Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 40:22 - Baiboly Katolika

22 Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify ary manenjana azy tahaka ny tranolay hitoerana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Izy no mipetraka amin’ny sezafiandrianana eo ambonin’ny habakabaka izay andohalambon’ny tany; ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny. Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Izy no mipetraka amin’ny sezafiandrianana eo ambonin’ny habakabaka izay andohalambon’ny tany; ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny. Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, Ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina Ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 40:22
28 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Andriamanitra: «Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin’ny rano.»


Manjary sarona eo anatrehany ny rahona ka tsy mahita Izy, fa any amin’ny lanitra boribory any foana no mandehandeha›.


Izy no mamelatra ny avaratra eo ambonin’ny habakabaka babangoana, manantona ny tany eo ambonin’ny tsinontsinona;


Iza no mahafantatra ny fivelatry ny rahona, mbamin’ny fikotrokotroky ny lain’ny Tsitoha?


Mba mahavelatra ny rahona toa Azy va ianao, ka mampitoetra mafy azy toa varahina manganohano?


Izy irery no mamelatra ny lanitra, mandia ny onjan-dranomasina.


Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.


Nitaingina Kerobima Izy dia nanidina; nanidina nisononoka teo ambonin’ny ela-drivotra.


Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony:


Ilay mipetraka any an-danitra mitsiky; maneso an’ireny ny Tompo.


Amin’ny safodrano dia mipetraka ao ambonin’ny fiketrahany i Iaveh, mipetraka ao amin’ny fiketrahany ho mpanjaka mandrakizay i Iaveh.


Mihirà ho an’Andriamanitra ianareo, fanjakana eto an-tany, mankalazà ny Tompo ianareo! - Selà


Efa teo aho, fony Izy nandamina ny lanitra, fony Izy nanoritra faribolana tambonin’ny hantsana,


Faminaniana ny amin’i Ejipta. Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.


«Ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany.


Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin’ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika.


Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, fa ataony zava-poana sy tsinontsinona.


tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.


Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.


Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?


ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?


Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?


Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.


Didim-pitsarana. Tenin’i Iaveh amin’i Israely. Teny marin’i Iaveh, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:


ary hitanay tany koa ny Rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny Rapeto: mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra