Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 33:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa hoy indray i Mosesy taminy: –Raha tsy Ianao mihitsy no handeha hiaraka aminay, dia aza mibaiko anay hiala eto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa hoy i Mosesy taminy: Raha tsy ny tenanao mihitsy no handeha dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa hoy indray i Mosesy taminy: –Raha tsy Ianao mihitsy no handeha hiaraka aminay, dia aza mibaiko anay hiala eto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ka hoy i Môizy: «Raha tsy handeha ny Tavanao dia aza mampiala anay eto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:15
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny mpaminany iray: –Maninona raha mba miaraka aminay any koa ianao, tompoko? Dia novalian’i Elisà hoe: –Eny, fa handeha aho.


Fa manaova kosa sorona araka ny lalàna ary dia matokia ny TOMPO.


Eo anatrehan’i Efraîma sy i Benjamîna ary i Manase, fohazy ny herinao ka tongava hamonjy anay.


Ataonao ho fanarabin’ireo firenen-kafa izay mpifanila aminay izahay sy ho fihomehezan’ny fahavalonay.


Amin’izay ianareo dia ho afaka hiditra amin’io tany izay tondra-dronono sy tantely io. Saingy tsy hiara-mandeha aminareo ny tenako, fandrao haringako eny an-dàlana ianareo satria vahoaka mafy hatoka.


sady niantso hoe: –Tompo ô, efa nahazo fanambinana teo imasonao ihany aho, koa miangavy anao mba hiara-dia aminay. Maditra mafy hatoka ity vahoaka ity, nefa mba avelao ny heloka amam-pahotany, ka raiso ho vahoakanao izahay.


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra