Isaia 44:24 - Baiboly Katolika24 Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201124 Izao no lazain’NY TOMPO, izay nanavotra anao sady namolavola anao hatrany am-bohoka: Izaho no TOMPO izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany; Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA24 Ry vahoaka Israely, ny TOMPO Izay nanavotra anao, Ilay namorona anao hatrany am-bohòka, dia indro milaza aminao hoe: «Izaho TOMPO no manao ny zavatra rehetra, Izaho irery ihany no nanenjana ny lanitra sy namelatra ny tany fa tsy nisy nanampy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara24 Ry vahoaka Israely, ny TOMPO Izay nanavotra anao, Ilay namorona anao hatrany am-bohòka, dia indro milaza aminao hoe: «Izaho TOMPO no manao ny zavatra rehetra, Izaho irery ihany no nanenjana ny lanitra sy namelatra ny tany fa tsy nisy nanampy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy24 IZAO no lazain’i Jehovah, Izay nanavotra anao Sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany; Jereo ny tokoMalagasy Bible24 Izao no lazain'i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany; Jereo ny toko |