Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia namaly ny TOMPO hoe: –Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminao, ka hanome anao fiadanana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia hoy Izy: Ny tenako mihitsy no handeha ka hanome anao fitsaharana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia namaly ny TOMPO hoe: –Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminao, ka hanome anao fiadanana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Dia hoy ny navalin’i Iaveh: «Ny Tavako no handeha hiaraka aminao, ary homeko fitsaharana ianao».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:14
20 Rohy Ifampitohizana  

Raha mangina Andriamanitra, zovy no hanameloka Azy? Raha manafin-tava Izy, zovy no hahita Azy? Kanefa miahy ireo firenena sy ny olombelona rehetra Izy


Koa nianiana tamin-katezerana Aho nanao hoe: Tsy hidiran’ireo ny toeram-pitsaharana nomaniko.»


Nialoha azy ireo ny TOMPO ka andry rahona no nitarihany lalana azy nony antoandro, ary andry afo no nanazavàny azy nony alina, hany ka afaka nandeha andro aman’alina ny Israelita.


Ary hoy Andriamanitra hoe: –Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Tany an-taniefitra no nanehoako hatsaram-po ny vahoaka sisa tsy matin’ny fandringanana. Hizotra milamina amin’izay i Israely.


Izao no lazain’ny TOMPO: Mijanòna eny an-dalana ianareo ka mandiniha; ary anontanio ny sakeli-dalana fahiny. Tadiavo ny lalana ho amin’ny fahasambarana; araho izany, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo! Kanefa hoy izy hoe: «Tsy hanaraka izahay!»


Fa ianao, ry Daniela, mizora hatramin’ny farany; dia hiala sasatra ianao ka hitsangana handray ny valisoanao amin’ny andro farany.› »


Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalàna, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Fa rehefa tafita an’i Jôrdàna ianareo ka honina any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia homeny fitsaharana ianareo ka tsy hisotasotan’ny fahavalo manodidina anareo fa handry feizay.


Hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo mahazo fitsaharana ianareo izao ka tsy ho voahelingelin’ny fahavalo rehetra manodidina anareo any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjara fanananareo; dia hovonoinareo ho faty ny Hamalekîta amin’izay mba tsy hisy olona hahatsiaro azy intsony eto amin’izao tontolo izao. Aza hadinoinareo izany!


Ampio ny Israelita hafa mandra-panomen’ny TOMPO azy fitsaharana tahaka ny nataony taminareo, ka hananany ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo azy any andafin’i Jôrdàna; dia samy hiverina any amin’ny zaratany izay nomeko anareo avy ianareo.»


Ny TOMPO mihitsy no handeha eo alohanao, Izy no hiaraka aminao ary tsy handao anao na hahafoy anao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.


Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe;


Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana.


Nampisy fandriam-pahalemana ho azy koa ny TOMPO tamin’ny sisin-tany manodidina azy, araka ny fianianana rehetra efa nataony tamin’ny razambeny. Nampandresen’ny TOMPO ireo fahavalony rehetra izy ka tsy nisy nahatohitra azy mihitsy ireny na iray aza.


Ankehitriny, araka izay efa nampanantenainy, dia nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo fandriampahalemana ny mpiray firenena aminareo; koa mahazo miverina any an-dainareo ianareo ankehitriny, any amin’ny tany izay efa nomen’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO ho anareo eny ampita atsinanan’i Jôrdàna.


Fotoana ela taorian’ny nanomezan’ny TOMPO fandriampahalemana ho an’i Israely ka nanafahany azy tamin’ireo fahavalo rehetra nanodidina azy, dia efa antitra be i Josoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra