Mahery indrindra Andriamanitra ary efa nampanantena Izy fa hiaraka aminao. Mahagaga Izy ary mikarakara anao, matokia Azy fotsiny. Izy no Mpamonjy anao, ka nirahiny ny Zanany Lahitokana ho faty noho ny fahotanao.
Amin’Andriamanitra, ny zavatra rehetra dia hain’ny finoanao. Raha te hahalala an’Andriamanitra ianao dia manatòna Azy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny Teniny. Maniry mafy ny hanatonanao Azy ny Tompo.
Tsy misy tsiny ny lalan’Andriamanitra; voazaha toetra ny tenin’i Jehovah. Ampinga Izy ho an’izay rehetra mialoka Aminy. (2 Samoela 22:31)
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva. Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany. Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe.
Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.
Ny tenin’i Iaveh no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy. Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany? I Iavehn’ny tafika, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! - Selà Fa Izy no nanorina azy, tambonin’ny ranomasina; sy nampitoetra azy tambonin’ny ony.
Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka. Ny sipresy no haniry eo amin’izay misy tsilo, ary ny mirta no hipoitra eo amin’izay misy hery. Ho voninahitra ho an’i Iaveh izany, ary tsangam-bato mandrakizay tsy horavana.
Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany. Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany; mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany.
Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala,
Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana. Fahaizany no nivakian’ny hantsana, sy ampitetevan’ny rahona ny ando.
Fa Ianao irery, dia Ianao ry Iaveh, no nanao ny lanitra, ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny tafika rehetra eo aminy, ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy. Ianao no manome aina an’izany rehetra izany; ary mitsaoka Anao ny tafiky ny lanitra.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao! Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny; hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany. Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo. Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany, mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony. Feno ranony ny hazon’i Iaveh, mbamin’ny sederan’i Libàna izay namboleny. Manao ny akaniny eo ny vorona, mbamin’ny vano izay mitoetra ao amin’ny sipresy; ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia, ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy. Ny volana nataony famantarana andro; ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany. Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.
Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba ny tempoly nataon’ny tanan’ny olona fotsiny no itoerany. Tsy mba tompoin’ny tanan’olombelona Izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy, fa Izy aza no manome an’izao rehetra izao ny aina sy ny fofon’aina, ary ny zavatra rehetra.
Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any! biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra, mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany. Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia! Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra! Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra. Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary ianareo rano ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo: fa mandidy Izy, dia àry izy ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy, ary nametraka lalàna izay tsy hodikaina.
Mba taiza moa ianao fony Aho nandatsaka ny fanorenan’ny tany? Lazao raha manam-pahalalana ianao. raha mamitsaka ao amin’ny lavany ireny, na manotrika ao amin’ny kirihitr’ala? Iza no manoman-kanina ho an’ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany, ka mirenireny atsỳ sy arỳ tsy mahita hanina ireny? Iza no nametra izay ho refiny? Fantatrao va? Iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? Amin’inona no ipetrahan’ny tongony ary iza no nametraka ny vato fehizorony, raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, sady nihobim-pifaliana avokoa ireo zanak’Andriamanitra.
Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra.
Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay namelatra ny tany eo ambonin’ny rano, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nanao ireo fahazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Lehibe ny asan’i Iaveh; katsahin’ny olona Izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy. Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny.
Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany, ary azy ny tampon’ny tendrombohitra. Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy; mbamin’ny tany koa, fa ny tanany no namorona azy.
Izaho no nanao ny tany, sy nahary ny olona eo amboniny; izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako, izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen.
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»
Hoy aho: «Ry Andriamanitro, aza alainao aho eo antenantenan’ny androko, Ianao izay aharetan’ny taonanao, amin’ny taona mifandimby.»
Izy no mamelatra ny avaratra eo ambonin’ny habakabaka babangoana, manantona ny tany eo ambonin’ny tsinontsinona; mampihiboka ny rano eo amin’ny rahony; kanefa tsy miparitaka noho ny havesaran’izany ny rahona.
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.
Fa saronany rahona ny lanitra, ary ny tany amonònany ranonorana; mampaniry ahitra ny tendrombohitra Izy. Manome hanina ny biby fiompy sy ny zana-goaika mitaraina aminy Izy.
Mba efa nandidy maraina va ianao hatrizay niainanao? Moa nanondro ny fitoerany tamin’ny mazava atsinanana, mba handraisany ny tany amin’ny sisiny, sy hanintsanany ny ratsy fanahy hiala eo,
Fa ahy avokoa ny biby any an’ala, mbamin’ny biby eny an-tendrombohitra, an’arivony. Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra, ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha.
Tsy hatahotra Ahy va ianareo, - teny marin’i Iaveh; tsy hangovitra eo anatrehako va ianareo? Izaho no nanao ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fefy mandrakizay tsy hihoarany! Mitopatopa ny onjany, fa tsy afaka izy; mirohondròhona izy, fa tsy afa-mihoatra azy.
Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.
Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo, fa na dia i Salômôna tao amin’ny voninahiny rehetra aza, dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao, hihira ho an’ny voninahitrao, hankalaza ny Anaranao!»
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Efa nidiranao va ny firaketana ny oram-panala? Efa hitanao va ny fitahirizana ny havandra?
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.
Efa teo aho, fony Izy nandamina ny lanitra, fony Izy nanoritra faribolana tambonin’ny hantsana, fony Izy nampitoetra ny rahona eny ambony; sy namolaka ny loharano avy amin’ny hantsana, fony Izy nanisy faritra ho an’ny ranomasina, mba tsy hihoaran’ny rano ny morony; fony Izy nandatsaka ny fanorenan’ny tany.
Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?
Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy Nampanjakainao amin’ny asan-tananao izy, napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra: omby aman’ondry tsy an-kanavaka, mbamin’ny biby any an-tsaha;
Fa na dia izany aza no tenin’izy roa lahy, dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy.
Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ostritsa, satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina, hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko, ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy.
Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; lalana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy. Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
Fa niteny Izy, ary nampifofofofo tafio-drivotra, izay nampisondrotra ny onjan-dranomasina; ka tafasavoana hatrany an-danitra izy ireo, tafalentika ao amin’ny hantsana; trotraky ny fahoriana ny fanahiny. Fanina izy, ka nivembena hoatra ny mamo; ary foana avokoa ny fahendreny rehetra. Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy, ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany. Novany ho tsotso-drivotra malemy ny tafio-drivotra, dia nangina ny onjan-dranomasina.
Fa i Iaveh Andriamanitra lehibe, mpanjaka lehibe, ambonin’ireo andriamanitra rehetra. Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany, ary azy ny tampon’ny tendrombohitra.
Hoy Andriamanitra: «Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; ary aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany.» Dia tanteraka izany.
mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.
Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; Aoka ny tany mbamin’ny mponina eo aminy hampiseho ny fientanan-kafaliany. Aoka ho velon-tehaka ny ony; aoka hanao hobin-kafaliana ny tendrombohitra rehetra,
Hampiboiboika renirano, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho, ary loharano eo afovoan’ny lohasaha; hovako ho farihy ny efitra; ary ho loharano miboiboika, ny tany karankaina. Ny efitra hampaniriako sedera akasià, mirta sy ôliva; hataoko indray maniry eo amin’ny tany lava volo ny sipresa, platàna, ary boisy. «Iza no nampiakatra avy any atsinanana an’ilay ifanenan’ny fahamarinana. ny diany? Iza no nanolotra azy an’ireo firenena, sy nampanaiky azy an’ireo mpanjaka? Mampanjary ny sabany ho vovoka Izy; ary ataony tonga sahala amin’ny akofa entin-drivotra ny tsipìkany. Mba ho hitany sy fantany ary hodinihiny sy hiarahany mahalala, fa ny tanan’i Iaveh no nanao izany, ary ilay Masin’i Israely no nahary izany.
Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao Aho, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Aoka hifaly kosa ianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay, noho izay efa hoarîko: fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana, sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana.
«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.
Mandefa ny teniny ho amin’ny tany Izy, faingana dia faingana ny fandehan’ny teniny. Mandatsaka oram-panala, tahaka ny volon’ondry izy, ary mandraraka fanala tahaka ny lavenona. Atsipiny am-bakivàkiny ny vongan-dranomandriny, ka zovy no mahatoha ny hatsîakany? Mandefa ny teniny Izy, dia mampiempo an’ireny, mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
Izaho dia niasa teo anilany, niravoravo isan’andro isan’andro, nilalao teo anatrehany mandrakariva, nilalao teo amin’ny gilôbin’ny taniny, ary nahita fahafinaretana teo amin’ny zanak’olombelona.»
Nasiany faritra manodidina eny ambonin’ny rano, eo amin’ny fisarahan’ny mazava sy ny maizina. Mihozongozona ny andrin’ny lanitra, sady ankona amin’ny teny mafy ataony. Ny heriny no anaingany ny ranomasina, ny fahendreny no anorotoroany ny avonavona. Ny fofon’ainy no anjarian’ny lanitra ho madio, ary ny tanany no nanao ny menarana mpandositra. Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»
Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany.
Manangona ny ranon’ny ranomasina izy toy ny zavatra iray miavosa, ny ranon’ny hantsana ataony ao amin’ny fanangonana azy.
Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy, hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy. Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray, ny zanak’ireo, hiray trano fandriana; ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby. Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana; ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tavany ao an-davaky ny baziliky. Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh, toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Vao nandre izany kosa ireto havana iray finoana, dia niara-nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô! Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; fa ny lalàn’ny Fanahin’ny aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa. satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy, nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalòvana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia, ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy. Ny volana nataony famantarana andro; ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany. Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay. Mampiavy ny haizina Izy, ka alina ny andro, dia mihetsiketsika miaraka amin’izay ny biby rehetra any an’ala. Mierona maniry toha, ny liona tanora, mangataka ny haniny amin’Andriamanitra. Miposaka ny masoandro dia mihataka ireny ka lasa mamitsaka any an-davany.
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany.
Ry Jôba ô, tandremo izany zavatra izany, miatoa ianao handinika ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra. Fantatrao va ny anaovany an’izany, sy ampanjelanjelarany ny tselatra eny amin’ny rahona? Azonao va ny fihevahèvan’ny rahona, ny zava-mahagaga ataon’Ilay manam-pahalalana tanteraka,
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?
mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany, ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-
Ny fofon’ainy no anjarian’ny lanitra ho madio, ary ny tanany no nanao ny menarana mpandositra.
Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy. Sokafanao ny tananao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.
na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina, ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan’Andriamanitra; ny fonenany masina onenan’ny Avo indrindra.
Aoka hahavokatra fiadanana ho an’ny vahoaka ny tendrombohitra, torak’izany ny havoana, amin’ny fahamarinana.
Dia naoriny ny fitoerany masina, toy ny havoana manakatra ny lanitra, tahaka ny tany naorina ho mandrakizay.
Mangovita eo anatrehany, ry mponina amin’ny tany rehetra, ary izao tontolo izao, voaarina, tsy mba hivembena. Aoka hifaly ny lanitra, ary aoka hiravo ny tany! Aoka holazaina eram-pirenena ny hoe: ‹Mpanjaka i Iaveh!› Aoka hirohondrohona ny ranomasina, mbamin’izay rehetra eo aminy! Aoka hisomebiseby ny saha, mbamin’izay rehetra eo aminy! Ary aoka hanandra-peo fifaliana ny hazo an’ala, eo anatrehan’i Iaveh fa avy hitsara ny tany Izy. Miderà an’i Iaveh fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina. Dia nentiny am-panahy tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra. Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy, ary voazavan’ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny; nisy Anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely. Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana. Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny mandan’ny tanàna; ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo, dia ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry. Nitondra volotara volamena fandrefesana ilay niteny tamiko, mba handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany. Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony. Norefesiny koa ny mandany ka efatra amby efapolo amby zato hakiho araka ny refin’ny olona sy ny an’ny Anjely koa. Vato jaspa no nanaovana ny mandan’ny tanàna; ary tena volamena madio toy ny fitaratra kristaly ny tanàna. Voaravaka vatosoa isan-karazany ny vato fanorenana ny mandan’ny tanàna. Jaspa ny fanorenana voalohany, safira ny faharoa, kalsedoàna ny fahatelo, emeraoda ny fahefatra, Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny.
Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny; hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany. Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy; fa rehefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny ànana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitienina . Tononkiran’i Davida. Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao amin’ny tany rehetra!» Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen!
Izay manome hanina ny velona rehetra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro, ary dodona izy mba hody any amin’ny fonenany, dia miposaka avy any ihany indray. Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray, ka manomboka mihodina toraky ny teo. Mankany amin’ny ranomasina avokoa, ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina; any amin’ny toerana alehany no ankanesany tsy tapaka.
Mikotrokotroka any ambony rano be ny feon’i Iaveh, mampikotrokorana ny Andriamanitry ny voninahitra; eny ambony rano be i Iaveh. Mafy ny feon’i Iaveh; be voninahitra ny feon’i Iaveh.
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako? Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy. Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, ianareo nitomany azy; mba hinonoanareo sy hivokisanareo, amin’ny nonon’ny fampiononany; ary mba hankafizanareo amim-pahafinaretana, ny hafenoan’ny voninahiny. Satria izao no lazain’i Iaveh: Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka; ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana. Hoatra ny olona alan-dreniny alahelo, no hanalako alahelo anareo, ka dia ho afaka alahelo ao Jerosalema ianareo. Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy, sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany. Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana, sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda. Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana, ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra; ary maro no ho voagorobak’i Iaveh. Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly, eo ivohon’ilay iray efa mijoro eo afovoany, izay mihinana hena kisoa sy ny zava-betaveta mbamin’ny totozy, dia hiara-devona avokoa, - teny marin’i Iaveh.- Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro, ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka, Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo. Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.
ary Izy no mitana eo an-tanany ny ain’ny manana aina rehetra, mbamin’ny fofon’ain’ny olombelona rehetra?
Ny ony, novany ho efitra, ary ny loharano ho tany karankaina, ny tany mahavokatra ho tanin-tsira noho ny haratsian’ny mponina teo aminy.
Odian’izy ireo tsy fantatra fa hatramin’ny voalohany dia efa nisy tokoa ny lanitra, ary toy izany koa ny tany, izay niseho avy amin’ny rano sy natao tamin’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra,
Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa. satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana.
Iaveh ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna; tendreo ny tendrombohitra dia aoka hirehitra izy. Aoka Ianao hampanjopiaka ny tselatra ka hampiparitaka ny fahavalo; alefaso ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireny.
Nataon’i Iaveh ho amin’ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra; ary na ny ratsy fanahy aza ho amin’ny andro mahory koa.
Dia nasehony ahy ity onin-dranovelona, mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, namaky ny kianjan’ny tanàna. Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombokase ny teny faminaniana amin’ity boky ity, fa efa antomotra ny fotoana. Ka ny olon-dratsy avelao hanao ratsy ihany; izay maloto avelao hihamaloto ihany. Fa ny olo-marina kosa, aoka hihamarina kokoa, ary ny efa masina aoka hihamasina kokoa. Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy. Izaho no Alfà sy Omegà, voalohany sy farany, ary fiandohana sy fiafarana. Sambatra izay manasa ny akanjony amin’ny Ran’ny Zanak’ondry, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina, sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna. Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga. Izaho Jesoa no naniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an’ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak’i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro. Ary hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina: Avia! Aoka izay nandre koa hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin’izay maniry izany, ka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina! Ary izao no lazaiko amin’izay rehetra mandre ny teny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy azy, dia hasian’Andriamanitra amin’ny loza voasoratra amin’ity boky ity. Ary raha misy kosa manesotra teny amin’ity boky faminaniana ity, dia hoesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy ny tanàna masina voasoratra amin’ity boky ity. Teo an-daniny roa amin’ny ony, dia nisy hazon’aina mamoa indroa ambin’ny folo, dia indray mandeha isam-bolana, ary mandravina fanasitranana ny firenena.
mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra. Fiteny mahameloka no iresahany Anao, manonom-poana ny Anaranao ireo fahavalonao ireo. Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao, sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao? Halako dia halako tanteraka tokoa ireny, fahavaloko izy ireny, raha izaho. Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay. Ianao mitsirika ahy na mandeha na mandry, asa mahazatra anao ny lalako rehetra.
Tsarovy ny Mpahary anao, amin’ny andron’ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro ratsy ary tsy mbola akaiky ny taona hanaovanao hoe: - Tsy sitrako izao.
Jereo fa an’i Iaveh Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
Ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-miraotra vilona, ny menarana hihinam-bovoka; ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby; ary ny tany no hiveloman’ny bibilava. Ary tsy hisy ratsy na fanimbana hatao, eo amin’ny tendrombohitro masina manontolo, hoy i Iaveh.
Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia!
Fa tsy mba manao anakam-po hoe: Aoka isika hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika, izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha orana sy ny fara orana, amin’ny fotoany avy, sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.
Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany!
Mba efa nidina tany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao sy efa nitsangantsangana tany amin’ny fanambanin’ny hantsana va ianao?
Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony: fa mitety ny tany rehetra ny fanenon’ny feony, ka tonga hatramin’ny faran’ny tany ny fikarantsan’ny feony. Dia any Izy no nanangan-day ho an’ny masoandro.
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina, hiravoravo ny tany lemaka lava volo, ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra. ary hamony tahaka ny narsisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe. Mivezivezy ao ny sambo, mbamin’i Leviatàna nataonao hilalao eo amin’ny onja.
Satria izao no lazain’i Iaveh: Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka; ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana. Hoatra ny olona alan-dreniny alahelo, no hanalako alahelo anareo, ka dia ho afaka alahelo ao Jerosalema ianareo.
Ianao va no mizaha remby ho an’ny liom-bavy, sy manafa-kanoanana ny liona tanora, Mba taiza moa ianao fony Aho nandatsaka ny fanorenan’ny tany? Lazao raha manam-pahalalana ianao. raha mamitsaka ao amin’ny lavany ireny, na manotrika ao amin’ny kirihitr’ala? Iza no manoman-kanina ho an’ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany, ka mirenireny atsỳ sy arỳ tsy mahita hanina ireny?
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
nihaino ny vavaky ny fadiranovana, tsy nanamavo ny fitarainany. Aoka hatao an-tsoratra izany, ho an’ny taranaka ho avy; ary aoka hankalazain’ny firenena vao hiforona i Iaveh. Iaveh, henoy ny fivavahako, Satria nitsinjo amin’ny havoany masina Izy, satria nitsinjo ny tany teny an-danitra i Iaveh; mba hihaino ny fitarainan’ireo voababo, mba hanafaka an’ireo efa voatendry hovonoina ho faty, mba hitorian’ireo ny Anaran’i Iaveh ao Siôna, sy ny fiderana Azy ao Jerosalema;
Sambatra ny olona fidinao sy raisinao ho akaikinao, mba honina ao an-kianjanao! Enga anie izahay ka hivoky ny zava-tsoa ao an-tranonao, dia ao an-tempolinao masina. Zava-mahagaga no anekenao ny fangatahanay noho ny fahamarinanao, ry Andriamanitry ny famonjena anay, tokin’ny vazantany efatra, sy ny ranomasina lavitra any. - Izy no mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny; misikina ny fahefany,
Ianao no nanorotoro an-dRahaba toy ny faty; sy nampiely ny fahavalonao, tamin’ny herin-tsandrinao. Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; ny tany sy izay rehetra ao aminy, Ianao no nanorina azy.
Ary izao koa: Ianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin’ny voalohany, ary asan-tananao ny lanitra.
Ny efitra kosa novany ho kamory, ary ny tany karankaina ho tany be loharano, Dia namponeniny eo ny noana, ka nanorin-tanàna honenany. Namafy ny saha ireny sy namboly voaloboka, ary nahazo vokatra be. Fa izy nanambina azy ireo, ka nitombo betsaka izy, ary tsy navelany hihavitsy ny biby fiompiny.
Efa nidiranao va ny firaketana ny oram-panala? Efa hitanao va ny fitahirizana ny havandra? izay tahiriziko ho vonon-ko amin’ny andro fampahoriana, dia amin’ny andro misy ady aman-tafika?
Mampiavy ny haizina Izy, ka alina ny andro, dia mihetsiketsika miaraka amin’izay ny biby rehetra any an’ala. Mierona maniry toha, ny liona tanora, mangataka ny haniny amin’Andriamanitra. Miposaka ny masoandro dia mihataka ireny ka lasa mamitsaka any an-davany. Ny olombelona mivoaka amin’izay ho any amin’ny asany; sy ho any amin’ny raharahany mandra-paharivan’ny andro.
mampihiboka ny rano eo amin’ny rahony; kanefa tsy miparitaka noho ny havesaran’izany ny rahona.
Aoka hatahotra an’i Iaveh ny tany rehetra! Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao. Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
ka nianiana tamin’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony;
Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana . Salamo. Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay; nandatsaka anay tamin’ny memy toy ny volafotsy; nampiditra anay tamin’ny fandrika harato; nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay. Nampandeha olona hanosy ny lohanay namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa. Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho, hanefa aminao ny voadiko, izay efa notononin’ny molotro, sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana, mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy; mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy ho sorona dorana aho. - Selà Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra, izay nataony ho an’ny fanahiko Niloa-bava nitaraina taminy aho, ary teo ambony lelako ny fiderana Azy. Raha nahita ota tao am-poko aho, dia tsy ho nihaino ahy ny Tompo. Nefa efa nohenoin’Andriamanitra aho, efa nihaino tsara ny feon’ny fivavahako Izy. Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny Anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo. Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikanina, Jakôba zanak’i Alfe sy Tade, Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Mihoatra noho ny feon’ny ranobe, sy ny onjan-dranomasina mahery, dia be voninahitra i Iaveh any amin’ny avo!
Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena? sa ny lanitra no manome ny ranonorana? Fa tsy Ianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray? Koa Ianao no antenainay, satria Ianao no manao izany rehetra izany.»
Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany,
Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain’ny marina. Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh. Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’i Iaveh.