Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 57:15 - Baiboly Katolika

15 Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fo torotoro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina, Izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, Ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, Hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena Sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fo torotoro.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 57:15
72 Rohy Ifampitohizana  

Namboly tamarisa tao Bersabea i Abrahama, ary niantso ny anaran’i Iaveh Andriamanitra mandrakizay teo izy.


Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!


noho ianao nibebaka tao am-ponao sy nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra, tamin’ny fandrenesana ny teny mamely ity tany ity mbamin’ny mponina ao aminy; noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako tamin’ny fanetrena ny tenanao, Izaho koa dia efa nihaino anao: teny marin’i Iaveh.


Ireo mavozo handrina hilazanao hoe: ‹Miandrandrà›, dia hovonjen’Andriamanitra izay mietry fijery.


Aoka tsy ho afaka amiko izao fiononam-po izao, ka hiravoravoako ao anatin’ny loza anindriany ahy; dia ny tsy nandikako na oviana na oviana ny didin’ny Masina.


Nanatitra ny famonjena ho an’ny vahoakany Izy, ary nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. Masina sy mahatahotra ny Anarany.


Any an-danitra ny Andriamanitsika; izay tiany hatao, vitany avokoa.


Fihirana fiakarana. Miandrandra Anao ny masoko, dia Ianao izay mitoetra any an-danitra.


Fa avo i Iaveh ka mijery ny iva toetra, ary fantany eny lavitra eny, ny mpiavonavona.


Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.


sitraniny ireo torotoro fo, ary feheziny ny ferin’izy ireo.


Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.


Eo akaikin’izay torotoro fo i Iaveh, ary mamonjy izay rera-panahy Izy.


Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hidera ny fiderana Anao ny vavako.


Fa fanahy torotoro no sorona ho an’Andriamanitra; aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.


Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay, sy hangaihay ary ho azon’ny fandringanana.


Talohan’ny namoronanao ny tendrombohitra, sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao: dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay Ianao, ry Andriamanitra!


Voatsangana hatry ny fiandohana fahagola, ny fiandriananao, misy hatramin’ny mandrakizay Ianao.


satria Ianao, ry Iaveh, no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra; Ianao dia tafasandratra indrindra ambonin’ny andriamanitra rehetra.


Hoderaina anie ny Anaranao, sady lehibe no mahatahotra. - Masina Izy.


Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?


Ny fahasoavanao no hitondranao ity vahoaka navotanao ity; Ny fahefanao no hitarihanao azy ho any amin’ny fonenanao masina.


Hanjaka mandrakizay doria i Iaveh!


Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana.


Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitr’i Iaveh.


Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika, toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona.


Efa niorina hatramin’ny mandrakizay aho, hatramin’ny voalohany, talohan’ny niandohan’ny tany.


Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Hisonanina ato amin’ny fonenako Aho, dia hijery, toy ny hafanana malefaka raha mamirapiratra ny masoandro, toy ny ranonando amin’ny hafanam-pararano.


Manerinerina i Iaveh fa mitoetra any ambony Izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana i Siôna.


Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny


Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo.


Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: «Masina, masina, masina i Iavehn’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra.»


Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere, eny amin’ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny hafanam-po amam-pahefanao, ny fientanam-ponao amam-pamindram-ponao? Niato izany raha ny amiko.


Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.


amin’Andriamanitra any an-danitra: Asondroty ny fontsika mbamin’ny tanantsika.


mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony noho ny henatra ianao, rehefa avy izay hanaovako fanonerana ho anao, noho ny nataonao rehetra, - teny marin’ny Tompo Iaveh.


ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»


Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.


Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.


Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.


Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy; ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.


Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao; marina izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.


Koa mivavaha toy izao ianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao,


satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany,


«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,


Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana.


Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,


Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.


ka dia ny mamela sy mampifaly azy aza no tokony hataonareo izao, fandrao dia reraky ny alahelo tafahoatra indray izy.


Nefa kosa, Andriamanitra ilay mpanafaka alahelo ny ory dia nanafaka alahelo anay tamin’ny nahatongavan’i Tito,


Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao; mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy, sady milaza hoe: Aringano.


Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.


Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.


mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!


Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.


Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.


Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»


Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Filadelfia: Izao no lazain’Ilay Masina, Ilay Marina, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida, Ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha.


Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.


Tsy misy masina tahaka an’i Iaveh, fa tsy misy afa-tsy Ianao no Izy; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra