Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 13:32 - Baiboly Katolika

32 Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy; fa rehefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny ànana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voromanidina ka manorina akany eo amin’ny rantsany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

32 Madinika indrindra amin’ny voa famafy rehetra ny voan-tsinapy, saingy rehefa maniry, dia izy no lehibe indrindra amin’ny anana rehetra sady tonga hazo; dia avy ny voro-manidina manao akany honenana ao amin’ny rantsany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Madinika indrindra amin’ny voa famafy rehetra ny voan-tsinapy, saingy rehefa maniry, dia izy no lehibe indrindra amin’ny anana rehetra sady tonga hazo; dia avy ny voro-manidina manao akany honenana ao amin’ny rantsany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin’ny rantsany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voromanidina ka manorina akany eo amin’ny rantsany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:32
20 Rohy Ifampitohizana  

Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo.


Ny voromanidina rehetra, nanao akany teo amin’ny sampany; ny biby rehetra any an-tsaha, niteraka teo ambanin’ny rantsany; ny firenena maro no nipetraka teo ambany alokalony.


Fa iza no hanamavo ny andron’ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tanan’i Zôrôbabela. Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason’i Iaveh mitety ny tany rehetra.


Ary hoy indray Izy: «Amin’inona no hampitahàntsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?


fa tonga lehibe indrindra amin’ny ànana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina ialofana ny alokalony.»


Dia hoy koa i Jesoa: «Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy?


Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo mpino i Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe:


Nony nandre izany izy ireo, dia nankalaza an’Andriamanitra sy nanao taminy hoe: «Hitanao, ry rahalahy, fa arivo maro ny Jody nino izao, nefa mbola fatra-pitana ny Lalàna izy rehetra.


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra