Ny fanatitra dia fanomezana, ary mahafinaritra an'Andriamanitra izany. Rehefa manomana ny fanatitrao ho an'Andriamanitra ianao dia tsarovy fa tokony ho ny tsara indrindra anananao no atolotrao, ary ataovy amin'ny fo feno fitiavana sy fifaliana. Tadidio fa efa nomen'Andriamanitra antsika betsaka lavitra noho izay mendrika antsika. Na dia tsy mendrika aza isika dia efa notahiny tondraka. Raha ny ambim-bavanao ihany no omena dia fantaro fa toy izany koa no ho fiherin'ny fiainana aminao.
Aoka isika hanome toy ny hoe ho antsika ihany, tsy an-tery fa amin'ny fo malalaka. Tsy tokony hanantena valiny isika na hanao izany mba hahazo dera avy amin'ny olona. Aoka ny tanana havanana tsy hahafantatra izay ataon'ny tanana havia. Tian'ny Tompo izay manome am-pifaliana satria fantany ny ao am-pontsika.
Samia manome araka izay fanapahan-keviny ao am-pony, tsy am-pahoriana na an-tery, fa tian'Andriamanitra izay manome am-pifaliana (2 Korintiana 9:7). Ny fanatitra dia ampahany amin'izay efa nomen'Andriamanitra antsika, atolotsika ho fanehoam-pitiavana Azy. Rehefa manome Andriamanitra dia manome tondraka Izy. Koa rehefa manatitra amin'ny fo ianao dia manokatra varavarana hahazoanao fitahiana tondraka avy amin'Andriamanitra. Arakaraka ny anomezanao no hahazoanao.
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany. Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany aho, dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana. Ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin’ny zava- manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo- drano mandringana ny nofo rehetra intsony.
Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;
Manao fanekena aminao Aho, aminao sy amin’ny taranakao, hanaraka anao amin’ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao Aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao. Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo.»
Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra, fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy. Izany no teny holazainao amin’ny zanak’i Israely.»
Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena ary novakiny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe: «Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.» Dia nalain’i Môizy ny ra, nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe: «Ity no ran’ny fanekena nataon’i Iaveh taminareo momba izany teny rehetra izany.»
«Koa aoka ho fantatrao àry fa i Iaveh Andriamanitrao no Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.
Tsy noho ny fahamarinanao na ny hitsim-ponao no andehananao haka ny taniny ho fanananao, fa noho ny haratsian’ireo firenena ireo no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao azy eo anoloanao, ary koa mba hahatanterahan’ny teny efa nianianan’i Iaveh tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao.
Miseho eto anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo rehetra anio, dia ny lehibenareo, ny fokonareo, ny loholonareo, ny mpifehy anareo, ny lehilahy rehetra amin’i Israely,
Indro, nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara, ny fahafatesana sy ny ratsy, tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Iaveh Andriamanitrao sy handeha amin’ny lalany, ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsipiny, mba ho velona ianao, sy hihamaro ary hambinin’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny tany efa hidiranao mba hanananao azy.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà: ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’i Iaveh: - Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko. Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho; hofoanako tsy hisy amin’ny tany, ny biby masiaka; handry feizay izy any an’efitra; ary hatory any anaty ala.
Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo, ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany.
Ny fanekeko tamin’i Levi, dia fiainana amam-piadanana, ary nomeko azy izany soa izany; ary fanekem-pahatahorana, ka dia natahotra Ahy, sy nangovitra teo anatrehan’ny Anarako izy.
Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo.»
Fa ny Azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra kokoa sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa. Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy nisy antony hanoloan’ny faharoa azy akory.
Noho izany, dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy, mba hahazoan’izay voaantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rehefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana natao tamin’ny fanekena taloha.
Fanekena toy izao no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely rehefa afaka izany andro izany, dia hoy indray ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony, ka havelako ny hadisoany, ary tsy ho tsaroako ny fahotany;
dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo, rehefa voaesotra ny fahotany.
Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao. Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany. Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: «Fantatro fa noho ianao vehivavy tsara tarehy, rehefa mahita anao ny Ejiptianina dia hataony hoe: Vadiny io, ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy. Koa lazao fa anabaviko ianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.» Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny. Nony nahita azy ny lehibe ao amin’i Faraôna dia nataony laza masaka tamin’i Faraôna izy: ary nalaina ho ao an-dapan’i Faraôna ravehivavy. Nasiany soa i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondra vavy sy rameva. Nefa loza mafy dia mafy no namelezan’i Iaveh an’i Faraôna sy ny ankohonany, noho ny amin’i Saray vadin’i Abrama, ka nampaka an’i Abrama i Faraôna nilazany hoe: «Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy, fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana.» Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. Dia nohafatrafaran’i Faraôna ny mpanompony, ny amin’i Abrama, ka nalefany hody izy sy ny vadiny, omban’ny fananany rehetra. Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.»
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao; Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao, dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo. Hifora amin’ny nofonareo ianareo; ary izany no ho mariky ny fanekeko aminareo. Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin’ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin’ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao. Tsy maintsy foràna avokoa ny lehilahy, na ny teraka ao an-trano, na ny novidim-bola, ka dia ho eo amin’ny nofonareo ny fanekeko, ho fanekena mandrakizay. Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.» Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany. Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ka ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.» Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!» Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: «Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!» Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy. hanorina ny fanekeko aminao aho, sady hahamaro tsy hita isa anao.»
«Efa nianiana tamin’ny tenako Aho, hoy i Iaveh, fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy, dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony. Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.»
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soratinao ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no anaovako fanekena aminao sy amin’i Israely.» Efapolo andro sy efapolo alina i Môizy no tao amin’i Iaveh tao; tsy nihina-mofo na nisotro rano akory. Ary nosoratan’i Iaveh tamin’ireo takelaka ny tenin’ny fanekem-pihavanana dia ny Teny folo.
Nanao fanekena tamintsika i Iaveh Andriamanitsika tany Horeba. «Nanatona ahy ianareo, rehefa nandre ny feo avy teo amin’ny haizina, raha nirehitra afo daholo ny tendrombohitra, dia ny filohan’ny fokonareo rehetra sy ny loholonareo, ka hoy ianareo: Indro i Iaveh Andriamanitsika efa naneho ny voninahitra amam-pahalebeazany tamintsika, ary isika efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa hitantsika androany Andriamanitra miteny amin’ny olombelona, ary ny olombelona dia mbola velona. Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon’io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon’i Iaveh Andriamanitsika indray.» «Satria tamin’izao nofo rehetra izao, zovy moa no efa nandre ny feon’Andriamanitra velona, niteny tao afovoan’ny afo, tahaka antsika, nefa mbola velona ihany? Koa ianao re no aoka hanatona ary hihaino izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika, dia ianao no hilaza aminay izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika aminao, ka hohenoinay sy harahinay izany. «Ren’i Iaveh teo am-pitenenanareo tamiko ny teninareo, ka hoy i Iaveh tamiko: Efa reko ny teny nolazain’io vahoaka io taminao, ka tsara avokoa ny voalazany. Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany. Mandehana lazao amin’izy ireo hoe: Miverena any an-dainareo. Fa ianao kosa, mijanòna eto amiko, dia holazaiko aminao ny lalàna sy didy amam-pitsipika rehetra hampianarinao azy, mba harahiny any amin’ny tany izay omeko azy ho fananany.» «Koa mitandrema, mba hanatanteraka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo; aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia; Tsy tamin’ny razantsika no nanaovan’i Iaveh izany fanekena izany, fa tamintsika rehetra izay eto ankehitriny izao, samy velona avokoa.
Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna, na ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana.
Ry kristianina havana, miteny araka ny fanaon’ny olona aho; na ny fanekena ataon’ny olona fotsiny aza, rehefa vita mafy, dia tsy azon’olona foanana na ovana. Ary ilay fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy ny taranany, izay tsy ataony hoe: ny taranany toy ny milaza maro, fa ny taranakao, hoy izy, toy ny manondro tokana, izany hoe i Kristy,
Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.
Aoka Ianao hiantoka ny fananan’ny mpanomponao, ary aoka tsy hampahorin’ny mpiavonavona aho.
Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo,
Fa izao no lazain’i Iaveh amin’ny eonòka: Izay mitandrina ny sabatako ka hifidy izay sitrako ary hifikitra mafy amin’ny fanekeko: dia omeko fahatsiarovana sy anarana, tsaratsara kokoa noho izay zanaka lahy sy zanaka vavy ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako izy; anarana mandrakizay no homeko azy ka tsy ho levona.
Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany, fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana an’i Iaveh, hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay.»
Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»
Mitandrema tena ianareo, mba tsy hanadino ny fanekena nataon’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo, sy tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anareo, dia ny sarin-javatra na inona na inona, nandraran’i Iaveh Andriamanitrareo anareo. Fa i Iaveh Andriamanitrareo anie, ka afo mandevona, sy Andriamanitra saro-piaro.
«Raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka izany, dia hotanterahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao kosa, ny fanekena amam-pamindram-po efa nianianany tamin’ny razanao. Ho tiany sy hosoaviny ary hampitomboiny ianao, hosoaviny ny naterakao sy ny vokatry ny taninao koa, dia ny varinao, ny ranom-boalobokao vaovao, ny diloilonao, ny terak’ombinao, ny zanak’ondrinao, any amin’ny tany nianianany tamin’ny razanao homena anao.
Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.
Izao no lazain’i Iaveh: «Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho, ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena; niaro anao Aho, ary nanangana anao ho faneken’ny firenena, hanandratra indray ny tany, hizara ny loza nosimbana;
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’i Iaveh: - Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko.
Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin’ny andron’ny fahatanoranao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao.
Koa hoy izaho: Moa dia narian’Andriamanitra va ny olony? Sanatria izany! Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina, Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, ary ny lamosiny hamokoka mandrakariva. Koa hoy izaho: Moa dia tafintohina, ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo? Sanatria izany! Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an’ny Jentily, mba hahavelom-pialonana an’i Israely. Koa raha ny fahalavoany no tonga haren’izao tontolo izao, ary ny nihenàny no zary haren’ny Jentily, hanao ahoana re ny hafenoany? Aminareo Jentily no itenenako: amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy, dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho, mba hahavelom-pialonana an’ireo tapako, ka hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao. Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao, hanao ahoana kosa ny fandraisana azy: tsy ho fitsanganana avy any amin’ny maty va? Raha masina ny santatra, dia masina koa ny sisa rehetra; ary raha masina ny fotony, dia masina koa ny rantsany. Ary raha saingy notapahina ny rantsana sasany, ka ianao izay toy ny hazo ôliva naniry ho azy no natsofoka hisolo ireny, sy tonga miombona amin’ny fototra mbamin’ny ranon’ny fototr’ôliva, dia aza mirehareha amin’ny rantsany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fotony, fa ny fotony no mitondra anao. Angamba ianao hanao hoe: «Notapahina ireny rantsany ireny, mba hanatsofohana ahy.» ka tsy narian’Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Tsy fantatrareo va ilay itantaran’ny Soratra Masina ny fitarainan’i Elia tamin’Andriamanitra namely an’i Israely hoe:
Filazana ny razan’i Jesoa-Kristy, Zanak’i Davida, zanak’i Abrahama: i Ezekiasa niteraka an’i Manase; i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Josiasa; i Josiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna. Ary rehefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda; i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra; i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matàna; i Matàna niteraka an’i Jakôba; ary i Jakôba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy. Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo.
He izany nanaovany famindram-po tamin’ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina, dia ilay fianianana nataony tamin’i Abrahama razantsika hanome antsika
Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika, raha Izy nilaza tamin’i Abrahama hoe: Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana; azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny noho i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny «eny», ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana «Amen», mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Fa izay miankina amin’ny asan’ny Lalàna kosa dia voaozona, araka ny voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna. Sady hita miharihary raha ny hoe tsy misy olona hamarinina amin’ny Lalàna eo anatrehan’Andriamanitra, satria amin’ny finoana no hiveloman’ny marina. Ary ny Lalàna dia tsy amin’ny finoana, fa amin’ny fanatanterahana azy no ahavelomana aminy. Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo, mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.
Ny fanekena voalohany koa àry dia nasiana fitsipika momba ny fanompoam-pivavahana, sy ny fitoerana masina momba ny etỳ an-tany.
Ambaran’ny Fanahy Masina amin’izany fa tsy mbola naseho ny lalana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao koa ny tranolay voalohany. Ary fanoharana tandrifin’ny andro ankehitriny izany, izay manambara fa ny fanatitra aman-tsorona natolotra fahizàny, dia tsy nahalavorary izay nanolotra azy, raha ny ao am-po no heverina.
Ary i Iaveh kosa efa nampanambara anao androany, fa ianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary Izy mametra-teny hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra nataony, na amin’ny voninahitra na amin’ny laza, na amin’ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, araka ny efa voalazany.»
Izy no nanambara ny teniny tamin’i Jakôba, sy ny didiny amam-pitsipiny tamin’i Israely. Manangana an’i Jerosalema indray i Iaveh, angoniny ireo tafaely avy tamin’i Israely. Tsy mba nanao toy izany tamin’ny firenena hafa rehetra Izy, ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny. Aeloia!
Ary niseho terỳ ambony i Iaveh ka nanao hoe: «Izaho no Iaveh Andriamanitr’i Abrahama rainao, sy Andriamanitr’i Isaaka; io tany andrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao. Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Indro Aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’ity tany ity. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.»
Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.
Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo anio aho, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tso-drano sy ny ozona; koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka miverina amin’i Iaveh Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ianao sy ny taranakao, araka izao andidiako anao anio izao, amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana Aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.
Fa ny fokon’i Jodà no nofidiny, dia ny tendrombohitr’i Siôna izay efa tiany. Dia naoriny ny fitoerany masina, toy ny havoana manakatra ny lanitra, tahaka ny tany naorina ho mandrakizay.
Ary Izaho kosa, dia izao no fanekeko amin’izy ireo, hoy i Iaveh: Ny Fanahiko izay ao aminao, sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan’ny zanakao, ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh.
Izaho Iaveh no ho Andriamanitr’izy ireo; ary i Davida mpanompoko no ho mpifehy eo aminy; Izaho Iaveh no niteny.
Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin’itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony Aho, ambara-piavin’izay andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin’ny fanjakan’ny Raiko.»
«Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny olony, ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony,
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika.»
Tsy misy hafa na Jody na Jentily; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy; fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Manao fanekem-pihavanana aminareo Aho: tsy hisy levon’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano handringana ny tany intsony.»
«Ny amiko dia izao no fanekeko aminao: Ianao dia ho tonga rain’ny firenena tsy hita isa, ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain’ny firenena tsy hita isa ianao.
Didy hotandremanareo izany, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay, ho anareo sy ny taranakareo.
I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.
Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
Izao no lazain’i Iaveh: Raha mahafoana ny fanekeko amin’ny andro, sy ny fanekeko amin’ny alina, ianareo, ka efa tsy amin’ny fotoany intsony, ny andro sy ny alina: amin’izany, dia ho foana ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, ka tsy hanan-janaka lahy hanjaka eo amin’ny seza fiandrianany izy, sy ny fanekeko amin’ireo Levita mpisorona, manao fanompoana Ahy.
Ary izy rehetra homeko fo iray, hasiako fanahy vaovao ao anatiny, hoesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy;
Koa ny finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna ihany, fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy,
Ry kristianina havana, miteny araka ny fanaon’ny olona aho; na ny fanekena ataon’ny olona fotsiny aza, rehefa vita mafy, dia tsy azon’olona foanana na ovana.
fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna, mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka.
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna, na ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fanekena toy izao no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely rehefa afaka izany andro izany, dia hoy indray ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony,
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soratinao ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no anaovako fanekena aminao sy amin’i Israely.»
Noho ny fitiavany ny razanao, dia nifidy ny fara mandimby azy ireo izy, ka nampivoaka anao avy tany Ejipta, tamin’ny nitoerany tao aminao sy ny heriny lehibe, handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao, mba hampidirany anao amin’ny taniny, sy hanomezany izany ho lovanao, araka izao ankehitriny izao.
Hampitoeriko haharitra mandrakizay ny taranany; ary ny seza fiandrianany haharitra toy ny andron’ny lanitra. Raha mahafoy ny lalàko ny taranany, ka tsy mandeha araka ny fitsipiko; raha mandika ny teniko izy, ka tsy mitandrina ny didiko,
Tsarovy ny famindram-ponao, ry Iaveh, sy ny hatsaram-ponao, fa mandrakizay ireny. Aza tsarovanao ny fahotan’ny fahatanorako, na ny hadisoako, fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho, noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh.
Ary amin’izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka, ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin’i Jakôba, dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo, rehefa voaesotra ny fahotany.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!
Izay namely ny Ejiptianina tamin’ny voalohan-terany, fa mandrakizay ny famindram-pony. Nitondra an’i Israely hivoaka avy teo aminy, fa mandrakizay ny famindram-pony. Tamin’ny tanana mahery sy tamin’ny sandry nahinjitra, fa mandrakizay ny famindram-pony.
«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, dia ilay malalako izay ankasitrahin’ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Nanatitra ny famonjena ho an’ny vahoakany Izy, ary nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. Masina sy mahatahotra ny Anarany.
Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh. Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia hahita Izy, ka ho afa-po. Ilay marina, mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka, ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.
Mandehana àry ianareo, ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»
Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an’i Iaveh izay mitady Azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna... Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana. Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray. izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny, ilay teny nolazainy marimarina ho an’ny taranaka mandimby;
Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana, fa ataovy fehivozona izany ary sokiro ao amin’ny latabatry ny fonao. Aza mifanditra foana aman’olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy. Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana hombàny kely akory; satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra. Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano. Mananihany izay mpananihany Izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena. Anjaran’ny hendry ny voninahitra; fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany. Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao, eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.
Izao no lazain’i Iaveh: «Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho, ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena; niaro anao Aho, ary nanangana anao ho faneken’ny firenena, hanandratra indray ny tany, hizara ny loza nosimbana; hilaza amin’izay lasan-ko babo hoe: ‹Mivoaha!› sy amin’izay ao anatin’ny aizina hoe: ‹Mankanesa atỳ amin’ny mazava;› hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny lalana, ary ny vilon-kohaniny dia eny amin’ny havoana rehetra;
Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo, dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.
Fa handatsaka rano amin’ny tany mangentana Aho; sy sakeli-drano eo amin’ny tany karankaina. Handatsaka ny fanahiko amin’ny taranakao Aho, sy ny fitahiako amin’ny solofonao.
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily. Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: «Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.»
Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinanao; nanorina ny tany Ianao, dia maharitra izy.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika, no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Ny didinao no hataoko fahafinaretako, fa tiako izy. Hanandratra ny tanako amin’ny didinao, izay tiako, aho, ary hisaintsaina ny lalànao.
Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny Anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe Ianao, mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Avia ka banjino ny asan’Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin’ny zanak’olombelona.
fa tsy hesoriko aminy ny hatsaram-poko, ary tsy hampandainga ny toky nomeko azy Aho. Tsy handika ny fanekeko Aho, ary tsy hanova ny teny naloaky ny vavako.
Tsy dia ny tenin’Andriamanitra tsy akory no foana; fa izay taranak’i Israely no tsy tena Israely avokoa,
Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.
Notsarovany, hitsimbinana azy, ny fanekeny; namindra fo taminy araka ny hatsaram-pony lehibe Izy;
Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.
Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak’Andriamanitra taminy, fa nampaherezin’ny finoana izy, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao! Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny; hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany. Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo. Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany, mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony. Feno ranony ny hazon’i Iaveh, mbamin’ny sederan’i Libàna izay namboleny. Manao ny akaniny eo ny vorona, mbamin’ny vano izay mitoetra ao amin’ny sipresy; ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia, ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy. Ny volana nataony famantarana andro; ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany. Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay. Mampiavy ny haizina Izy, ka alina ny andro, dia mihetsiketsika miaraka amin’izay ny biby rehetra any an’ala. Mierona maniry toha, ny liona tanora, mangataka ny haniny amin’Andriamanitra. Miposaka ny masoandro dia mihataka ireny ka lasa mamitsaka any an-davany. Ny olombelona mivoaka amin’izay ho any amin’ny asany; sy ho any amin’ny raharahany mandra-paharivan’ny andro. Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany. Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe. Mivezivezy ao ny sambo, mbamin’i Leviatàna nataonao hilalao eo amin’ny onja. Izy rehetra miandry Anao, hanome ny haniny amin’ny fotoany. Manome azy Ianao, dia mandray izy; manokatra ny tananao Ianao, dia voky ny soa avy aminao izy. Manafina ny Tavanao Ianao, dia raiki-tahotra izy; alànao indray ny fofon’ainy, dia maty izy, ka miverina indray any amin’ny vovoka. Manorina ny fonenany amin’ny ranon’ny lanitra, manao ny rahona ho kalesiny; mandeha amin’ny elatry ny rivotra. Maniraka ny fofon’ainao Ianao, dia àry ireny; ary manavao ny tarehin’ny tany Ianao. Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr’i Iaveh! hifaly amin’ny asany anie i Iaveh! Mijery ny tany Izy dia mihorohoro io; manendry ny tendrombohitra Izy dia midonaka ireny. Sitrako ny mihira ho an’i Iaveh, ny andro rehetra iainako, sy mankalaza ny Andriamanitro raha mbola misy koa aho. Ho sitrany anie ny hirako, fa izaho, dia i Iaveh no nataoko fifaliako. Ho fongotra eto an-tany anie ny mpanota, ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy! Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, Aleloia! Manao ny rivotra ho irany, ary ny lelafo ho mpanompony. Manorona ny tany eo amin’ny fanorenany Izy, ka tsy mihetsiketsika mandrakizay io.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.