Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Koa raha mahazo fanambinana teo imasonao tokoa aho, dia mba ampahafantaro ahy izay fikasanao. Ho fantatro Ianao amin’izay; sady ho tena nahazo fanambinana teo imasonao aho. Tsarovy koa fa ity firenena ity dia vahoakanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Koa ankehitriny, raha mba nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ahy ny lalanao mba hahalalako Anao ka hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Koa raha mahazo fanambinana teo imasonao tokoa aho, dia mba ampahafantaro ahy izay fikasanao. Ho fantatro Ianao amin’izay; sady ho tena nahazo fanambinana teo imasonao aho. Tsarovy koa fa ity firenena ity dia vahoakanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 koa ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao tokoa àry aho dia mba ampahalalao ahy ny lalanao, ary aoka hahalala Anao aho mba hahitako fitia eo imasonao. Hevero fa vahoakanao ity firenena ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny làlanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Koa ankehitriny, raha mba nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ahy ny lalanao mba hahalalako Anao ka hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:13
27 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Tsadôka: –Ento miverina any an-tanàna ny Vatamasin’Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason’ny TOMPO aho, dia mbola hoentiny miverina ihany, ka hampahitany indray ny Vatamasina sy ny fonena-masiny.


Efa nampahafantatra ny fikasany tamin’i Mosesy Izy ary ny asany mahery tamin’ny vahoaka israelita.


TOMPO ô, atoroy ahy ny lalànanao ho sori-dàlako mba hanarahako azy hatramin’ny farany.


TOMPO ô, ampahafantaro ny lalanao aho ary ampianaro hiaina araka ny sitrakao.


TOMPO ô, asehoy ahy ny lalana soritanao; noho ny amin’ireo fahavaloko, dia tariho amin’ny lala-mahitsy aho.


Aza esorina anoloanao aho; ny Fanahinao Masina, aza alana amiko.


TOMPO ô, toroy ny lalanao aho mba handehanako araka ny fahamarinanao, ataovy tokam-po aho mba hankatò Anao.


Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.


Ary hoy ny TOMPO hoe: –Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.


Raha izany no hataonao, dia hiteny ny Ejiptianina hoe: «Halozana no namoahan’ny Tompo ireo Israelita ireo hiala ny tanintsika, mba handringanany azy any an-tendrombohitra, ary hanafoanany azy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony.» TOMPO ô, toneo ny hatezeranao, ary avelao ny loza saika hamelezanao ny vahoakanao.


Dia najanon’ny TOMPO tamin’izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany.


Dia nilaza tamin’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Andeha midina izao ianao, fa efa nanao heloka bevava ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta.


sady niantso hoe: –Tompo ô, efa nahazo fanambinana teo imasonao ihany aho, koa miangavy anao mba hiara-dia aminay. Maditra mafy hatoka ity vahoaka ity, nefa mba avelao ny heloka amam-pahotany, ka raiso ho vahoakanao izahay.


Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe: –Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»


Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao, dia ho renao avy aoriana izao teny izao: «Ity no lalana ka araho».


TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.


Efa ela izahay no vahoaka tsy nofehezinao sady tsy niantsoana ny anaranao intsony! Enga anie hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra!


Aoka hitomany ao an-tempoly ireo mpisorona izay mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO! Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe: «TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao, aza avela ho afa-baràka ny olonao na holatsain’ny hafa firenena hoe: ‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »


Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an’i Jesoa Kristy Ilay nirahinao.


Raha ny amin’ny Vaovao Mahafaly, dia fahavalon’Andriamanitra ny Jiosy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ny fifidianana kosa, dia malalan’Andriamanitra izy ireo noho ny amin’ny razany.


ka mangataka amin’ilay Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia amin’ilay Ray be voninahitra, mba hanomezany anareo ny Fanahy Masina Izay mampahendry anareo sy manambara an’Andriamanitra aminareo ka hahalalanareo Azy tokoa.


Nifona tamin’ny TOMPO aho ka nanao hoe: «Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, aza aringanao ny vahoaka fanananao, izay navotanao tamin’ny fahalehibiazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin’ny fiarovanao mahery.


Kanefa, Tompo ô, ireo no vahoaka fanananao, izay navoakanao avy tany Ejipta tamin’ny herinao lehibe sy sandrinao nahinjitra.»


Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin’ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an’Andriamanitra,


Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra