Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Indro Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity; nefa Ianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Ianao efa nilaza hoe: Mahalala anao amin’ny anaranao Aho ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ary hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity vahoaka ity, kanefa izay hirahinao hiaraka amiko mbola tsy lazainao amiko. Nilaza anefa Ianao nanao hoe: Fantatro amin’ny anaranao ianao, efa nahita fitia eo imasoko ianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary hoy Mosesy tamin’i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Indro Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity; nefa Ianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Ianao efa nilaza hoe: Mahalala anao amin’ny anaranao Aho ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:12
16 Rohy Ifampitohizana  

Nofidîko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin’i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.»


Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Tsadôka: –Ento miverina any an-tanàna ny Vatamasin’Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason’ny TOMPO aho, dia mbola hoentiny miverina ihany, ka hampahitany indray ny Vatamasina sy ny fonena-masiny.


Tsimbinin’ny TOMPO tokoa ny fiainan’ny olo-marina, fa ny an’ny olon-dratsy kosa mankamin’ny fahaverezana.


Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.


Rehefa hitan’ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan’ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe: –Ry Mosesy! Ry Mosesy! Ka hoy ny navaliny Azy: –Inty aho.


Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.


Nibaiko an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Mandehana, mialà amin’ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homeko ny taranany.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.


Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


sady niantso hoe: –Tompo ô, efa nahazo fanambinana teo imasonao ihany aho, koa miangavy anao mba hiara-dia aminay. Maditra mafy hatoka ity vahoaka ity, nefa mba avelao ny heloka amam-pahotany, ka raiso ho vahoakanao izahay.


Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: «Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.


Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin’ny toerana maizina sy ny harena nafeniny ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin’ny anaranao; Izaho no Andriamanitr’i Israely.


–Mbola tsy noforoniko tao an-kibon-dreninao akory ianao dia efa fantatro, ary mbola tsy teraka akory ianao dia efa natokako hanompo Ahy sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro.


araka ny fanekempihavanana nataoko taminareo fony ianareo niala tany Ejipta. Ary hitoetra eo anivonareo ny Fanahiko; koa aza matahotra ianareo.


Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy», sy ny hoe «Aoka hiala amin’ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra