Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:13 - Baiboly Katolika

13 koa ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao tokoa àry aho dia mba ampahalalao ahy ny lalanao, ary aoka hahalala Anao aho mba hahitako fitia eo imasonao. Hevero fa vahoakanao ity firenena ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Koa ankehitriny, raha mba nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ahy ny lalanao mba hahalalako Anao ka hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Koa raha mahazo fanambinana teo imasonao tokoa aho, dia mba ampahafantaro ahy izay fikasanao. Ho fantatro Ianao amin’izay; sady ho tena nahazo fanambinana teo imasonao aho. Tsarovy koa fa ity firenena ity dia vahoakanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Koa raha mahazo fanambinana teo imasonao tokoa aho, dia mba ampahafantaro ahy izay fikasanao. Ho fantatro Ianao amin’izay; sady ho tena nahazo fanambinana teo imasonao aho. Tsarovy koa fa ity firenena ity dia vahoakanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny làlanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Koa ankehitriny, raha mba nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ahy ny lalanao mba hahalalako Anao ka hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:13
27 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Sadôka: «Ento miverina ao an-tanàna ihany ny Fiaran’Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason’i Iaveh aho dia mbola hoentiny miverina sy hataony mahita ny Fiara sy ny Fonenany ihany.


Nampiseho ny lalany tamin’i Môizy Izy, ary ny asany lehibe, tamin’ny zanak’i Israely.


Ry Iaveh ô, ampianaro ny lalan’ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny faran’ny aiko.


Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho.


Tompo ô, ampianaro ny lalanao aho; tariho amin’ny lalana marina aho; noho ny amin’ireo mitsikilo ahy.


aza ariana lavitra ny Tavanao aho; aza esorina amiko ny Fanahinao Masina.


Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.


Koa handeha ianao amin’izao, irahiko any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.»


Ary hoy i Iaveh hoe: «Efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany.


Nahoana no dia hahazoan’ny Ejiptianina hilaza hoe: Ny namoahany azy dia hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany. Koa ialao re ny fahatezaranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao.


Dia nanenenan’i Iaveh ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany.


Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana midina ianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoaka nentinao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.


nanao hoe: «Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka ity. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay.»


Raha efa izany, lasa nankao amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety any an’efitra.»


Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.


Nahoana izahay, ry Iaveh ô, no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao, ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao? Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny fokon’ny lovanao!


Izahay hatry ny ela, no efa hoatra ny olona tsy tapahinao akory, sy tsy iantsoana intsony ny Anaranao. Inay Ianao mandriatra ny lanitra, dia midina, - dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!


Eo anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôteliny, dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh, hitomany ka hanao hoe: «Iaveh ô, tsimbino ny vahoakanao, aza atolotrao halaim-baraka ny lovanao, ka hataon’ny firenena fandatsa. Ahoana no dia anaovanao any amin’ny firenena hoe: Fa aiza izay Andriamaniny?»


Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.


Raha amin’ny Evanjely, dia mbola fahavalo izy noho ianareo; fa raha amin’ny fifidianana kosa, dia malala izy noho ny razany;


mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;


Nifona tamin’i Iaveh aho, ka nanao hoe: Ry Iaveh Tompo ô, aza mandringana ny vahoakanao, ny lovanao, izay navotanao tamin’ny fahalehibeazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin’ny tananao mahery.


Kanefa ireo no vahoakanao sy lovanao izay navoakanao avy tany Ejipta, tamin’ny herinao lehibe sy tamin’ny sandrinao nahinjitra.


ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,


Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra