Ry namako malala, Andriamanitra Raintsika any an-danitra no nandidy antsika hivavaka tsy an-kijanona. Amin’ny alalan’ny vavaka no iresahantsika Aminy, ifandraisantsika Aminy. Toy ny tambazotran-tserasera izy io, ahafahan’ny mpino mampita ny fangatahany rehetra eo an-tongotr’Ilay nahary antsika. Eo anatrehany no hialofantsika rehefa misy zavatra manahirana, rehefa mavesatra ny entana, ary rehefa malahelo isika.
Amin’ny alalan’ny vavaka no ahafantaran’Andriamanitra ny zavatra ilaintsika sy ny feontsika. Efa fantany ny fiainantsika na dia mbola tsy teraka aza isika, kanefa tiany hiresaka aminy isika, hikatsaka Azy. Ny vavaka no hanamafisanao ny fisakaizanao, ny fifandraisanao akaiky Aminy. Fitaovam-piadiana ho an’ny mpino an’i Jesoa izy io, hiarovana amin’ny ady rehetra, satria amin’ny vavaka no hahazoana fandresena amin’ny zavatra rehetra.
Tsy avy amintsika akory ny herin’ny vavaka. I Jesoa no ilay hery; Izy no mamaly ny vavaka ary mahatanteraka izay toa tsy hain’olombelona. Rehefa mivavaka amin’ny fo isika dia mahazo fampiononana, fiadanana ary fitiavana avy amin’ny Ray. Manatòna an’Andriamanitra amin’ny fo torotoro sy manetry tena, ary tsy mba handà anao mihitsy Izy. (Efesiana 6:18)
Mivavaha amin’ny Fanahy amin’ny fotoana rehetra, amin’ny fitalahoana sy ny fangatahana. Miambena hatrany ary mahareta amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra. Rehefa mivavaka ianao dia misaora, aza ny fangatahanao ihany no asetrinao, fa mihainoa eo anatrehany koa. (1 Tesaloniana 5:16-18) Mifalia mandrakariva, mivavaha tsy an-kijanona, misaora an’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra ho anao ao amin’i Kristy Jesoa.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany.
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo.
Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Ianao no andefasako ny fivavahako.
nihodidina tamiko ny fatoran’ny Seoly; ary latsaka teo anatrehako ny fandrika haraton’ny fahafatesana.
Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany.
Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany, sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.
Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;
Ary na inona na inona hangatahintsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika.
Nefa efa nohenoin’Andriamanitra aho, efa nihaino tsara ny feon’ny fivavahako Izy. Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny Anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy. Hisaorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavahako, na nanaisotra ny fahasoavany tamiko!
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa. Aoka anefa, hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala; fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra.
Ary nanao fanoharana tamin’izy ireo koa Izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana.
Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.
Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao. Ry Iaveh, atongilano ny sofinao amin’ny fivavahako, henoy tsara ny feon’ny fitarainako. Miantso Anao amin’ny andron’ny fahoriako, aho, ka hamaly vavaka ahy, Ianao.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko ary neken’i Iaveh ny fangatahana nataoko taminy.
Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho.
Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
Ary tamin’izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.
Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Nataon’i Davida. Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako, mihainoa tsara ny fivavahako.
Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
Ary raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin’i Iaveh ka hitsahatra ny tsy hivavaka ho anareo. Fa hatoroko anareo ny lalana tsara sy mahitsy.
Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna, ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.
Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy; ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy.
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Nony ren’ny fahavalonay fa efa nahalala izahay, sy efa nofoanan’Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho any amin’ny manda izahay rehetra, samy nankany amin’ny asany avy.
Mankalaza Anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy Ianao, tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho.
Kanefa, ry Iaveh Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pifonan’ny mpanomponao, henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon’ny mpanomponao eo anatrehanao anio;
Salamon’i Davida. Iaveh ô, henoy ny fivavahako; atongilano ny sofinao amin’ny fitalahoako; valio vavaka aho, amin’ny fahitsianao amam-pahamarinanao.
Nony niala teo izy ireo, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
Henoy ny feon’ny fifonako, raha mitaraina aminao aho; raha manandratra ny tanako, mankany amin’ny fitoerana masinao aho.
Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Tafalentika hatrany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; ny hidin’ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay. Kanjo Ianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka, ry Iaveh Andriamanitro ô!
Koa amin’izany lazaiko aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Hisaorana anie i Iaveh! fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko, tamin’ny nametrahany ahy tao an-tanàna mimanda.
nanao hoe: «Raiko ô! raha sitrakao, halaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitraponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny Ahy.»
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.
Ary raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagoga sy eny an-joron-dalana, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Dia nijery azy izy, ka raiki-tahotra, sy nanao hoe: «Ahoana, Tompoko?» Ary hoy ny Anjely taminy: «Tafakatra eo anatrehan’Andriamanitra ho fahatsiarovana anao ny vavakao sy ny fiantranao.
Hoy ny feoko, milaza ny teny avy aminao: «Tadiavinareo ny Tavako»; mitady ny Tavanao aho, ry Iaveh.
Avy mangataka aminareo, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy aho, ry kristianina havana, hiara-miady amiko, amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy,
Miantso Anao aho, fa mamaly ahy Ianao, ry Andriamanitra; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny fangatahako.
Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.
Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»
Mifampitaona ny onjan-drano nony mirohondrohona ny riananao, ka ny onjan-drano aman-driakao dia mandalo manafotra ahy avokoa.
Mivavaka amin’Andriamanitra izy, ary Andriamanitra manambina azy; mibanjina ny tavany amim-piravoravoana izy, ary ny Tsitoha mamerina aminy ny fahamarinany.
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.
Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin’ny fanahy aho no hivavaka amin’ny saina koa; sady hihira amin’ny fanahy aho no hihira amin’ny saina koa.
Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‹Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.›
ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho, fa Ianao no itokiako; atoroy ny lalana tokony halehako aho, fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.
Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!
Niantso ny Andriamanitr’i Israely i Jabesa nanao hoe: «Raha mitahy ahy Ianao, ka halalahinao ny faritaniko, ary momba ahy ny tananao, sy arovanao amin’ny loza aho mba tsy ho zoim-pahoriana...» Ary nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny.
Ary hivavaka ho anareo koa izy, fa tia sy mankamamy anareo erỳ, noho ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra ao aminareo.
Fa tenanao, ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe: Hanorenako trano ianareo. Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao.
Nony avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny trano nivoriany, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana.
koa ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao tokoa àry aho dia mba ampahalalao ahy ny lalanao, ary aoka hahalala Anao aho mba hahitako fitia eo imasonao. Hevero fa vahoakanao ity firenena ity.»
Ary hoy ny Tompo: «Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororòka anareo tahaka ny vary, fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.»
Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoakanao maro be izao!»
Endrey, izany fangatahanay an-kafanam-po lehibe andro aman’alina hahita tava anareo, sy hameno izay tsy ampy amin’ny finoanareo!
Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra. Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra; fa raha tonga kosa ny mahery noho izy ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny. «Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko, dia manahaka.» «Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra eny amin’ny tanety maina izy, ka nony tsy mahita dia manao hoe: ‹Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.› Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka, ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra ireo ka mitoetra eo. Ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.» Raha nilaza izany Izy, dia nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka ka nanao taminy hoe: «Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao!» «Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.» Ary nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazany hoe: «Taranaka ratsy ity taranaka ity; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasy mpaminany. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasy tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’olona koa amin’ity taranaka ity. Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’ity taranaka ity ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazantany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto. Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasy izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasy eto.» «Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-katakonana na ao ambanin’ny vata famarana, fa eo amin’ny fanaovan-jiro izy no apetrany mba hahitan’izay miditra ny mazava. Ny maso no jiron’ny tenanao, ka raha tsara ny masonao dia hazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa izy, dia ho maizina koa ny tenanao. Tandremo àry fandrao zary haizina ny fahazavana ao anatinao. Fa raha ao amin’ny mazava tsy mifangaro haizina ny tenanao manontolo, dia hazava avokoa izy rehetra, mova tsy ny hazavain’ny jiro tsara firehitra ianao.» Raha mbola niteny Izy, dia nisy Farisianina anankiray nanasa Azy hisakafo ao aminy, ka niditra Izy dia nipetraka nihinana. Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita ity Izy tsy nisasa alohan’ny hihinana, ka hoy ny Tompo taminy: Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.
Nony tonga tany Izy dia nanao tamin’izy ireo hoe: «Mivavaha mba tsy ho azon’ny fakam-panahy ianareo.»
dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako,
Salamon’i Davida. Iaveh ô, miantso Anao aho, tongava faingana amiko Ianao; atongilano ny sofinao amin’ny feoko, raha miantso Anao aho.
Ary i Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: «Izaho milaza marina aminareo, fa raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy ny natao tamin’ny aviavy ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hilazanareo hoe: ‹Mialà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina›, dia ho tonga izany.
Mamindrà fo amiko Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa ao aminao no itadiavan’ny fanahiko fiarovana, amin’ny aloky ny elatrao no iafenako, mandra-pahalasan’ny loza.
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy.
Raha nitety an’i Galilea izy ireo, dia hoy i Jesoa taminy: «Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona,
Mahatsiaro aho - ary amin’izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, - nony namindra notronim-bahoaka aho, nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra, eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana, eo afovoan’ny vahoaka be manao fety!
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
ary nilaza taminy hoe: «Nahoana no matory ianareo? Mifohaza, ka mivavaha mba tsy ho azon’ny fakam-panahy ianareo.»
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin’ny fotoana mety. Marina, fa amin’ny fahatondrahan’ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany.
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana etỳ ambonin’ny tany Izy?»
Tamin’izay i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemanỳ, ary hoy Izy tamin’ny mpianany; «Mipetraha eto ianareo, raha mbola mankany hivavaka Aho.»
indrindra fa raha manampy anay amin’ny fivavahana koa ianareo; dia ho maro ny mpisaotra noho ny fahasoavana azonay, satria maro no nangataka nahazoanay azy.
Fivavak’i Davida. Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny, henoy ny fitarainako; atongilano ny sofinao amin’ny fivavahako, izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka.
mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.
Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny Jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy,
Tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa: mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy.
«Henoy ny fitarainan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha hivavaka eto amin’ity fitoerana ity. Mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra; mihainoa dia mamelà heloka.
Iaveh, harambatoko, mandako, mpanafaka ahy, Andriamanitro, vatolampiko izay hahitako fialofana, ampingako, tandro-pamonjena ahy, trano mimandako!
Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.» Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy. Izao no nolazain’Andriamanitra: ‹Honina amin’ny tany hafa ny taranany, ary handevozina sy hampahorina efajato taona.
Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako, efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?