Mpanompoko ianao, efa nofidiko, ka tsy mba nariako.»


Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe.


Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.


Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!


Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.


Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia hahita Izy, ka ho afa-po. Ilay marina, mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka, ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.


Ary Izaho kosa, dia izao no fanekeko amin’izy ireo, hoy i Iaveh: Ny Fanahiko izay ao aminao, sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan’ny zanakao, ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.


Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, ry mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ka hataoko toy ny fanombohan-kase; satria efa voafidiko ianao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika.


Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe, ianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.


Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.


Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»


ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny an’ny voromahailala dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra.»


«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,


hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.»


Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, henoy Izy.»


Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray.


Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.


Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»


dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.


Nony nandre izany izy ireo, dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.


Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’Andriamanitra izao, dia hoentina any amin’ny Jentily, ka horaisiny an-kafaliana.


Fa hoy ny Tompo taminy: «Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;


sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,


nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’i Ilay Malalany.


Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,


fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,


tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,


Manatòna Azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;


Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: Indro Aho mametraka vato fehizoro ao Siôna, dia vato voafidy sy sarobidy, ary izay mino azy tsy hangaihay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra